Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 10: Natao Batisa i Jesoa


Toko 10

Natao Batisa i Jesoa

Sary
John the Baptist in the desert - ch.10-1

Niaina tany an-tany efitra nandritra ny taona maro i Jaona. Nitafy lamba volon-drameva izy, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Olona maro avy any amin’ny tanàn-dehibe no tonga nihaino azy. Fantatra tamin’ny anarana hoe Jaona Mpanao Batisa izy.

Sary
John the Baptist teaching the people about Jesus Christ - ch.10-2

Nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa. Nilaza tamin’izy ireo izy mba hibebaka amin’ny fahotany sy hatao batisa. Nataon’i Jaona batisa ireo izay nibebaka tamin’ny fahotany.

Sary
John the Baptist preaching to the people - ch.10-3

Nanontanian’ny olona mikasika ny fomba hananana fiainana tsaratsara kokoa an’i Jaona Mpanao Batisa. Nilaza tamin’izy ireo izy mba hizara amin’ny mahantra, hilaza ny marina, ary ho marin-toetra eo anatrehan’ny hafa. Nilaza izy fa ho avy tsy ho ela i Jesoa Kristy. Hanome azy ireo ny fanomezan’ny Fanahy Masina i Jesoa.

Sary
Jesus Christ asks John to baptize Him - ch.10-4

Indray andro raha nanao batisa olona teo amin’ny reniranon’i Jordana i Jaona Mpanao Batisa, dia nanatona azy i Jesoa Kristy. Nangataka an’i Jaona hanao batisa azy Izy. Fantatr’i Jaona fa nankatò foana ny didin’Andriamanitra i Jesoa ary tsy mila mibebaka. Nieritreritra i Jaona hoe tsy ilaina atao batisa i Jesoa.

Sary
John the Baptist baptizes Jesus - ch.10-5

Kanefa Andriamanitra dia nandidy ny olona rehetra mba hatao batisa, ka niteny tamin’i Jaona i Jesoa mba hatao batisa. Naneho ohatra ho antsika i Jesoa tamin’ny alalan’ny fankatoavany ilay didin’Andriamanitra mba hatao batisa.

Sary
Jesus comes up out of the water after being baptized - ch.10-6

Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Jesoa, dia tonga taminy ny Fanahy Masina. Niteny avy any an-danitra Andriamanitra nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako.” Nijoro ho vavolombelona koa i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra.

Matio 3:16–17; Jaona 1:33–36; Jesus the Christ, 150

Hamoaka printy