Scripture Stories
Ny Fanoharana Faharoa : Ilay Farantsakely Very


Ny Fanoharana Faharoa

Ilay Farantsakely Very

Sary
A woman searches for a lost coin - ch.35-11

Nisy vehivavy nanana farantsakely 10. Very ny iray tamin’izany. Notadiaviny eran’ny trano izany.

Sary
The woman calls her friends together to rejoice with her in finding the coin - ch.35-12

Farany dia hitany ilay farantsakely. Tena faly izy. Niantso ny namany sy ny mpifanolobodirindrina taminy izy hilazany izany. Faly koa izy ireo fa hitan’ilay vehivavy ilay farantsakely very.

Sary
Jesus compares the lost coin to a member of the Church who was less active and has come back - ch.35-14

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana dia mitovy amin’ilay vehivavy ao amin’ilay tantara. Ilay farantsakely very dia tahaka ny mpikamban’ny Fiangonana izay tsy mandeha any am-piangonana na tsy miezaka mitandrina ireo didy intsony. Tahaka ireny hoe very tsy hita ao am-piangonana ireny izy ireo. Tian’i Jesoa Kristy ireo mpikamban’ny Fiangonana hikaroka ireo rahalahy sy rahavavy izay very ary hanampy azy ireny hiverina Aminy indray. Tena faly izy rehefa mitranga izany.

Jésus Le Christ, 455–56

Sary
The angels are happy when a person repents and comes back into the Church - ch.35-13

Ny namana sy ny mpifanolobodirindrina ao amin’ilay tantara dia toy ireo anjelin’Andriamanitra. Tena faly ireo anjely ireo rehefa misy olona iray mibebaka.

Hamoaka printy