Ny Fanoharana Fahatelo Ilay Zanaka Adala Nisy lehilahy iray nanan-janaka roalahy. Nampanantena ilay lehilahy fa hanome ny volany azy ireo rehefa maty izy. Tsy te-hiandry izany ilay zandriny. Nangatahiny tamin-drainy ny anjara volany. Nomen’ny rainy azy izany. Lioka 15:11–12 Nalain’ilay zanany ny vola ary niala tao an-trano izy. Nandeha tany amin’ny tany hafa izy. Nanota foana ilay zanakalahy. Nolaniany avokoa ny vola rehetra. Lioka 15:13 Farany dia tsy nanam-bola nividianana sakafo intsony ilay zanakalahy. Noana mafy izy. Nangataka fanampiana tamin’ny lehilahy iray izy. Nokaramain’ilay lehilahy hiandry ny kisoany izy. Lioka 15:14–15 Noana mafy ilay zanakalahy ary te-hihinana ireo sakafon-kisoa izy. Fantany fa ny mpanompo ao an-tranon’ny rainy dia nihinana sakafo tsara mihoatra ny nohaniny. Lioka 15:16–17 Nanapa-kevitra ny hibebaka izy ary nangataka mba ho mpanompo ao an-tranon-drainy. Rehefa niverina nody izy, dia tazan’ny rainy nanatona. Lioka 15:18–20 Nihazakazaka nitsena ny zanany ilay ray. Nofihininy ary nohorohany izy. Lioka 15:20 Nilaza tamin’ny rainy ilay zanany fa nanota izy. Nahatsapa izy fa tsy mendrika ny antsoina hoe zanak’ilay ray intsony. Lioka 15:21 Nilaza tamin’ny mpanompony ilay ray mba haka ny akanjo tsara indrindra mba hampanaovina azy. Nasian’ilay mpanompo kapa ny tongotr’ilay zanany ary nasiany peratra ny rantsantanany. Lioka 15:22 Nasain’ilay ray nanomana fety ilay mpanompo. Tiany hankalaza izany ny olon-drehetra. Ilay zanaka izay nanota dia nibebaka ary niverina tany an-trano indray. Lioka 15:23–24 Niverina avy niasa tany an-tsaha ilay zokiny lahy. Rehefa tonga tao an-trano izy, dia nandre mozika sy dihy. Nisy mpanompo iray nilaza taminy fa nody ao an-tokantrano ny zandriny lahy. Tian’ny rainy ny hankalazan’ny olon-drehetra izany. Lioka 15:25–27 Tezitra ilay zokiny lahy ary tsy nety niditra tany an-trano. Nivoaka niresaka taminy ny rainy. Lioka 15:28 Feno fankasitrahana ity ray fa nijanona teo anilany foana ity zanany lahy voalohany ity. Azy daholo izay rehetra nananan’ny rainy. Nilaza koa ilay ray fa azo rariny ihany raha mba manao fankalazana. Tena faly izy fa nibebaka ary niverina tao an-tokantrano ilay zanany faralahy. Lioka 15:31–32 Nilaza ireo fanoharana telo ireo tamin’ireo Fariseo i Jesoa satria tiany ho fantatr’izy ireo fa ny Ray any an-danitra dia tia ny olon-drehetra. Tiany ireo olona izay mankatò Azy. Tiany koa ny mpanota, nefa ny Ray any an-danitra dia tsy afaka ny hitahy azy ireny raha tsy mibebaka aloha. Tiany hibebaka ny mpanota ary hiverina any Aminy. Ary tiany isika hanampy azy ireo hanao izany ary ho faly rehefa miverina izy ireo. Jaona 3:16–17