Scripture Stories
Toko 41: Mitsodrano ireo Zazakely i Jesoa


Toko 41

Mitsodrano ireo Zazakely i Jesoa

Sary
The disciples tell the people not to bring their children to see the Savior - ch.41-1

Nandeha tany Jerosalema i Jesoa. Teny an-dalana teny dia nisy olona vitsivitsy nangataka an’i Jesoa mba hitsodrano ireo zanany. Nilaza tamin’ny olona ireo mpianany mba tsy hanelingelina an’i Jesoa.

Sary
Jesus tells the disciples to let the little children come and that they should be like little children - ch.41-2

Kanefa i Kristy dia tia ankizy. Nilaza tamin’ireo mpianany Izy mba hamela ireo zaza hanatona Azy. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa Kristy fa tokony ho tonga tahaka ny zaza izy ireo. Ary dia ho afaka ny hiara-hiaina amin’Andriamanitra any an-danitra izy ireo.

Hamoaka printy