Scripture Stories
Toko 59: Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly


Toko 59

Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly

Sary
Paul walking with a friend on the road to Damascus. - ch.60-1

Nijery ireo olona namono an’i Stefana i Saoly. Indray andro dia nandeha tany amin’ny tanànan’i Damaskosy niaraka tamin’ireo namany i Saoly. Te-hampiditra ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Kristy an-tranomaizina izy.

Sary
Paul sees a bright light and hears the voice of Jesus Christ. - ch.60-2

Kanjo nisy hazavana namirapiratra avy any an-danitra izay nanodidina azy. Nianjera tamin’ny tany izy. Avy eo dia nandre ny feon’i Jesoa i Saoly nanontany azy ny antony nanenjehany an’ireo Olomasina. Natahotra i Saoly. Nanontany an’i Jesoa ny tokony hataony izy. Nilaza ny Mpamonjy fa tokony handeha ho any Damaskosy izy. Avy eo dia holazaina amin’i Saoly ny tokony hataony.

Sary
Paul, being blind, is led by a friend along the road. - ch.60-3

Nanokatra ny masony i Saoly, kanefa tsy afaka nahita. Jamba izy. Nentin’ny namany tany Damaskosy izy.

Sary
Christ appears to Ananias in a vision and tells him to go to Paul. - ch.60-4

Nisy mpianatr’i Jesoa Kristy nantsoina hoe Ananiasy nonina tao Damaskosy. Tao anatin’ny fahitana no nilazan’i Jesoa an’i Ananiasy mba handeha any amin’i Saoly.

Sary
Ananias blesses Paul. - ch.60-5

Nanana ny fisoronana i Ananiasy. Nametraka ny tanany teo ambony lohan’i Saoly izy ary nitsodrano azy mba hiverina indray ny fahitan’i Saoly. Taorian’ny fahasitranany dia natao batisa i Saoly ary nandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Sary
Paul preaches the gospel in other lands. - ch.60-6

Novain’i Saoly ho Paoly ny anarany. Nantsoina ho Apôstôly izy. Lasa misiôneran’ny Fiangonana izy. Nanoratra taratasy maro izy. Nandeha tany amin’ny tany maro izy ary nitory ny filazantsara.

Hamoaka printy