Scripture Stories
Toko 56: Nanasitrana Lehilahy Iray i Petera


Toko 56

Nanasitrana Lehilahy Iray i Petera

Sary
A crippled man sits by the temple and begs - ch.56-1

Nisy lehilahy iray izay tsy afaka nandeha nentina tany amin’ny tempoly isan’andro. Nipetraka teo amin’ny varavaran’ny tempoly izy ary nangataka vola. Indray andro izy dia nahita an’i Petera sy i Jaona niditra ny tempoly.

Sary
Peter tells the man they have no money - ch.56-2

Nangataka vola tamin’i Petera sy i Jaona izy. Nilaza taminy i Petera fa tsy manam-bola. Nilaza i Petera fa hanome zavatra hafa an’ilay lehilahy.

Sary
Peter blesses the man in the name of Jesus Christ - ch.56-3

Nanome tsodrano an’ilay lehilahy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy i Petera ary nanasitrana azy. Ary dia nampiany mba hitsangana ilay lehilahy.

Sary
A crippled man is healed by Peter - ch.56-4

Izay vao nandeha ilay lehilahy hatrizay teo amin’ny fiainany. Maro ireo olona nahita ilay lehilahy nandeha sy nitsambikimbikina. Fantatr’izy ireo fa fahagagana izany. Fantatr’izy ireo fa nanana ny herin’Andriamanitra i Petera. Nilaza tamin’izy ireo i Petera fa i Jesoa Kristy no nanome azy ny hery hanasitranana ilay lehilahy. Tena misiônera lehibe i Petera. Nanampy olona maro izy hino sy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy