Scripture Stories
Toko 38: Ilay Fariseo sy ilay Mpanora-dalàna


Toko 38

Ilay Fariseo sy ilay Mpanora-dalàna

Sary
Jesus tells a parable to some people who think they are better and more righteous than others - ch.40-1

Indray andro ny Mpamonjy dia niresaka tamin’ny olona maromaro izay nihevitra fa izy ireo dia marina kokoa noho ny olona hafa. Nitantara tantara tamin’izy ireo i Jesoa.

Sary
A Pharisee and a publican go to the temple to pray - ch.40-2

Nisy lehilahy roa nandeha tany amin’ny tempoly mba hivavaka. Fariseo ny iray. Ny iray kosa dia mpanora-dalàna, izay mpanangona hetra. Tsy tian’ny olona ny mpanangona hetra. Nihevitra izy ireo fa ny mpanangona hetra dia tsy mba marin-toetra.

Sary
The Pharisee thanks God that he is better than other people - The publican prays for mercy on himself as a sinner - ch.40-3

Ilay Fariseo dia nijoro teo anoloan’ireo olona hafa mba hivavaka. Nisaotra an’Andriamanitra izy fa tsaratsara kokoa noho ny olon-kafa. Nilaza izy fa mifady hanina in-droa isan-kerinandro ary mandoa ny fahafolonkarenany. Nitsangana ilay mpanora-dalàna, nanondrika ny lohany ary nivavaka hoe: “Andriamanitra ô mamindra fo amiko fa mpanota aho.”

Sary
Jesus explains that the Pharisee thought he did not sin or need help from God, but the publican admitted sinning and wanted to repent - ch.40-4

Ilay Fariseo dia nihevi-tena ho tonga lafatra ka tsy mila ny fanampian’Andriamanitra. Fa ilay mpanora-dalàna kosa dia nahafantatra fa tsy tonga lafatra izy ary mila ny fanampian’Andriamanitra. Nanetry tena izy ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hamela ny helony.

Sary
Jesus tells the people to be like the publican because he, not the Pharisee, would be forgiven - ch.40-5

Nilaza i Jesoa fa ny olona dia tokony ho tahaka ilay mpanora-dalàna. Tsy tokony hieritreritra izy ireo fa tsaratsara kokoa noho ny olona hafa. Tokony hibebaka amin’ny fahotany izy ireo ary hangataka amin’Andriamanitra mba hamela ny helony.

Hamoaka printy