Scripture Stories
Toerana Tsara ho Fantatra


Toerana Tsara ho Fantatra

(Ireo tarehimarika ao anaty fonon-teny dia maneho ireo toko izay miresaka momba ireo zavatra niseho tany amin’ireo toerana ireo.)

Sarintany 1: Ny Tany Masina tamin’ny Vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao

  1. Damaskosy Teny an-dalana ho any amin’io tanàna io i Paoly raha nisehoan’i Jesoa nasainy nibebaka. (59)

  2. Kaisaria FilipiaTao amin’io faritra io no nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona momba ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty, ary i Petera dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra. (32)

  3. GaliliaNandany ny ankamaroan’ny fotoany teo amin’ity faritra ity i Jesoa nampianatra ny filazantsara sy ny nanasitranana ny marary. (19–20, 34, 36)

  4. Kapernaomy Nanatanteraka fahagagana maro teto amin’ity tanàna ity i Jesoa. (23–25, 30)

  5. Ranomasin’i Galilia Nampianatra ny filazantsara tamin’ny olona maro i Jesoa teo akaikin’io. Nampitony ny tafio-drivotra ary nandeha teo ambonin’ny ranon’ny Ranomasina Galilia i Jesoa. (18, 21, 29)

  6. Kana Namadika ny rano ho lasa divay nandritra lanonana fampakaram-bady iray i Jesoa. Nisy lehilahy nanatona an’i Jesoa tonga teto mba hangataka Azy hanasitrana ny zanany. (12, 16)

  7. Nazareta Lehibe teto amin’ity tanàna ity i Jesoa. (2, 4, 9, 17)

  8. Samaria Nampianatra vehivavy iray momba ny rano velona i Jesoa teo amin’ny lavadrano iray teto amin’ity toerana ity. Ny ankamaroan’ny Jiosy dia nankahala ireo olona avy ao Samaria. (15, 58)

  9. Reniranon’i Jordana Nanao batisa an’i Jesoa Kristy teto amin’ity renirano ity i Jaona Mpanao Batisa. (10)

  10. Jopa Teto no nananganan’i Petera tamin’ny maty an’i Tabita. (60)

  11. Jeriko Tao anatin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, dia nisy lehilahy iray izay efa saika maty mihitsy nandeha teny amin’ny lalana nankany amin’ity tanàna ity. (35)

  12. Jerosalema Nandany fotoana maro i Jesoa sy ny Apôstôliny nampianatra teto amin’ity toerana ity. Maty sy nitsangana tamin’ny maty teto i Jesoa. (6, 39–40, 44–57, 63) Jereo ny Sarintany 2 mba hahitana ireo tantara fanampiny izay niseho tany Jerosalema.

  13. Betania Niaina teto amin’ity toerana ity i Lazarosy, ilay natsangan’i Jesoa tamin’ny maty, niaraka tamin’ny rahavaviny Maria sy i Marta. (43)

  14. Betlehema Teraka teto i Jesoa Kristy. (5, 7)

Sary
map 1

Ranomasina Mediteranea

Ranomasina Maty

Damaskosy

Kaisaria Filipia

GALILIA

Kapernaomy

Ranomasina Galilia

Kana

Nazareta

SAMARIA

Reniranon’i Jordana

Jopa

Jeriko

Jerosalema

Betania

Betlehema

Sarintany 2: Jerosalema tamin’ny Vanim-potoan’i Jesoa

  1. Golgota Teto angamba no toerana izay nahafatesan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana. (53)

  2. Zaridainan’ny Fasana Teo angamba no nandevenana an’i Jesoa Kristy, sy nitsanganany tamin’ny maty, ary niresahany tamin’i Maria Magdalena. (53, 54)

  3. Dobon’i Betesda Nanasitrana lehilahy tamin’ny andro Sabata teto i Jesoa. (27)

  4. Tempoly Teto no nampanantenain’ny anjely Gabriela i Zakaria fa hanan-janaka izy, dia i Jaona Mpanao Batisa izany. Nampianatra teto amin’ity tempoly ity i Jesoa. Nandroaka ireo olona nivarotra biby atao fanatitra teo amin’ny tempoly koa Izy. (1, 6, 9, 11, 13, 45, 56)

  5. Sahan’i Getsemane Nivavaka teto amin’ity saha ity i Jesoa, sy nijaly noho ny fahotantsika, ary nivadihan’i Jodasy Iskariota, dia nosamborina. (51, 52)

  6. Tendrombohitra Oliva Nampianatra momba ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa teto. (46)

  7. Tranon’i Kaiafa Ity angamba no toerana izay nitsaran’ireo mpitarika Jiosy an’i Jesoa noho ny fanendrikendrehana Azy ho nandika lalàna. (52)

  8. Efitrano Ambony Teto ho eto amin’ity faritra ity ilay efitrano izay nihinanan’i Jesoa sy ny Apôstôliny ny sakafon’ny Paska. Nampianatra ny Apôstôliny momba ny fanasan’ny Tompo i Jesoa fotoana fohy talohan’ny nandehanany tao amin’ny Sahan’i Getsemane. (49, 50)

Sary
map 2

Golgota

Zaridainan’ny Fasana

Dobon’i Betesda

Tempoly

Sahan’i Getsemane

Tendrombohitra Oliva

Tranon’i Kaiafa

Efitrano Ambony

Hamoaka printy