Scripture Stories
Toko 33: Fisehoana Amim-boninahitra: Ilay Fiovan-tarehy


Toko 33

Fisehoana Amim-boninahitra: Ilay Fiovan-tarehy

Sary
Jesus takes Peter, James and John to the top of a high mountain - ch.37-1

Nentin’i Jesoa i Petera, sy Jakoba ary i Jaona ho eny an-tampon’ny tendrombohitra avo mba hivavaka.

Sary
Jesus prays, the glory of God comes upon Him, and Moses and Elias appear to Him - ch.37-2

Raha mbola nivavaka i Jesoa, dia tonga teo Aminy ny voninahitr’Andriamanitra. Nazava tahaka ny masoandro ny tarehiny. Mpaminany roa ao amin’ny Testamenta Taloha nantsoina hoe Mosesy sy i Elia no niseho Taminy. Niresaka momba ny fahatongavan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty izy ireo.

Sary
The Apostles fall asleep while Jesus is praying - ch.37-3

Raha teo am-pivavahana i Jesoa, dia resin-tory ireo Apôstôly.

Sary
Jesus Christ during the Transfiguration appears in His glory with Moses and Elias to Peter, James and John - ch.37-4

Rehefa nifoha izy ireo, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa Kristy sy i Mosesy ary i Elia. Nandre ny feon’ny Ray any an-danitra izy ireo nijoro ho vavolombelona hoe: “Inty no zanako malalako izay ankasitrahako; henoy Izy.”

Sary
Jesus tells His Apostles to not fear - They look up and see that He is alone - ch.37-5

Natahotra ireo Apôstôly ka dia nianjera tamin’ny tany. Nokasihin’i Jesoa izy ireo ary nolazainy mba tsy hatahotra. Rehefa nitraka izy ireo dia efa lasa ireo iraka avy any an-danitra. Noraran’i Jesoa izy ireo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra hitan’izy ireo raha tsy aorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty.

Hamoaka printy