Scripture Stories
Toko 8: Heroda Mpanjaka Ratsy Fanahy


Toko 8

Heroda Mpanjaka Ratsy Fanahy

Sary
King Herod's soldiers kill the babies in Bethlehem and vicinity - ch.8-1

Nolazain’ireo Magy tamin’i Heroda fa ho mpanjaka i Jesoa. Tian’i Heroda ho izy irery ihany no ho mpanjaka. Nasainy novonoin’ny miaramilany ireo zazakely rehetra tao Betlehema sy any amin’ny faritra manodidina.

Sary
An angel appears to Joseph in a dream telling him to take Mary and Jesus to Egypt - ch.8-2

Nasain’ny anjely iray nentin’i Josefa tany Egypta, izay firenena lavitra an’i Betlehema, i Maria sy ny zazakely. Tsy hitady an’i Jesoa any i Heroda.

Sary
Joseph, Mary and Jesus travel to Egypt - ch.8-3

Nankatò i Josefa. Efa tany Egypta izy sy i Maria ary i Jesoa raha namono ireo zazakely rehetra tao Betlehema sy tany amin’ny faritra manodidina ny miaramilan’i Heroda.

Sary
Joseph, Mary and Jesus return to Nazareth after the death of King Herod - ch.8-7

Rehefa maty ny mpanjaka Heroda, dia nasain’ilay anjely nentin’i Josefa nody i Jesoa sy i Maria. Nentin’i Josefa tany Nazareta izy ireo, izay toerana azo antoka ho an’i Jesoa.

Hamoaka printy