Scripture Stories
Toko 24: Natsangana tamin’ny Maty ilay Zanakavavin’i Jaïro


Toko 24

Natsangana tamin’ny Maty ilay Zanakavavin’i Jaïro

Sary
Jairus comes to see Jesus - ch.22-1

Indray andro i Jaïro, mpanapaka iray tao amin’ny Synagoga, dia nandohalika teo an-tongotry ny Mpamonjy.

Sary
Jairus begs Jesus to bless his daughter so that she will not die - ch.22-2

Nilaza i Jaïro fa marary mafy ny zanany vavy 12 taona. Nitalaho tamin’i Jesoa izy mba handeha hametra-tanana aminy. Nino izy fa afaka manasitrana azy i Jesoa.

Sary
As Jesus accompanies Jairus home He is stopped by other people - A messenger tells Jairus that his daughter is dead - ch.22-3

Nanaraka an’i Jaïro tany an-tranony i Jesoa, kanefa nijanona Izy teny an-dalana Izy mba hanasitrana vehivavy iray. Raha mbola teo am-piresahana tamin’ilay vehivavy Izy, dia nisy olona nilaza tamin’i Jaïro fa efa tara loatra—satria maty ny zanany.

Sary
Jesus tells Jairus to not be sad but believe in Him - ch.22-4

Henon’i Jesoa izany resaka izany. Nilaza tamin’i Jaïro Izy tsy hatahotra fa hino Azy fotsiny.

Sary
Jesus, Peter, James and John arrive at Jairus' house - ch.22-5

Ary dia nanaraka an’i Jaïro tany an-tranony Izy. Feno olona nitomany tao an-trano vokatry ny fahafatesan’ilay zazavavy kely.

Sary
Jesus tells the people in Jairus' house that the girl is not dead but sleeping - ch.22-6

Nolazain’i Jesoa tamin’izy ireo fa tsy maty akory ilay zazavavy fa matory. Nihomehezan’ny olona Izy. Azon’izy ireo antoka fa maty ilay zazavavy.

Sary
Jesus and others go to the room where the daughter of Jairus is lying - ch.22-7

Nasain’ny Mpamonjy nivoaka avokoa ny olona rehetra afa-tsy ireo mpianany sy i Jaïro ary ny vadin’i Jaïro. Nankany amin’ny efitrano nandrian’ilay zazavavy kely izy ireo.

Sary
Jesus raises Jairus' daughter - ch.22-8

Noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany ilay zazavavy. Nodidiany mba hitsangana izy. Nitsangana izy ary nandeha. Talanjona ireo ray aman-dreniny. Notenenin’i Jesoa izy ireo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zava-nitranga. Dia nasainy nomen-dray aman-dreniny sakafo ilay zazavavy.

Hamoaka printy