Scripture Stories
Toko 30: Ilay Mofon’Aina


Toko 30

Ilay Mofon’Aina

Sary
The people who had been fed the loaves and fishes follow Jesus in boats to Capernaum - ch.30-1

Ny ampitson’iny dia maro ireo olona niezaka nitady an’i Jesoa. Nanaraka Azy tany Kapernaomy tamin’ny sambo izy ireo.

Sary
Jesus knows they only want Him to feed them again - ch.29-2

Fantatr’i Jesoa fa tian’izy ireo hamahana azy indray Izy.

Sary
Jesus tells the people they should seek the bread of eternal life - ch.29-3

Nampianarin’i Jesoa azy ireo fa ny mofo dia hamelona azy ireo ao anatin’ny fotoana fohy monja. Nilaza Izy fa misy karazana mofo iray hafa izay tokony hotadiavin’izy ireo—ilay Mofon’Aina. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa Izy no ilay Mofon’aina.

Sary
Jesus tells the people that if they believe on Him they will have everlasting life - ch.29-4

Nampianatra ny olona i Jesoa fa hanao sorona ny ainy Izy mba ho azy ireo. Nilaza Izy fa raha manaraka sy mino Azy izy ireo, dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Hamoaka printy