Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 9: I Jesoa Fony Zazalahy kely


Toko 9

I Jesoa Fony Zazalahy kely

Sary
Jesus as a boy, praying - ch.9-1

Lehibe tao amin’ny tanànan’i Nazareta i Jesoa. Nianatra zavatra maro Izy ka “nihanahery, … ary ny fahasoavan’Andriamanitra dia tao aminy.”

Sary
Jesus goes with Joseph, Mary and others to Jerusalem - ch.9-2

Rehefa feno 12 taona i Jesoa, dia niaraka tamin’i Josefa sy i Maria tao anatin’ny vondron’olona iray handeha hanatrika andro firavoravoana tany Jerosalema. Tany izy ireo nandritra ny andro maromaro.

Sary
Joseph and Mary returning home from Jerusalem without Jesus - ch.9-3

Rehefa nandeha nody i Josefa sy i Maria, dia nieritreritra izy ireo fa niara-dia taminy niverina tany Nazareta niaraka tamin’ny namany i Jesoa. Kanefa dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa.

Sary
Joseph and Mary looking for Jesus in Jerusalem - ch.9-4

Rehefa nitady an’i Jesoa i Josefa sy i Maria, dia tsy nahita Azy. Tsy nisy na iray aza tamin’ireo olona niara-dia taminy nahita Azy. Ary dia niverina tany Jerosalema i Josefa sy i Maria. Nitady an’i Jesoa nandritra ny hateloana izy ireo. Tena nalahelo izy ireo.

Sary
Jesus with the teachers in the temple - ch.9-5

Nony farany dia nahita an’i Jesoa tany amin’ny tempoly izy ireo, niresaka tamin’ny mpampianatra maromaro. Namaly ny fanontanian’izy ireo Izy. Gaga tamin’ny fahalalana maro nananan’i Jesoa ireo mpampianatra.

Sary
Joseph and Mary find Jesus in the temple - ch.9-6

Nolazain’i Maria i Jesoa fa niahiahy ny momba Azy izy sy i Josefa. Novalian’i Jesoa izany nanao hoe nanao ny Asan’ny Rainy Izy, ny asan’Andriamanitra. Tsy azon’i Josefa sy i Maria ny tiany nolazaina.

Sary
Jesus returns with Joseph and Mary to Nazareth - ch.9-7

Nandeha nody niaraka tamin’i Josefa sy i Maria i Jesoa ary nankatò azy ireo.

Sary
Jesus continues to study - ch.9-8

Nianatra bebe kokoa hatrany ny momba ny asan’ny Rainy any an-danitra i Jesoa.

Sary
Jesus grows tall and strong - ch.9-9

Nihalehibe sy natanjaka Izy.

Sary
Jesus as a youth handing bread to a girl - ch.9-10

Tia Azy ny olona. Nanao izay tian’Andriamanitra hataony Izy.

Sary
Jesus as a youth, praying - ch.9-11

Tia Azy Andriamanitra.

Hamoaka printy