Scripture Stories
Toko: Ireo Vahoaka Tezitra tao Nazareta


Toko 17

Ireo Vahoaka Tezitra tao Nazareta

Sary
Jesus returns to Nazareth - ch.17-1

Nandeha tany Nazareta i Jesoa, izay tanàna nahalehibe Azy.

Sary
Jesus stands up in the synagogue to read from Isaiah - ch.17-2

Nandeha tany amin’ny Synagoga i Jesoa, izay trano fiangonan’ireo Jiosy. Nitsangana Izy ary namaky avy tao amin’ny soratra masina. Namaky ny teny voalazan’ny mpaminany Isaia Izy. Nilaza i Isaia fa ho tonga ety an-tany ny Mpamonjy ary hanampy ny olon-drehetra.

Sary
Jesus sits down after reading from the scriptures - ch.17-3

Rehefa nanakombona ny boky i Jesoa ary nandeha nipetraka, dia nijery Azy daholo ny olon-drehetra.

Sary
Jesus tells the people in the synagogue that He is the Savior - ch.17-4

Nilaza i Jesoa fa ny tenin’i Isaia dia miresaka momba Azy—fa Izy no Mpamonjy. Talanjona tamin’ny teniny ny olona. Hoy izy ireo hoe: “Moa ve tsy zanak’i Josefa ity?” Tsy nino izy ireo fa i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra.

Sary
Jesus tells the people He will not do miracles for those without faith - ch.17-5

Fantatry ny Mpamonjy ny zavatra noeritreretin’izy ireo. Tian’izy ireo hanao fahagagana Izy. Saingy namaly azy ireo i Jesoa fa tsy hanatanteraka fahagagana Izy satria tsy nanam-pinoana ny Aminy izy ireo.

Sary
Angry people from the synagogue take Jesus to the top of a hill to throw Him off - ch.17-6

Nahatezitra ny olona izany. Nentin’izy ireo teny an-tampon-kavoana i Jesoa ary notadiavin’izy ireo hatsipy avy eny.

Sary
A man asks the Savior to heal his son saying that the disciples had been unable to help him - ch.33-1

Afa-nitsoaka azy ireo i Jesoa ka nandeha tany amin’ny tanàna iray hafa.

Hamoaka printy