Scripture Stories
Toko 51: I Jesoa Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane


Toko 51

I Jesoa Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Sary
Jesus and His Apostles go to the Garden of Gethsemane - ch.51-1

Nandeha tany amin’ny sahan’i Getsemane i Jesoa sy ny Apôstôly. Tsy niaraka tamin’izy ireo i Jodasy. Nandeha nilaza tamin’ireo mpitarika Jiosy ny misy an’i Jesoa izy.

Sary
Jesus asks Peter, James and John to go with Him into the garden and wait there - ch.51-2

Nangataka an’i Petera, sy i Jakoba, ary i Jaona ny Mpamonjy hiaraka Aminy ao amin’ilay saha. Nangataka azy ireo Izy mba hiandry mandritra ny vavaka ataony.

Sary
Jesus prays in Gethsemane - ch.51-3

Fantatr’i Jesoa fa hijaly noho ny fahotan’ny olona rehetra Izy. Tsy te-hijaly Izy, saingy nisafidy ny hankatò ny Ray any an-danitra.

Sary
Jesus sees Peter, James, and John sleeping and asks them to stay awake - ch.51-4

Resin-tory i Petera, sy i Jakoba ary i Jaona raha mbola nivavaka i Jesoa. Nanatona i Jesoa ary nahita azy ireo natory. Nangataka azy ireo mba tsy hatory Izy.

Sary
Jesus finds Peter, James, and John sleeping again - ch.51-5

Nandeha nivavaka indray Izy. Te-hiari-tory ihany i Petera, sy i Jakoba ary i Jaona, saingy reraka loatra izy ireo. Resin-tory indray izy ireo. Hitan’i Jesoa resin-tory indray izy ireo. Nandeha nivavaka fanintelony indray Izy.

Sary
Jesus suffers for the sins of all people - ch.51-6

Raha teo am-pivavahana i Jesoa, dia nanomboka nangovitra Izy noho ny fanaintainana. Nisy anjely tonga nampahery Azy. Nijaly mafy Izy ka nivoa-dra mihitsy. Nijaly noho ny fahotantsika rehetra Izy mba hahazoantsika famelan-keloka raha mibebaka isika.

Sary
Jesus wakes up Peter, James, and John and tells them He will be betrayed - ch.51-7

Nofohazin’i Jesoa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa hisy hamadika sy hamono. Nilaza i Jesoa fa hisy olon-dratsy ho avy hisambotra Azy.

Hamoaka printy