Scripture Stories
Toko 16: Ilay Zanakalahin’ny Tandapa Ira


Toko 16

Ilay Zanakalahin’ny Tandapa Iray

Sary
The son of a certain nobleman is very sick - ch.16-1

Nisy tandapa iray teo anivon’ny vahoakan’ny Jiosy izay nanan-janaka lahy tena narary tokoa. Ny olon-drehetra dia nieritreritra fa kely sisa dia ho faty ity zanakalahiny ity.

Sary
The nobleman travels to the city of Cana to find Jesus - ch.16-2

Navelan’ity lehilahy ity tao an-trano ilay zanakalahiny ary lasa nandeha an-kilaometatra maro nankany amin’ny tanànan’i Kana izy. Ary dia nahita an’i Jesoa tany izy.

Sary
The nobleman asks Jesus to come heal his son - ch.16-3

Nangataka ny Mpamonjy ity lehilahy ity mba hiaraka aminy ary hanasitrana ny zanany lahy. Nilaza taminy i Jesoa fa ho sitrana ny zanany. Nino an’i Jesoa ity lehilahy, ary dia niverina tany an-tranony izy.

Sary
The nobleman returns home to find his son recovering - ch.16-4

Nifanena tamin’ireo mpanompony izy. Nilaza taminy izy ireo fa efa nihatsara ny zanany ary ho velona. Nanontaniany azy ireo ny fotoana nanombohan’ny zanany lahy ho lasa nihatsara. Dia nilaza taminy izy ireo hoe: Tamin’ny fotoana izay nitenenan’i Jesoa fa ho sitrana ny zanany lahy.

Sary
The nobleman sees his son recovering and he and his household have even more faith in Christ - ch.16-5

Fantatr’ilay lehilahy fa i Jesoa Kristy no nanasitrana ny zanany lahy. Nino ny Mpamonjy izy sy ny fianakaviany rehetra.

Hamoaka printy