Scripture Stories
Toko 29: I Jesoa Nandeha teny Ambonin’ny Rano


Toko 29

I Jesoa Nandeha teny Ambonin’ny Rano

Sary
Jesus's disciples are in a boat on the Sea of Galilee in the midst of a storm - ch.29-1

Taorian’ny namahanana olona 5.000, dia nandeha teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka. Nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia ireo mpianany. Rehefa tonga ny alina, dia nanomboka nifofofofo ny rivotra, ary niha-nahery ny onja.

Sary
Jesus walks over the water to get to the boat - ch.29-2

Nony tonga ny alina, dia tonga namonjy ny toerana nisy ireo mpianany i Jesoa. Nandeha teny ambonin’ny rano Izy mba hahatongavana teny amin’ny sambo.

Sary
The disciples are afraid when they see Jesus walking on the water - ch.29-3

Hitan’ireo mpianany Izy nandeha teny ambonin’ny rano. Natahotra izy ireo. Noheverin’izy ireo fa matoatoa Izy. Niteny tamin’izy ireo i Jesoa hoe: “Izaho ihany, aza matahotra.”

Sary
Peter walks on the water toward the Savior - ch.29-4

Te-handeha teny ambonin’ny rano ihany koa i Petera. Nantsoin’i Jesoa mba hanatona Azy i Petera. Nidina niala tamin’ny sambo i Petera. Nanomboka nandeha tambonin’ny rano hanatona ny Mpamonjy izy.

Sary
Because of the strong wind Peter is afraid and begins to sink - ch.29-5

Satria nifofofofo mafy ny rivotra, dia nanomboka natahotra i Petera. Nanomboka nilentika tao anaty rano izy ary niantso an’i Jesoa mba hamonjy azy.

Sary
The Savior takes Peter by the hand and asks why he is afraid - ch.29-6

Noraisin’ny Mpamonjy ny tanan’i Petera. Nanontaniany an’i Petera ny antony tsy nananany finoana bebe kokoa.

Sary
Jesus and Peter walked to the boat and the storm ceased - ch.29-7

Rehefa tonga teo amin’ny sambo i Jesoa sy i Petera dia nitsahatra ny tafio-drivotra. Niankohoka teo anatrehany daholo ireo mpianany. Fantatr’izy ireo fa Izy no zanak’Andriamanitra.

Hamoaka printy