Scripture Stories
Toko 46: Ny Fiaviana Fanindroany


Toko 46

Ny Fiaviana Fanindroany

Sary
His disciples ask Jesus when the wicked would be destroyed - ch.46-1

Teo an-tendrombohitra Oliva i Jesoa. Te-hametraka fanontaniana maromaro an’i Jesoa ireo mpianany. Nanontany ny fotoana handringanana ny olon-dratsy izy ireo. Tian’izy ireo ho fantatra ihany koa ny fiavian’i Jesoa indray.

Sary
False prophets try to lead the people astray - ch.46-2

Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa fa mialoha ny Fiaviany Fanindroany, dia hisy mpaminany sandoka hilaza ny tenany ho Kristy. Maro ny olona izay hanaraka azy ireo. Kanefa raha mankatò ny teniny ireo mpanara-dia azy, dia tsy ho voasarik’ireo mpaminany sandoka ireo. Ho voavonjy izy ireo.

Sary
Before the Second Coming there will be earthquakes - ch.46-3

Nilaza koa i Jesoa fa alohan’ny fiaviany indray, dia hisy ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany maro. Maro ny olona hijanona tsy hanampy intsony ny hafa ary ho lasa ratsy fanahy.

Sary
The missionaries will preach the gospel, but many people will not listen - ch.46-4

Hotoriana manerana izao tontolo izao ny filazantsara, nefa marobe ireo olona izay tsy hihaino.

Sary
Prior to the Second Coming the sun will be darkened, the moon will not shine, and the stars will fall from heaven - ch.46-5

Ho maizina ny masoandro, tsy hazava ny volana, ary hiraraka avy any an-danitra ireo kintana.

Sary
The righteous see Jesus coming down from the clouds - ch.46-6

Rehefa tonga indray i Jesoa Kristy, dia ho hitan’ny olona izy hidina amim-boninahitra lehibe sy amin-kery avy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Handefa ireo anjeliny Izy hanangona ireo olo-marina.

Sary
A family prepares for the Second Coming by learning about Christ - The parents and children sit and listen to one of the children showing a data-poster of Jesus and the children - ch.46-7

Afaka miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika amin’ny fanaovana ny tsara. Rehefa hitantsika ireo famantarana nampanantenain’i Jesoa, dia ho fantatsika fa efa akaiky ny fiavian’i Kristy. Tsy misy na iray aza mahafantatra ny fiavian’i Jesoa indray. Raha miomana isika dia afaka hiaraka Aminy.

Hamoaka printy