Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 40: Ilay Mpiandry Tsara


Toko 40

Ilay Mpiandry Tsara

Sary
Jesus holding a lamb - He is the good shepherd - ch.39-1

Ny mpiandry ondry dia mikarakara ny ondry. Manampy azy ireo hahita sakafo sy rano izy ireo. Tsy havelany haratra sy ho very izy ireo. Fantany sy tiany izy ireo ary vonona ny hanolotra ny ainy izy mba hanavotana azy ireo.

Sary
Jesus tells the people that the good shepherd gives His life for the sheep - ch.39-2

Niantso ny tenany ho Mpiandry Tsara i Jesoa Kristy. Izy no mpiandry antsika. Isika dia ondriny. Tia antsika Izy. Manampy antsika hianatra ny fahamarinana Izy. Mampianatra antsika ny fomba tokony hiainana Izy mba hahafahantsika miverina any amin’ny Ray any an-danitra. Nanolotra ny ainy ho antsika Izy.

Sary
Jesus tells the people that He has other sheep - ch.39-3

Ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ny vahoaka tao Jerosalema fa manana ondry hafa Izy. Nilaza Izy fa hamangy ireo ondry hafa ireo. Tsy takatry ny vahoaka izany.

Sary
Jesus visits the people in the Americas after His resurrection - ch.39-4

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, dia nitsidika ny ondriny tany Amerika Izy. Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba izany fitsidihany izany. Nijanona andro maro tany i Jesoa, ka nanasitrana ny marary ary nanome tsodrano ny vahoaka. Nomeny ny fisoronana izy ireo ary naoriny ny Fiangonany. Nampianarin’i Jesoa an’ireo vahoaka ireo izay zavatra nampianariny ny vahoaka tany Jerosalema.

Hamoaka printy