Scripture Stories
Toko 26: Namela Heloka an’ilay Vehivavy iray i Jesoa


Toko 26

Namela Heloka an’ilay Vehivavy iray i Jesoa

Sary
A Pharisee asks Jesus to eat with him - ch.23-1

Nisy Fariseo iray nangataka ny Mpamonjy ho any an-tranony ary hiara-hisakafo aminy.

Sary
A sinful woman finds Jesus at the Pharisee's house - ch.23-2

Nisy vehivavy iray izay nanam-pahotana maro tokoa nonina teo an-tanàna. Fantany fa nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo i Jesoa. Te-hanao zavatra manokana ho an’i Jesoa izy.

Sary
A woman kneels at the Savior's feet and washes them with her tears - The Pharisee thinks the Savior should not let the sinful woman touch Him - ch.23-3

Nandohalika izy ary nanasa ny tongotry ny Mpamonjy tamin’ny ranomasony. Avy eo dia nohamaininy tamin’ny volony ny tongony ary nohorohany izany. Nohosorany menaka manitra koa ny tongony. Fantatr’ilay Fariseo fa nanao zavatra ratsy maro izany vehivavy izany. Nieritreritra izy fa tsy tokony ho navelan’i Jesoa hikasika Azy izany vehivavy izany.

Sary
The Savior tells the Pharisee that he had not given Him water to wash His feet - ch.23-4

Fantatry ny Mpamonjy ny eritreritra nananan’ilay Fariseo. Nilaza tamin’ilay Fariseo Izy fa ity vehivavy ity dia nikarakara bebe kokoa Azy mihoatra noho ny nataon’ilay Fariseo. Ity Fariseo ity dia tsy nanome rano an’i Jesoa mba hanasany tongotra na menaka ho an’ny lohany, tahaka ny fanao matetika ho an’ny vahiny.

Sary
Jesus tells the woman that her sins are forgiven - ch.23-5

Nilaza tamin’ilay Fariseo i Jesoa fa voavela ny helok’ilay vehivavy satria tia ny Mpamonjy izy ary nanana finoana Azy. Nasain’i Jesoa mba handeha am-piadanana ilay vehivavy.

Hamoaka printy