Scripture Stories
Olona Tsara ho Fantatra


Olona Tsara ho Fantatra

Agripa

Mpanjaka Romana nanjaka tao Isiraely. Niresaka momba an’i Jesoa Kristy tamin’i Agripa i Paoly.

Ana

mananotena mahatoky iray izay nahita an’i Jesoa fony izy mbola zaza ary nampianatra ny olona fa i Jesoa no zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy

Ananiasy

mpianatr’i Jesoa Kristy nonina tao Damaskosy. Nitsodrano sy nikarakara an’i Paoly izy taorian’ny nahajamba an’i Paoly tao anatin’ny fahitana iray.

Andriamanitra

mety hilazana ny Ray any an-danitra na i Jesoa Kristy

Elia

mpaminanin’ny Testamenta Taloha

Elisabeta

renin’i Jaona Mpanao Batisa

Fanahy Masina

iray amin’ireo mpikambana telo ao amin’Ny Andriamanitra. Manampy an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any an-danitra Izy. Manana ny hery hanampiana ny olona hahafantatra ny fahamarinana Izy. Fanahy Izy ary tsy manana vatana nofo sy taolana.

Fariseo

Mpitarika ny Jiosy. Ny ankamaroan’izy ireo dia nankahala an’i Jesoa sy ireo mpianany.

Gabriela

anjely izay nitsidika an’i Maria ary nilaza taminy fa ho renin’i Jesoa izy. I Gabriela koa dia niseho tamin’i Zakaria ary nilaza taminy fa hanan-janaka lahy izy izay ho antsoina hoe Jaona Mpanao Batisa.

Heroda

mpanjaka ratsy fanahy izay nitondra tao Jerosalema rehefa teraka i Jesoa. Novonoiny avokoa ny zazakely rehetra tao Betlehema ka nanantena izy fa ho faty koa i Jesoa zazakely.

Isaia

mpaminanin’ny Testamenta Taloha nanoratra momba an’i Jesoa

Jairo

mpitarika Jiosy tao Kapernaomy. Natsangan’i Jesoa tamin’ny maty ny zanany vavy.

Jakoba

iray amin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny folon’i Jesoa. Iray tamin’ireo mpanolotsain’i Petera izy taorian’ny nahafatesan’i Jesoa.

Jaona

iray amin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny folon’i Jesoa. Iray tamin’ireo mpanolotsain’i Petera izy taorian’ny nahafatesan’i Jesoa.

Jaona Mpanao Batisa

mpaminany nanao batisa an’i Jesoa. Zanakalahin’i Zakaria sy Elizabeta izy.

Jesoa Kristy

ilay zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao. Nijaly sy maty ho an’ny fahotantsika Izy.

Jiosy

Ny Isiraelita dia anisan’ny tao anatin’ny fanjakan’i Joda. I Jesoa dia Jiosy.

Jodasy Iskariota

iray amin’ireo Apôstôlin’i Jesoa. Natolotr’i Jodasy tamin’ireo olona ratsy fanahy i Jesoa mba hahazoana sekela volafotsy 30.

Josefa

Vadin’i Maria. Nikarakara tsara an’i Jesoa sy i Maria i Josefa.

Joseph Smith

Fony zazalahy i Joseph Smith, dia nitsidika azy ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Nilaza taminy Izy ireo mba tsy handeha any amin’ireo fiangonana misy eto an-tany satria nivaona tamin’ny fahamarinana izy ireo. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith, dia naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy marina.

Kaiafa

mpisoronabe Jiosy izay nandray anjara tamin’ny fanamelohana an’i Jesoa nandritra ny fitsarana Azy

Lazarosy

Lehilahy natsangan’i Jesoa tamin’ny maty

Maria

renin’i Jesoa

Maria Magdalena

Naman’i Jesoa no sady olona voalohany nahita an’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty

Maria sy Marta

anabavin’i Lazarosy sady naman’i Jesoa

Matiasy

mpianatr’i Jesoa izay nantsoina ho iray amin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny folo hisolo ny toeran’i Jodasy Iskariota

Mesia

anarana iray hafa iantsoana an’i Jesoa Kristy

Mosesy

mpaminanin’ny Testamenta Taloha

Mpamonjy

I Jesoa Kristy no Mpamonjy. Nijaly sy maty noho ny fahotantsika Izy. Noho Izy dia afaka ho voavela ny helontsika, raha toa ka mibebaka isika.

Nikodemosy

mpanapaka iray teo amin’ny Jiosy izay nino fa Jesoa no Mpamonjy. Nampianatra momba ny batisa an’i Nikodemosy i Jesoa.

Paoly

lehilahy izay tsy tia ny mpianatr’i Jesoa mandra-pisehon’i Jesoa taminy tao anatin’ny fahitana iray ary nahatonga azy ho niova fo. Avy eo izy dia nanompo an’Andriamanitra ary tonga iray tamin’ireo Apôstôly. Fantatra tamin’ny anarana hoe Saoly koa izy.

Petera

iray amin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny folon’i Jesoa ary Filohan’ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’i Jesoa

Pontio Pilato

Governora Romana tany Jerosalema. Nilaza tamin’i Pilato ireo Jiosy mba hanombo an’i Jesoa, ary dia navelan’i Pilato novonoina i Jesoa.

Ray any An-danitra

ilay Rain’ny fanahintsika Mivavaka Aminy isika.

Romana

ireo olona nanjaka teo amin’ny tany izay nipetrahan’i Jesoa nandritra ny fiainany

Samaritana

vondron’olona izay niaina tao amin’ny tany nipetrahan’i Jesoa. Matetika ny Jiosy sy ny Samaritana dia tsy nifankahazo.

Saoly

jereo Paoly

Satana

fanahy iray zanaky ny Ray any an-danitra. Tsy nankatò ny Ray any an-danitra izy, ary dia noroahina hiala tany an-danitra. Lasa devoly izy. Miezaka maka fanahy ny olona Satana mba hanao ny ratsy.

Silasy

misiônera sady naman’i Paoly

Simona

lehilahy marin-toetra iray izay nahita an’i Jesoa zazakely teo amin’ny tempolin’i Jerosalema

Simona

lehilahy tao Samaria. Nanandrana hoe hividy ny fisoronana tamin’i Petera sy i Jaona izy. Nampianarin’izy ireo azy fa tsy misy olona afaka mividy ny fisoronana.

Stefana

mpitarika marin-toetra iray tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Novonoin’ny Fariseo izy.

Tabita

vehivavy tsara toetra izay natsangan’i Petera tamin’ny maty

Zakaria

rain’i Jaona Mpanao Batisa

Hamoaka printy