Scripture Stories
Toko 25: Nikasika ny Akanjon’i Jesoa Ny Vehivavy Iray


Toko 25

Nikasika ny Akanjon’i Jesoa Ny Vehivavy Iray

Sary
A woman who has been sick for twelve years is lying in bed - ch.26-1

Nisy vehivavy iray izay narary nandritra ny 12 taona. Nitety mpitsabo maro izy, saingy tsy nisy afaka nanampy azy izy ireo.

Sary
The woman sees Jesus in a crowd of people and believes that she can be healed if she could only touch His clothing - ch.26-2

Indray andro dia nahita an’i Jesoa nitangoronan’olona maro izy. Nino izy fa ho sitrana amin’ny alalan’ny fikasihana fotsiny ny akanjon’ny Mpamonjy. Namakivaky ny olona izy ary dia nikasika ny akanjony.

Sary
The woman is healed immediately and Jesus asks who touched Him - ch.26-3

Sitrana avy hatrany izy. Nitodika i Jesoa ary nanontany hoe: “Iza no nikasika ny akanjoko?”

Sary
The woman admits to touching the Savior and Jesus tells her that her faith has made her well - ch.26-4

Natahotra ilay vehivavy. Nandohalika teo anoloan’ny Mpamonjy izy ary dia nilaza fa izy no nikasika Azy. Nilaza i Jesoa fa ny finoany Azy no nahasitrana azy.

Hamoaka printy