Scripture Stories
Sarin’ny Tany Masina


Sarin’ny Tany Masina

(Ireo tarehimarika ao anaty fonon-teny dia maneho ny laharan’ny tokon’ny tantara izay niseho teo amin’ilay toerana aseho sary na teo akaikin’izany.)

Betlehema Teraka teo amin’ity tanàna ity i Jesoa Kristy. (5, 7)

Tempoly Ity no maodelin’ny tempoly tao Jerosalema izay nampianaran’i Jesoa ny filazantsara sy nandroahany ireo olona nivarotra biby atao fanatitra. (1, 6, 9, 11, 13, 45, 56)

Tohatra teo amin’ny Tempoly Ireo no tohatra nitondra nankany amin’ny tempoly.

Nazareta Lehibe teto amin’ity tanàna ity i Jesoa. (2, 4, 9, 17)

Jerosalema Nandany fotoana maro i Jesoa sy ny Apôstôliny nampianatra teto amin’ity toerana ity. Maty sy nitsangana tamin’ny maty teto i Jesoa. (6, 39–40, 44–57, 63)

Renirano Jordana Nanao batisa an’i Jesoa Kristy teto amin’ity renirano ity i Jaona Mpanao Batisa. (10)

Tany Foanan’i Joda Nifady hanina ary nalain’ny devoly fanahy tany an-tany foana i Jesoa Kristy taorian’ny batisany. (11)

Samaria Nampianatra vehivavy iray momba ny rano velona tamin’ny teo amin’ny lava-drano teto amin’ity toerana ity i Jesoa. Ny ankamaroan’ny Jiosy dia mankahala ireo olona avy ao Samaria. (15, 58)

Galilia sy ny Ranomasina Galilia Maro ireo olona no nino fa teto amin’ny ilan’ity havoana ity no nanaovan’i Jesoa ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Ny ranomasina Galilia no fanambanin’ny sary eto. Teto akaiky teto no nampianaran’i Jesoa ny filazantsara tamin’ny olona maro ka anisan’izany ny Apôstôliny. Nampitony ny tafio-drivotra teo amin’ny Ranomasina Galilia i Jesoa. (18–22, 29, 34, 36)

Kapernaomy Ity faharavana ity dia hita tao amin’ny tanànan’i Kapernaomy. Nanao fahagagana maro tao amin’ity tanàna ity i Jesoa. (23–25, 30)

Kaisaria Filipia Teto amin’ity toerana ity no nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty, ary i Petera dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no zanak’Andriamanitra. (32)

Jeriko Tao anatin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, dia nisy lehilahy iray izay efa saika maty mihitsy nandeha teny amin’ny lalana nankany amin’ity tanàna ity. (35)

Tendrombohitra Tabora Teto angamba no nitranga ny Fiovan-tarehin’i Jesoa Kristy. (33)

Sahan’i Getsemane Nivavaka teto amin’ity saha ity i Jesoa, sy nijaly noho ny fahotantsika, ary nivadihan’i Jodasy Iskariota, dia nosamborina. (51, 52)

Golgota Teto angamba no toerana izay nahafatesan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana. (53)

Zaridainan’ny Fasana Teto angamba no nandevenana an’i Jesoa Kristy, sy nitsanganany tamin’ny maty, ary niresahany tamin’i Maria Magdalena. (53, 54)

Hamoaka printy