Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 50: Fampianarana Hafa Nandritra ny Fanasana Farany


Toko 50

Fampianarana Hafa Nandritra ny Fanasana Farany

Sary
Jesus teaches that people will know His disciples if they love one another - ch.50-1

Rehefa avy nisakafo izy ireo, dia nilaza tamin’ny Apôstôly i Jesoa fa tokony hifankatia izy ireo tahaka ny nitiavany azy ireo. Raha manao izany izy ireo, dia ho fantatry ny olona fa mpianany tokoa.

Sary
Jesus tells His disciples that if they love Him they will keep His commandments - ch.50-2

Nilaza Izy fa raha tia Azy ireo Apôstôly, dia tokony hitandrina ny didiny. Nampanantena azy ireo ny fanomezan’ny Fanahy Masina Izy. Ny Fanahy Masina no hampianatra azy ireo ny zava-drehetra tokony ho fantany. Ny Fanahy Masina no hanampy ireo Apôstôly hahatsiaro ireo zavatra nampianarin’i Jesoa azy ireo.

Sary
Jesus says that He is the true vine - ch.50-3

Nilaza i Jesoa fa tahaka ny voaloboka Izy. Ireo mpianany dia tahaka ny sampam-boaloboka. Izay sampana miray tsara amin’ny vatan’ny voaloboka ihany no hamoa voa tsara.

Sary
Jesus tells His disciples that if they live the gospel they will be like branches of the good vine - ch.50-4

Nampanantena ny Apôstôliny i Jesoa fa raha miaina ny filazantsara izy ireo, dia ho tsara ny voany (ny asan’izy ireo). Raha tsy manaraka Azy izy ireo, dia ho tahaka ireo sampana izay nesorina tamin’ilay zavamaniry ary tsy hamoa na inona na inona.

Sary
Christ prays for His disciples - ch.50-5

Nivavaka ho an’ireo Apôstôliny i Jesoa Kristy mba hiray hina izy ireo. Tiany izy ireo hampianatra ny olona hino Azy ary hahafantatra fa ny Ray any an-danitra dia tia azy ireo.

Sary
Jesus and the Apostles sing a hymn - ch.50-6

Avy eo dia nihira hira fiderana i Jesoa sy ireo Apôstôly ary nandao ny efitrano.

Hamoaka printy