Scripture Stories
Ny Fanoharana Fahatelo : Ilay Zanaka Adala


Ny Fanoharana Fahatelo

Ilay Zanaka Adala

Sary
The younger son of a man asks his father for his inheritance - ch.35-15

Nisy lehilahy iray nanan-janaka roalahy. Nampanantena ilay lehilahy fa hanome ny volany azy ireo rehefa maty izy. Tsy te-hiandry izany ilay zandriny. Nangatahiny tamin-drainy ny anjara volany. Nomen’ny rainy azy izany.

Sary
The son is drinking and laughing with friends - ch.35-16

Nalain’ilay zanany ny vola ary niala tao an-trano izy. Nandeha tany amin’ny tany hafa izy. Nanota foana ilay zanakalahy. Nolaniany avokoa ny vola rehetra.

Sary
The son asks a man for help and the man sends him to feed the pigs - ch.35-17

Farany dia tsy nanam-bola nividianana sakafo intsony ilay zanakalahy. Noana mafy izy. Nangataka fanampiana tamin’ny lehilahy iray izy. Nokaramain’ilay lehilahy hiandry ny kisoany izy.

Sary
The son was so hungry he wanted to eat the pig's food - He decides to go home and be a servant to his father because the servants had enough to eat - ch.35-18

Noana mafy ilay zanakalahy ary te-hihinana ireo sakafon-kisoa izy. Fantany fa ny mpanompo ao an-tranon’ny rainy dia nihinana sakafo tsara mihoatra ny nohaniny.

Sary
The father sees his son coming home - ch.35-19

Nanapa-kevitra ny hibebaka izy ary nangataka mba ho mpanompo ao an-tranon-drainy. Rehefa niverina nody izy, dia tazan’ny rainy nanatona.

Sary
The father runs to meet his son and welcome him home - ch.35-20

Nihazakazaka nitsena ny zanany ilay ray. Nofihininy ary nohorohany izy.

Sary
The son tells his father that he has sinned - ch.35-21

Nilaza tamin’ny rainy ilay zanany fa nanota izy. Nahatsapa izy fa tsy mendrika ny antsoina hoe zanak’ilay ray intsony.

Sary
The father tells his servants to put the best robe on his sona ring on his hand and shoes on his feet - ch.35-22

Nilaza tamin’ny mpanompony ilay ray mba haka ny akanjo tsara indrindra mba hampanaovina azy. Nasian’ilay mpanompo kapa ny tongotr’ilay zanany ary nasiany peratra ny rantsantanany.

Sary
The servants make a feast for the son - ch.35-23

Nasain’ilay ray nanomana fety ilay mpanompo. Tiany hankalaza izany ny olon-drehetra. Ilay zanaka izay nanota dia nibebaka ary niverina tany an-trano indray.

Sary
The older son comes in from the field and hears music and dancing - A servant tells him that his father is celebrating the younger son's return - ch.35-24

Niverina avy niasa tany an-tsaha ilay zokiny lahy. Rehefa tonga tao an-trano izy, dia nandre mozika sy dihy. Nisy mpanompo iray nilaza taminy fa nody ao an-tokantrano ny zandriny lahy. Tian’ny rainy ny hankalazan’ny olon-drehetra izany.

Sary
The father comes out and talks to the elder son who is angry and won't join the celebration - ch.35-25

Tezitra ilay zokiny lahy ary tsy nety niditra tany an-trano. Nivoaka niresaka taminy ny rainy.

Sary
The father explains that the elder son will inherit everything the father has, but they should be happy that the younger son has repented and come home - ch.35-26

Feno fankasitrahana ity ray fa nijanona teo anilany foana ity zanany lahy voalohany ity. Azy daholo izay rehetra nananan’ny rainy. Nilaza koa ilay ray fa azo rariny ihany raha mba manao fankalazana. Tena faly izy fa nibebaka ary niverina tao an-tokantrano ilay zanany faralahy.

Sary
Jesus explains the meaning of the three parables to the Pharisees - ch.35-27

Nilaza ireo fanoharana telo ireo tamin’ireo Fariseo i Jesoa satria tiany ho fantatr’izy ireo fa ny Ray any an-danitra dia tia ny olon-drehetra. Tiany ireo olona izay mankatò Azy. Tiany koa ny mpanota, nefa ny Ray any an-danitra dia tsy afaka ny hitahy azy ireny raha tsy mibebaka aloha. Tiany hibebaka ny mpanota ary hiverina any Aminy. Ary tiany isika hanampy azy ireo hanao izany ary ho faly rehefa miverina izy ireo.

Hamoaka printy