Avia, hanaraka Ahy
01–07 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko ianareo-


“01–07 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko ianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“01–07 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
andron’ ny Pentekôsta

Andron’ ny Pentekôsta, nataon’i Sidney King

01–07 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko ianareo”

Eo am-pandalinanao ny Asan’ny Apostoly 1–5 dia afaka mitaona anao hahita fahamarinana izay manan-danja ho an’ny fiainanao ny Fanahy Masina. Raiso an-tsoratra ireo andinin-tsoratra masina izay mahatalanjona anao, ary mitadiava fahafahana hizarana izay zavatra ianaranao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no mety ho neritreretin’i Petera sy ny mety ho tsapany raha “nandinika ny lanitra” izy sy ireo Apôstôly hafa teo am-piakaran’i Jesoa ho an’ny amin’ny Rainy? (Asan’ny Apostoly 1:10) Ilay Fiangonana izay naorin’ilay Zanakalahin’ Andriamanitra teo dia notarihin’i Jesoa tamin’ny alalan’i Petera, mpaminanin’ Andriamanitra. Eo an-tsorok’i Petera izao ilay andraikitra hitarika ny ezaka hampianatra ny firenena rehetra (Matio 28:19). Fa raha nahatsapa ho tsy mahay na natahotra izy dia tsy mahita porofon’izany isika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Ny zavatra hitantsika dia ohatry ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po tsy misy tahotra, fanasitranana mahagaga, fisehoan-javatra ara-panahy, ary fitomboana lehibe teo amin’ny Fiangonana. Nanomboka teo, noho ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina dia tsy ilay mpanjono tsy ampy fahalalana izay hitan’i Jesoa teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia intsony i Petera. Na ilay lehilahy sahiran-tsaina izay nitomany fatratra vao herinandro vitsivitsy monja talohan’izany, satria nandà tsy nahalala an’i Jesoa avy any Nazareta.

Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly ianao dia hamaky fanambarana mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ho hitanao ao ihany koa ny fomba ahafahan’ny filazantsara manova olona, tafiditra ao anatin’izany ianao, ho lasa ireo mpanaradia mahery fo izay fantatr’ Andriamanitra fa azony tratrarina.

Sary
sary famantarana ny fandalinana manokana

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 1:1–8, 15–26; 2:1–42; 4:1–13, 31–33

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra ny ezaka nataon’ireo Apôstôly hanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy taorian’ny fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra. Na tsy teto an-tany intsony aza i Jesoa Kristy dia nitarika ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina Izy. Eritrereto ny fomba nitarihan’ny Fanahy Masina ireo mpitarika vaovao tao amin’ny Fiangonana rehefa mamerina mijery ireto andinin-tsoratra masina ireto ianao: Asan’ny Apostoly 1:1–8, 15–26; 2:1–42; 4:1–13, 31–33.

Inona avy ireo iraka na antso na andraikitra nomen’ny Tompo anao? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ireo Apôstôly voalohany ireo momba ny fomba ahafahanao miantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hitarika anao?

(Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Fanahy Masina.”

Asan’ny apostoly 2:1–18

Inona no tanjon’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny?

Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny indraindray dia ny hoe miteny amin’ny fiteny tsy misy mahafantatra. Na izany aza ny Mpaminany Joseph Smith dia niresaka ireo tranga ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 mba hanazavana fa io fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy io dia “nomena ho amin’ny tanjon’ny fitoriana [ny filazantsara] amin’ireo izay miteny amin’ny fiteny tsy azy: tahaka ny tamin’ny andron’ny Pentekôsta. … Ny tena antony isian’ny [fanomezam-pahasoavana amin’ ny] fiteny dia ny hiresahana amin’ny vahiny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2008], 383–84) Ny andro firavoravoana amin’ny Pantekôsta, izay andro fety lehibe ho an’ny Jiosy, dia nahatonga ny Jiosy maro avy amin’ny firenena maro hankao Jerosalema. Ny fanomezam-pahasoavana amin’ ny fiteny no nanome fahafahana an’ireo mpitsidika ireo hahatakatra ny tenin’ireo Apôstôly amin’ny fitenin-drazany.

Asan’ny Apostoly 2:36–47; 3:13–21

Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara dia manampy ahy hanatona an’i Kristy.

Efa nahatsapa ho “voatsindrona [tao am-po]” tahaka ireo Jiosy tamin’ny andron’ ny Pentekôsta ve ianao? (Asan’ny Apostoly 2:37). Mety nanao zavatra izay mampanenina anao ianao, na mety te hanova fotsiny ny fiainanao. Inona no tokony hataonao rehefa manana ireo fahatsapana ireo? Ny torohevitra nomen’i Petera an’ireo Jiosy dia hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:38. Jereo ny fiantraikan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara ireo (tafiditra ao anatin’izany ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina, na ilay antsoina matetika hoe ny fotopampianaran’i Kristy) tamin’ireo olona niova fo ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37–47.

Mety efa vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao, koa ahoana ary no hampiharanao ny fotopampianaran’i Kristy? Eritrereto ireto teny nolazain’ny Loholona Dale G. Renlund ireto: “Afaka ny hatao ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny famerimberenana … ny fampiharana finoana [an’i Kristy], mibebaka, mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavao ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana avy amin’izany, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva bebe kokoa. Rehefa manao izany isika dia lasa mitovy bebe kokoa amin’i Kristy ka afaka ny haharitra hatramin’ny farany, sy ny vokatra rehetra aterak’izany” (“Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 56).

Jereo koa ny 2 Nefia 31; 3 Nefia 11:31–4127; Brian K. Ashton, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, nôv. 2016, 106–9.

Asan’ny Apostoly 3:19–21

Inona ireo “andro famelombelomana” sy “andro fampodiana ny zavatra rehetra”?

Ny “andro famelombelomana” dia milaza ny Arivotaona, rehefa hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy. Ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra” dia milaza ny famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara.

Asan’ny Apostoly 3; 4:1–31; 5:12–42

Ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia omena hery hanatanteraka fahagagana amin’ny anarany.

Nanantena ny hahazo vola avy amin’ireo izay tonga tao amin’ny tempoly ilay lehilahy nalemy tongotra. Saingy nanome azy mihoatra izany ny mpanompon’ny Tompo. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 3; sy 4:1–31; ary 5:12–42, dia diniho ny fiantraikan’ny fahagagana nanaraka izany tamin’:

Ilay lehilahy nalemy tongotra

I Petera sy i Jaona

Ireo vavolombelona tao amin’ny tempoly

Ireo mpisorona avo sy ireo mpanapaka

Ireo Olomasina hafa

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Asan’ny Apostoly 2:37

Oviana isika no efa nahatsapa ho “voatsindrona [tam-pontsika]” rehefa nampianatra ny filazantsara ny olona iray? Inona no dikan’io fahatsapana io? Nahoana no manan-danja ny milaza hoe “Inona no tokony hataontsika” rehefa manana ireo fahatsapana ireo?

Asan’ny Apostoly 3:1–8

Ahoana no nitahiana ilay lehilahy tao amin’ny tempoly tamin’ny fomba hafa tsy neritreretiny? Oviana isika no efa nahita fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra tonga teo amintsika tamin’ny fomba tsy neritreretintsika?

Sary
i Petera manasitrana lehilahy iray

Izay ananako no omeko anao, nataon’i Walter Rane

Asan’ny Apostoly 3:12–26; 4:1-21; 5:12–42

Inona no manaitra anao amin’ny fahatokian’i Petera sy i Jaona? Ahoana no ahafahantsika maneho fahasahiana amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Asan’ny Apostoly 4:32–5:11

Mety hankafizin’ny fianakavianao ny milalao an-tsehatra ny tantaran’i Ananiasy sy i Safira amin’ny fanaovana fitafy tsotra miaraka amin’ny vola madinika. Inona no lesona ianarantsika avy amin’io tantara io? Arakaraka ny filan’ny fianakavianao dia azonao atao ny miresaka momba ny fahamarinan-toetra, na ny fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ny fanokanana.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Misafidy lohahevitra. Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra iray avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 mba hiarahana mandalina.

Sary
Ny Fiakaran’i Jesoa tany an-danitra

Ny fiakaran’ny Tompo tany an-danitra, nataon’i William Henry Margeston

Hamoaka printy