Avia, hanaraka Ahy
22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-


“22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Paoly teo amin’ny Areopago

22–28 jolay

Asan’ny Apostoly 16–21

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Eo am-pamakianao momba ny ezaka nataon’ny Paoly hitory ny filazantsara dia mety hibitsika eritreritra na fitsapana aminao ny Fanahy. Soraty ireo fahatsapana ireo, ary mametraha drafitra hanaovana zavatra araka izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Anisan’ny teny farany nolazain’ny Tompo tamin’ireo Apôstôliny ny didy manao hoe: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo” (Matio 28:19–20 Na dia tsy tonga hatrany amin’ny firenena rehetra aza ireo Apôstôly, ny Asan’ny Apostoly 16–21 dia maneho fa nanatanteraka fivoarana mahatalanjona tamin’ny fanorenana ny Fiangonana i Paoly sy ireo mpiara-manompo taminy. Nampianatra sy nanao batisa ary nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo. Nanatanteraka fahagagana, sy nanangana lehilahy iray tamin’ny maty mihitsy aza izy ireo, ary naminany ny amin’ny apôstazia lehibe (Asan’ny Apostoly 20:7–12; 20:28–31). Ary ny asa natombok’izy ireo dia mitohy ankehitriny miaraka amin’ireo Apôstôly velona, sy mpanaradia feno fanolorantena tahaka anao, izay manampy amin’ny fanatanterahana ny iraky ny Mpamonjy amin’ny fomba izay tsy neritreretin’i Paoly mihitsy. Mety fantatrao angamba fa misy olona tsy mahafantatra ny Rainy any An-danitra na ny filazantsarany. Mety efa nahatsapa ny fanahinao ho “taitra tao [anaty]” angamba ianao hizara amin’izy ireo ny zavatra fantatrao momba Azy (Asan’ny Apostoly 17:16). Raha manaraka ny ohatry ny fanetrentena sy ny fahasahiana hizara ny filazantsara nasehon’i Paoly ianao dia mety hahita olona izay efa nosokafan’ny Tompo ny fony (Asan’ny Apostoly 16:14).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 16–21

Hitarika ahy amin’ny ezaka ataoko hizara ny filazantsara ny Fanahy.

Ny olona rehetra dia samy mila ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, saingy ny olona sasany dia voaomana kokoa noho ny hafa mba handray izany. Izany no antony iray ilantsika ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsara, dia ny hitarika antsika amin’reo izay efa vonona. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 16–21, dia jereo ireo fotoana izay nitarihan’ny Fanahy an’i Paoly sy ny mpiara-manompo taminy. Inona no fitahiana tonga noho ny fanarahany ny Fanahy? Oviana ianao no efa nahatsapa ny Fanahy nibitsika taminao tamin’ny ezaka nataonao hizara ny filazantsara?

Jereo koa ny Almà 7:17–20; Dallin H. Oaks, “Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, nôv. 2016, 57–60; Torio ny Filazantsarako, 109–10.

Asan’ny Apostoly 16–21

Afaka manambara ny filazantsara ao anatin’ny toe-javatra rehetra aho.

Ny fidirana am-ponja noho ny fitoriana ny filazantsara dia mety ho antony azo ekena ny amin’ny tsy tokony hitoriana intsony. Saingy ho an’i Paoly sy i Silasy izany dia lasa fahafahana nanova ny fon’ny gadra iray (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:16–34). Tadiavo ao anatin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 ireo ohatra hafa maneho ny fahavitrihan’i Paoly hizara ny tenivavolombelony amin’ny olona rehetra. Nahoana araka ny eritreritrao no tena nahasahy sy tsy natahotra toy izany izy? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatr’i Paoly?

Mbola misy hafatra maro momba ny fizarana ny filazantsara ao amin’ireo toko 16–21. Raha mijery tsara ianao dia afaka hahita vitsivitsy izay tena azonao ampiharina manokana. Andramo vakina miaraka amin’izany eritreritra izany ao an-tsaina ireo toko ireo. Inona no zavatra hitanao?

Asan’ny Apostoly 17:16–34

“Terak’ Andriamanitra isika.”

Nahita olona samy hafa fomba fijery sy fivavahana tao Atena i Paoly. Nikatsaka ny “hihaino zava-baovao” foana izy ireo, ary ny zavatra izay hozarain’i Paoly tamin’izy ireo dia tena zavatra vaovao tamin’izy ireo tokoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:19–21). Nitsaoka andriamanitra maro izy ireo, tafiditra tao anatin’izany ilay iray nantsoin’izy ireo hoe “Andriamanitra tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23), saingy nino izy ireo fa andriamanitra dia hery na tanjaka, olona tsy velona sy tsara toetra, ary tsy mba Raintsika. Vakio ny zavatra nolazain’i Paoly mba hanampiana azy ireo hahafantatra an’ Andriamanitra, ary raiso naoty ireo toetran’ Andriamanitra izay hitanao. Midika inona aminao ny hoe “terak’ Andriamanitra”? (Asan’ny Apostoly 17:29) Raha ny eritreritrao, inona no mampiavaka ny hoe zanak’ Andriamanitra sy ny hoe iray amin’ireo zavatra nohariany fotsiny? Raha nijoro teo anilan’i Paoly ianao raha nijoro ho vavolombelona izy, inona no mety ho nolazainao tamin’ireo Grika momba ny Raintsika any An-danitra? Mahafantatra olona izay hahazo tombontsoa amin’ny fihainoana ny fijoroanao ho vavolombelona ve ianao?

Sary
i Jesoa mitantana ankizilahy

Ny hasarobidin’ny Fanahy iray, nataon’i Liz Lemon Swindle

Jereo koa ny Romana 8:16; 1 Jaona 5:2.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Asan’ny Apostoly 16–21

Mba hanampiana ny fianakavianao hahita sary an-tsaina ny zavatra mitranga ao amin’ireo toko ireo dia mety hahafinaritra ny manisy marika ireo tanàna izay notsidihan’i Paoly ao amin’ny sarintany iray rehefa miara-mamaky izany ianareo (jereo ny sarintany amin’ny faran’ity rindran-damina ity).

Asan’ny Apostoly 17:11; 18:24–28

Ahoana no hahafahantsika hitovy bebe kokoa amin’ireo Olomasina ao amin’ireo soratra masina ireo? Ahoana no hahatonga antsika ho “tsara”kokoa amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro? (Asan’ny Apostoly 17:11). Ahoana no hahafahantsika ho “[mahery amin’ ny] Soratra Masina”? (Asan’ny Apostoly 18:24).

Asan’ny apostoly 19:1–7

Ireto fampianarana avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireto dia mety hanampy ny fianakavianao hifanakalo hevitra momba ny Asan’ny Apostoly 19:1–7: “Antsasaky ny batisa ihany ny batisan’ny rano ary tsy manan-kery raha tsy eo ilay antsasany anankiray hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina izany. … -Ny hoe ateraky ny rano sy ny Fanahy- dia midika hoe alentika ao anaty rano ho famelan-keloka ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina avy eo. Izany dia nomena tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny olona iray manana ny fahefana nomen’ Andriamanitra azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 95). Inona avy ireo fitahiana tonga amintsika avy amin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 19:13–20

Inona no nitaona ireo olona ao amin’ireo andininy ireo handoro ny bokiny izay nitentina “volafotsy dimy alina”? (Asan’ny Apostoly 19:19). Misy fananana arak’izao tontolo izao na fanaon’izao tontolo izao ve mila hilaozantsika mba hahafahana mandray ireo fitahiana avy an-danitra?

Asan’ny Apostoly 20:32–35

Oviana ny fianakavianao no niaina ny fampianaran’i Kristy manao hoe: “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”? (Asan’ny Apostoly 20:35). Misy olona ve mety hahazo tombontsoa avy amin’ny asa fanompoana, na ny fotoana, na ny fanomezana izay azon’ny fianakavianao omena? Ifampiresaho miaraka amin’ny fianakavianao ny hevitra sasantsasany dia manaova drafitra mba hanompo olona iray. Inona no fahatsapana ananantsika rehefa manompo ny hafa isika? Nahoana no mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa misy fahatsapana na eritreritra tonga dia raketo izy ireny. Ohatra, afaka manoratra ny eritreritrao eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao ianao, na ao amin’ny application Bibliothèque de l’ Evangile, na ao amin’ny diary fandalinanao. “Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy ianao, dia mampiseho amin’ny Tompo fa manan-danja aminao ny fitarihany, ary dia homeny fanambarana matetitetika ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12; jereo koa ny 30).

Sary
sarintanin’ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly

Ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly

Hamoaka printy