Avia, hanaraka Ahy
29 jolay–04 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona-


“29 jolay–04 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“29 jolay–04 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

i Paoly tao am-ponja

29 jolay–4 aogositra.

Asan’ny Apostoly 22–28

“Ho mpanompo sy ho vavolombelona”

Ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina dia mazàna tony ary matetika dia tsy maharitra. Ny firaketana ny zavatra tsapanao dia manome fahafahana anao hisaintsaina azy ireny lalindalina kokoa. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 22–28, dia soraty ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao ary makà fotoana hisaintsainana azy ireny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

“Rehefa irahin’ny Tompo isika,” hoy ny nampanantenain’ny Filoha Thomas S. Monson , “dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo” (“Mianara, manaova, meteza,” Liahona, nôv. 2008, 62). Tsy natao hiaina fiainana tsisy olana sy feno fahombiazana tsisy farany anefa isika. ho porofon’izany dia mila mijery an’i Paoly Apostoly fotsiny isika. Ny iraka nomen’ny Mpamonjy azy dia ny “fitondrana ny anara[ny] eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely” (Asan’ny Apostoly 9:15). Ao amin’ny toko 22–28 ao amin’ny Asan’ny Apostoly isika dia mahita an’i Paoly manatanteraka io iraka io sy miatrika fanoherana: famatorana amin’ny rojo vy, fampidirana am-ponja, fampijaliana ara-batana, rendrika an-tsambo, ary hatramin’ny fanafihan’ny bibilava mihitsy aza. Fa mahita an’i Jesoa ihany koa isika “nitsangana teo anilany … ka nanao hoe: Matokia” (Asan’ny Apostoly 23::11). Ny zavatra niainan’i Paoly dia fampahatsiahivana manentana fanahy fa rehefa manaiky ny antsony ny mpanompon’ny Tompo mba handeha sy hanao mpianatra ny firenena rehetra, dia hotanterahiny ilay fampanantenany amin’izy ireo izay manao hoe: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao” (Matio 28:19–20).

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 22:1–21; 26:1–29

Ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia mizara amim-pahasahiana ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Tamin’i Paoly nizara ireo fijoroana ho vavolombelona mahery vaika voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22 sy 26 dia voatazon’ireo miaramila Romana am-ponja izy. Nanana fahafahana hanameloka azy ho faty ireo olona izay noresahiny. Fa mbola nisafidy ny hijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba an’i Jesoa Kristy sy “ny fahitana avy tany an-danitra” (Asan’ny Apostoly 26:19) azony izy. Inona no manentana ny fanahinao amin’ireo teniny ireo? Eritrereto ireo fahafahana anananao hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ohatra, oviana ny fotoana farany nilazanao tamin’ny fianakavianao na ny hafa momba ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Asan’ny Apostoly 22:1–21; 26:9–20

Nahoana no misy fitantarana telo samihafa ny fahitana hitan’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy?

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra tantara telo momba ny fahitana mahagaga hitan’i Paoly teo amin’ny lalana nankany Damaskosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–20; 22:1–21; 26:9–20). Ny tsirairay amin’ireo tantara ireo dia samy hafa, ary ny sasany dia milaza antsipiriany misimisy kokoa noho ny hafa. Satria nolazaina tamin’ny mpihaino samy hafa tao anatin’ny tanjona samy hafa ireo tantara ireo dia mitombina tsara raha nisafidy ny hanamafy ampahany samy hafa amin’ilay zavatra niainany i Paoly ho an’ny mpihaino tsirairay.

Mitovitovy amin’izany koa, i Joseph Smith dia nanoratra tantara maro momba ny fahitany voalohany. Ireo tantara isan-karazany ireo dia nomena mpihaino samy hafa ho an’ny tanjona samy hafa ary milaza hevitra izay tsy ho nisy raha toa ka tantara iray ihany no nisy teo.

Asan’ny Apostoly 23:10–11; 27:13–25, 40–44

Mijoro eo anilan’ireo izay miezaka manompo Azy ny Tompo.

Araka ny asehon’ny asa fanompoan’i Paoly mazava tsara dia tsy famantarana ny tsy fankatoavan’ Andriamanitra ny asa izay ataontsika ireo fahasarotana misy eo amin’ny fiainantsika. Raha ny marina dia indraindray mandritra ireo fotoan-tsarotra no tena hahatsapantsika mafy ny fanampiany. Mety hahaliana ny mamerina mijery ny zavatra izay efa novakinao tato ho ato mikasika ny asa fanompoan’i Paoly sy ny mitanisa ny sasany amin’ireo zavatra niaretany (jereo ohatra ny Asan’ny Apostoly 14:19–20; 16:19–27; 21:31–34; 23:10–11; 27:13–25, 40–44). Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’ny Tompo teo anilany, ary inona no ampianarin’izany anao momba ny ezaka ataonao manokana amin’ny fanompoana ny Tompo?

Asan’ny Apostoly 24:24–27; 26:1–3, 24–2927

Afaka misafidy ny hanaiky na handà ny tenin’ireo mpanompon’ Andriamanitra aho.

Nandritra ny asa fanompoany dia nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy i Paoly. Vahoaka maro no nanaiky ny fijoroany ho vavolombelona, saingy tsy ny rehetra no nanao izany. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 24:24–27 sy ny Asan’ny Apostoly 26:1–3, 24–29 dia soraty ireo teny na andian-teny izay maneho ny fomba nandraisan’ireto mpanapaka Romana manaraka ireto ny fampianaran’i Paoly:

Feliksa

Festosy

Mpanjaka Agripa

Raha nandeha an-tsambo nankany Roma mba hotsarain’i Kaisara i Paoly dia naminany izy fa hisy “fahasimbana sy fatiantoka be” ilay sambo sy ireo mpandeha (Asan’ny Apostoly 27:10). Vakio ny toko 27 mba hahitana ny fihetsik’ireo mpiray sambo tamin’i Paoly nanoloana ny fampitandremany. Mahita lesona ho anao manokana ve ianao ao amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

Efa nanao fihetsika tahaka ny iray tamin’ireo olona ireo ve ianao rehefa nahare ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana? Inona no mety ho vokatry ny fihetsika toy izany? Inona no azonao ianarana avy amin’ireo tantara ireo mikasika ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony?

Jereo koa ny 2 Nefia 33:1–2; Joseph Smith—Tantara 1:24–25; D. Todd Christofferson, “Ny feo fampitandremana,” Liahona, mey 2017, 108–11.

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Asan’ny Apostoly 24:16

Talohan’ny fiovam-pony dia tena naharitra ela ireo fahamelohan’i Paoly tamin’ Andriamanitra. Saingy satria vonona ny hibebaka izy dia afaka niteny hoe: “Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva” (jereo koa ny FF 135:4). Ahoana no hahafahantsika tsy manana fieritreretana manameloka antsika intsony na amin’ Andriamanitra na amin’ny hafa?

Asan’ny apostoly 26:16–18

Nantsoin’ Andriamanitra hanao inona i Paoly ao amin’ireo andininy ireo? Inona avy ny fahafahana ananantsika mba hanao zavatra mitovy amin’izany?

Asan’ny apostoly 28:1–9

Misy olona tia bibilava ve ao amin’ny fianakavianao? Azonao atao ny manontany an’izay olona izay na olona iray hafa ao amin’ny fianakavianao mba hilaza ireo tantara hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:1–9. Mety ho tian’ireo zanakao ny manao ny sarin’ireo tantara ireo na milalao izany an-tsehatra. Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo? Ny iray amin’izany dia mety hoe manatanteraka ny tanjony amin’ireo mpanompony ny Tompo. Ohatra, azonao hampitahaina amin’ireo fampanantenana nomena ao amin’ny Marka 16:18 ny fahatanterahan’izany tamin’ireo zavatra niainan’i Paoly. Afaka mitady lahateny iray nandritra ny fihaonambe maneran-tany farany koa ianao izay milaza fampanantenana nomen’ny iray amin’ireo mpanompon’ny Tompo, ary asehoy ao an-tokantranonao izany. Ahoana no ahafahantsika maneho ny finoantsika fa ho tanteraka io fampanantenana io?

bibilava

Niaro an’i Paoly Andriamanitra rehefa nokaikerin’ny bibilava misy poizina izy.

Asan’ny apostoly 28:22–24

Tahaka ny Fiangonana tamin’ny andron’i Paoly (antsoina hoe “sekta” ao amin’ny andininy 22), dia mazàna ny Fiangonana amin’izao fotoana izao no “ratsy laza.” Rehefa nanaratsy ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ny vahoaka, dia inona no fihetsik’i Paoly nanoloana izany. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ireo fitsipika izay hitahy ny fianakavianao. Rehefa mandalina ny soratra masina ianareo dia manontania tena hoe: “Inona no hitako ato ka tena manan-danja manokana amin’ny fianakaviako?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17.)

i Paoly teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa

Mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, nataon’i Daniel A. Lewis. I Paoly teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa.