Avia, hanaraka Ahy
12–18 aogositra. Romana 7–16: -Reseo amin’ ny soa ny ratsy-


“12–18 aogositra. Romana 7–16: -Reseo amin’ ny soa ny ratsy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“12–18 aogositra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Roma

12–18 aogositra

Romana 7–16

“Reseo amin’ ny soa ny ratsy”

Fotopampianaran’ny filazantsara vitsy ao amin’ny Romana 7–16 ihany no tafiditra ato amin’ity lesona ity, koa aza mionona fotsiny amin’izay resahina ato. Mifantoha amin’ny fitaomam-panahy azonao eo am-pandalinanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Teo am-panombohany ny epistiliny ho an’ny Romana i Paoly dia niarahaba ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma tamin’ny fiantsoana azy ireo hoe “malalan’ Andriamanitra” izay “voantso ho masina.” Nilaza izy fa “efa re eran’ izao tontolo izao ny lazan’ ny [finoan’izy ireo]” (Romana 1:7–8). Na dia naompan’i Paoly amin’ny fanitsiana ireo hevi-diso sy fitondran-tena tsy mendrika aza ny ankabetsahan’ny epistiliny dia toa hita ihany koa fa te hanamafy amin’ ireo Kristiana vaovao vao niova fo ireo izy fa tena Olomasina malalan’ Andriamanitra izy ireo. Tao anaty fahatsoram-po feno fanetrentena dia niaiky izy fa efa nisy fotoana nahatsapany ho “olo-mahantra” (Romana 7:24), saingy ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy no nanome azy hery handresena ny fahotana (jereo nyDikantenin’i Joseph Smith, Romana 7:22–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Dia nandeha izy nizara torohevitra feno fitiavana ho antsika rehetra izay tsy mety mahatsapa ho tiana sy ho an’ireo izay toa tsy mety mahatratra ny fahamasinana. “Aza mety ho resin’ ny ratsy,” hoy izy (na ny ratsy eo amin’izao tontolo izao izany na ny ratsy ao anatintsika) “fa reseo amin’ ny soa ny ratsy” (Romana 12:21).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Romana 7–8

Rehefa manaraka ny Fanahy aho dia afaka mandresy ny fahotana sy miomana ho amin’ny lova iray miaraka amin’ Andriamanitra.

Na dia efa nanomboka “fiainam-baovao” tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa (Romana 6:4) aza ianao, dia angamba efa nahatsapa ilay ady ao anaty izay nofaritan’i Paoly ao amin’ny Romana 7, ilay olona araka ny nofo “miady” amin’ireo faniriana tsara ananantsika (Romana 7:23). Fa niresaka momba ny fanantenana ihany koa i Paoly ao amin’ny Romana 8:23–25. Inona avy ny antony hitanao ao amin’ny toko 8 izay mahatonga io fanantenana io? Azonao atao ihany koa ny mitady ireo fitahiana izay tonga rehefa “ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatina[o]” (Romana 8:9). Ahoana no ahafahanao mikatsaka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao?

Romana 8:17–39

Ny voninahitra mandrakizay izay miandry ny mpino dia lehibe lavitra noho ny fitsapana amin’ny fiainana an-tany.

Taona vitsy monja taorian’ny nanoratan’i Paoly an’ity epistily ity dia nijaly noho ny fanenjehana mahatsiravina ny Olomasina tany Roma. Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Romana 8:17–39 izay mety nanampy ireo Olomasina ireo rehefa tonga ny fanenjehana? Ahoana no mety hampiharana ireo teny ireo aminao sy amin’ireo fitsapana izay atrehinao amin’izao?

Tadiavo ny ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ity torohevitra avy amin’ny Rahavavy Linda S. Reeves ity: “Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana ry rahavavy isany dia hoe, lehibe tokoa, mandrakizay sy tsy manam-petra mihitsy, ary tena mahafinaritra sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindrampo sy be fitiavana isika hoe: –Izay fotsiny ve ny zavatra notakiana?– Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray. Inona moa izay fijaliantsika tety … raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no tena hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana faratampony ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo? (“Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika,” Liahona, nôv. 2015, 11).

Tapaho izay zavatra hataonao hahatonga anao ho “mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro” ny fitiavan’ Andriamanitra anao.

Romana 8:29–30; 9–11

Inona no tian’i Paoly nolazaina tamin’ny hoe “notendreny” sy ny hoe “fifidianana” ary ny hoe “fantany rahateo”?

Nampiasa ireo teny ireo i Paoly mba hampianarana fa ny sasany amin’ireo zanak’ Andriamanitra dia efa voatendry na voatondro mialoha mba handray fitahiana na andraikitra manokana hahafahan’izy ireo mitahy ny firenena rehetra amin’izao tontolo izao (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fifidianana”). Izany dia mifototra amin’ny fahafantaran’ Andriamanitra mialoha ny fahavononan’ireo zanany hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy (jereo koa ny Efesiana 1:3–4; 1 Petera 1:2). Na izany aza dia nohamafisin’i Paoly ao amin’ny Romana 9–11 fa na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no hahatongavantsika ho mpianakavin’ i Isiraely (na ny hahatongavantsika ho mpikamban’ny Fiangonana), ny olona rehetra dia tsy maintsy mandray ny famonjena ho an’ny tenany manokana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny didiny.

Ho fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny Almà 13:1–5; “Fanokanana mialoha,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Romana 12–16

Manasa ahy ho lasa tena Olomasina sy mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy i Paoly.

Ny toko dimy farany ao amin’ny Romana dia ahitana fampianarana manokana momba ny fomba tokony hiainan’ny Olomasina ny fiainany. Mety tsy ho afaka ny hampihatra indray mandeha ireo torohevitra rehetra ireo ianao, saingy henoy ny Fanahy, dia afaka hanampy anao Izy hahita iray na roa izay tokony hatombokao androany. Zarao amin’ny Rainao any An-danitra ao anatin’ny vavaka ny fanirianao dia angataho Izy hanampy anao.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Romana 7:23

Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra bebe kokoa ilay hoe “miady” nofaritan’i Paoly ao amin’ity andininy ity dia zarao ilay tantara momba ny amboadia ao amin’ny lahatsoratry ny Loholona Shayne M. Bowen “Agency and Accountability” (New Era, sept. 2012, 8–9).

Romana 9:31–32

Ny hafatry ny Loholona Wilford W. Andersen “Ny feon-kiran’ny filazantsara” ( Liahona, mey 2015, 54–56) dia afaka manampy amin’ny fanazavana ny zavatra ampianarin’i Paoly momba ny lalàna sy asa ary finoana. Mety ho tian’ny fianakavianao ny mifanakalo hevitra momba ilay lahateniny ary hanandrana handihy miaraka amin’ny feon-kira sy tsy miaraka amin’ny feon-kira. Inona no mampitovy ny fandihizana tsy misy feon-kira amin’ny fankatoavana ny filazantsara tsy misy finoana?

Sary
raim-pianakaviana sy ny zanany vavy mandihy

Nampianatra ny Loholona Wilford W. Andersen hoe: “Ny feon-kiran’ny filazantsara dia … fahatsapana ara-panahy mahafinaritra izay avy amin’ny Fanahy Masina.”

Romana 10:17; 15:4

Ahoana no nitondran’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra teo amintsika ireo fitahiana voafaritra ao amin’ireo andininy ireo? Azon’ireo olona ao amin’ny fianakavianao atao ny mizara ny sasany amin’ireo soratra masina tiany indrindra (jereo koa ny 2 Nefia 25:26).

Romana 12

Inona ny dikan’ny hoe manao ny tenantsika ho “fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra”? (Romana 12:1).

Romana 14:13–21

Mety hahasoa ny fianakavianao ny mandalina ny torolalan’i Paoly momba ny fitsarana sy ny firesahana momba ny zavatra tian’ny hafa manokana. Angamba azonao atao ny miresaka momba ny fomba tsara hamaliana rehefa tsy mitovy amin’ny anao ny safidin’ny hafa. Ahoana no ahafahantsika mandinika kokoa ny fiantraikan’ny safidintsika amin’ny hafa?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Omeo fahafahana haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona ny ankizy. “Rehefa manasa ny ankizy mba hamorona zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ianao dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika. … Omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo,” (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Sary
i Kristy maninjitra ny tanany

Tomoera eto Amiko, nataon’i Del Parson

Hamoaka printy