Avia, hanaraka Ahy
05–11 aogositra. Romana 1–6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena-


“5–11 aogositra. Romana 1–6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“5–11 aogositra. Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Paoly manoratra epistily anankiray

5–11 aogositra

Romana 1–6

“Herin’ Andriamanitra ho famonjena”

Ny firaketana an-tsoratra ny bitsika azonao dia hanampy anao hahatsiaro ny zavatra ampianarin’ny Fanahy anao. Azonao atao ihany koa ny mandray an-tsoratra ny zavatra tsapanao momba ireo bitsika ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny Epistiliny ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana Romana, izay nahitana vondrona Jiosy sy Jentilisa isan-karazany, dia efa nitombo lavitra nihoatra noho ilay andiana mpino avy tao Galilia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Tokony ho teo amin’ny 20 taona taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia saika nahitana vondrona Kristianina avokoa ny toerana rehetra izay azon’ny Apôstôly naleha, dia tafiditra tamin’izany i Roma, renivohitry ny fanjakana lehibe iray. Na dia ny Olomasina Romana aza no tena niantefan’ny hafatr’i Paoly mivantana dia atao ho an’ny rehetra ny hafany, ary tafiditra amin’izany isika rehetra amin’izao fotoana izao: “Ny filazantsara … [dia] herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Romana 1:16, ampiana sora-mandry).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Romana–Filemona

Inona ireo epistily ary ahoana no nandrafetana azy ireo?

Ny epistily dia taratasy nosoratan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana ho an’ireo Olomasina tany amin’ny faritra isan-karazany teto amin’izao tontolo izao. Ny Apôstôly Paoly no nanoratra ny ankamaroan’ireo epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao—manomboka amin’ny Romana ka hatramin’ny Filemona. Voarafitra araka ny halavany ireo epistiliny. Na dia ny Romana aza no epistily voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nosoratana fotoana fohy talohan’ny fiafaran’ireo dia fitoriana nataon’i Paoly izany. Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny epistily dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly.”

Romana 1–6

Rehefa maneho finoana an’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny aho dia hamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavany.

Ireto famaritana manaraka ireto dia mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny Epistily ho an’ny Romana:

Ny lalàna:Rehefa manoratra hoe “ny lalàna” i Paoly dia ny lalàn’i Mosesy no tiany hambara. Torak’izany koa, ny teny hoe “asa” ao amin’ireo zavatra nosoratan’i Paoly dia matetika milaza ireo zavatra atao sy fomba fanao ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Nampitahain’i Paoly amin’“ny lalàn’ny finoana” (jereo ny Romana 3:27–31), na ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, izay tena loharanon’ny famonjena antsika izany lalàna izany.

Voafora, tsy voafora:Fahiny dia famantarana na fanehoana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’ny Abrahama ny famorana. Nampiasain’i Paoly ny teny hoe “voafora” mba hilazana ireo Jiosy (ny vahoakan’ny fanekempihavanana) sy ny “tsy voafora” mba hilazana ireo Jentilisa (ireo izay tsy ao anatin’ny fanekempihavanan’i Abrahama). Tsy takiana intsony mba ho famantarana ny fanekempihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ny vahoakany ny famorana (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:23–29).

Fanamarinana, manamarina, voamarina:Ireo teny ireo dia manambara ny fahazoana famelan-keloka. Rehefa voamarina isika dia voavela heloka, voambara fa tsy manan-tsiny, ary afaka amin’ny sazy tsy manam-pahataperana noho ny fahotantsika. Araka ny fanazavan’i Paoly dia afaka mitranga izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamarinana, Manamarina,” scriptures.lds.org; jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Justification and Sanctification,” Ensign, jona 2001, 18–25) .

Fahasoavana:Ny fahasoavana dia “fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy mitafotafo.” Amin’ny alalan’ny fahasoavana dia hitsangana amin’ny maty sy handray ny tsy fahafatesana ny olona rehetra. Ankoatra izany, “ny fahasoavana dia hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ny ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo.” Tsy mahazo fahasoavana avy amin’ny ezaka ataontsika isika; fa ny fahasoavana kosa no manome antsika “tanjaka sy fanampiana mba hanaovana asa tsara izay tsy ho vitantsika amin’ny fomba hafa” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahasoavana”; jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 107; 2 Nefia 25:23).

Romana 2:17–29

Ny zavatra ivelany ataoko dia tsy maintsy maneho sy mampitombo ny fiovam-po anaty.

Ny fampianaran’i Paoly dia mampiseho fa ny Jiosy Kristianina sasany tao Roma dia mbola nino fa ny fankatoavana ny zavatra atao sy fomba fanao ao amin’ny lalàn’i Mosesy no mitondra famonjena. Toa olana tsy mihatra amintsika intsony izany satria tsy miaina araka ny lalàn’i Mosesy intsony isika. Saingy rehefa mamaky ny zavatra nosoratan’i Paoly ianao, indrindra indrindra ny Romana 2:17–29, dia diniho ny ezaka ataonao manokana mba hiaina ny filazantsara. Mitondra anao mankany amin’ny fiovam-po sy mampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy ve ireo zavatra ivelany ataonao, toy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo na ny fankanesana any amin’ny tempoly? (jereo ny Almà 25:15–16). Ahoana no hahazoanao antoka fa ireo zavatra ivelany ataonao dia mitarika anao amin’ny fiovam-po?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32–34.

Romana 3:10–315

Afaka mahazo famelan-keloka aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ny olona sasany dia mety hahatsiaro ho kivy rehefa maheno ny filazana feno fahasahiana nataon’i Paoly fa “tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Saingy ahitana hafatra feno fanantenana ihany koa anefa ao amin’ny Romana. Jereo izany ao amin’ny toko 3 sy 5, dia diniho hoe nahoana ny fahatsiarovana fa “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23) no dingana lehibe iray mankany amin’ny fianarana “[m]ifaly amin’ny fanantenana” amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Romana 5:2).

Romana 6

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manasa ahy “[handeha] amin’ny fiainam-baovao.”

Nampianatra i Paoly fa ny filazantsara dia tokony hampiova ny fomba fiainantsika. Inona avy ireo teny ao amin’ny Romana 6 izay azonao ampiasaina mba hanampiana ny olona iray hahatakatra ny fomba nanampian’ny filazantsara anao “[handeha] amin’ny fiainam-baovao”? (andininy 4). Inona no traikefa manokana izay azonao zaraina?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Romana 1:16–17

Ahoana no hanehoantsika fa “tsy menatra ny filazantsara” isika?

Romana 3:23–28

Mety hilaza ny olona sasany fa satria isika “hamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavan’ [Andriamanitra] ihany” (Joseph Smith Translation, Romana 3:24), dia tsy misy zavatra takiana amintsika mba hahazoana fahasoavana. Na dia tsy ho ampy mihitsy aza ny zavatra mety ho vitantsika mba “hahafahana mandray” ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia misy zavatra angatahan’ Andriamanitra hataontsika mba hahazoana izany. Inona no azontsika atao mba hahazoana fahasoavana?

Romana 5:3–5

Inona no fahoriana efa niainantsika? Ahoana no nanampian’ireny fahoriana ireny antsika hampitombo faharetana sy traikefa ary fanantenana?

Romana 6:3–6

Inona no voalazan’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo momba ny tandindon’ny batisa? Angamba azon’ny fianakavianao atao ny manao drafitra mba hanatrika fivoriana fanaovam-batisa iray ho avy. Na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao dia afaka mizara sary na fahatsiarovana momba ny batisany. Manampy antsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” amin’ny fomba ahoana ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa?

Sary
lehilahy iray manao batisa ao amina farihy iray

Tandindon’ny fiantombohan’ny fiainam-baovao amin’ny maha-mpianatr’i Kristy ny batisa.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha fanontaniana eo am-pandalinana. Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Saintsaino ireo fanontaniana ireo dia mitadiava valiny. Ohatra, ao amin’ny Romana 1–6 dia afaka mitady ny valin’ilay fanontaniana manao hoe “Inona no atao hoe fahasoavana?” ianao.

Sary
i Kristy mamonjy tovovavy iray ao aanaty renirano

Be Not Afraid, nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy