Avia, hanaraka Ahy
26 aogositra–01 septambra 1 Korintiana 8–13: -Ianareo no tenan’i Kristy-


“26 aogositra–01 septambra 1 Korintiana 8–13: ‘Ianareo no tenan’i Kristy’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“26 aogositra–01 septambra 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
fivoriana fanasan’ny Tompo

26 aogositra–01 septambra

1 Korintiana 8–13

“Hianareo no tenan’ i Kristy”

Eo am-pamakianao ombam-bavaka ny 1 Korintiana 8–13, dia mety hiteny aminao amin’ny fomba malefaka ny Fanahy (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12). Ny firaketana izany fahatsapana izany dia hanampy anao hahatsiaro ny fahatsapana sy ny eritreritra nanananao nandritra ny fandalinanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny andron’i Paoly dia foibem-barotra nanan-karena izay nahitana mponina avy amin’ny toerana rehetra manerana ny Fanjakana Romana i Korinto. Noho ny fisian’ny kolontsaina sy fivavahana maro be teo amin’ny tanàna dia sarotra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto ny nihazona firaisan-kina, koa nikatsaka ny hanampy azy ireo i Paoly mba hahita firasan-kina ao amin’ny finoany an’i Kristy. Izany firaisan-kina izany dia tsy hoe fiaraha-mitoetra amim-pilaminana fotsiny fa mihoatra izany. Tsy nangataka azy ireo hifandefitra amin’ny fahasamihafan’izy ireo fotsiny i Paoly. Fa nampianatra kosa izy fa rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianao dia “[atao batisa] ho tena iray,” ary ny momba ny tena tsirairay dia ilaina (1 Korintiana 12:13). Raha very ny momba ny tena iray, dia mitovy amin’ny very rantsam-batana, ary mihamalemy hatrany ny tena vokatr’izany. Raha mijaly ny momba ny tena iray, dia tokony hahatsapa izany avokoa isika ary manao ny anjarantsika mba hanamaivanana izany fijaliana izany. Ao amin’ity karazana firaisan-kina ity ny tsy fitoviana dia tsy vitan’ny hoe ekena fotsiny ny fisiany fa tena ankamamiana ihany koa, satria raha tsy misy ny momba ny tena izay samy manana ny fanomezam-pahasoavany sy ny fahaiza-manaony dia ho voafetra ny zavatra vitan’ilay tena. Araka izany ary, na efa mahatsapa hatrizay ho mahazo aina ao amin’ny Fiangonana ianao na manontany tena raha toa tena mpikambana ao anatin’izany tokoa, ny hafatr’i Paoly ho anao dia ny hoe: ny firaisan-kina dia tsy fitoviana akory. Mila ireo Olomasina namanao ianao, ary ireo Olomasina namanao dia mila anao.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Korintiana 10:1–13

Manome lalana hahafahana mandositra ny fakam-panahy Andriamanitra.

Ny traikefa ara-panahy, na dia ireo izay mahagaga aza, dia tsy manafaka antsika amin’ny fakam-panahy izay “zakan’ ny olombelona” (1 Korintiana 10:13). Izany angamba no antony nahatonga an’i Paoly nanoratra mikasika ny fiaretan’ireo Isiraelita ny fakam-panahy na dia nahita fahagagana mahery vaika aza izy ireo (jereo ny Eksodosy 13:21; 14–31). Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 10:1–13, dia fampitandremana inona tamin’ny zavatra niainan’ireo Isiraelita no mety hihatra aminao? Karazana lalana hahafahana mandositra ny fakam-panahy inona no nomen’ny Ray any An-danitra anao? (jereo koa ny Almà 13:27–30; 3 Nefia 18:18–19).

1 Korintiana 10:16–17; 11:16–30

Mampiray antsika ny fanasan’ny Tompo amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika.

Na dia fanoloran-tena eo amin’ny olona iray sy ny Tompo aza ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia zavatra iarahantsika iainana amin’ny hafa koa izany, tsy maintsy miaraka mandray ny fanasan’ny Tompo foana isika amin’ny ankapobeny, amin’ny maha-tenan’ny Olomasina antsika. Vakio ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fanasan’ny Tompo, ary eritrereto ny fomba ahafahan’io ôrdônansy masina io manampy ny “maro” ho “iray” ao amin’i Kristy (1 Korintiana 10:17). Ahoana no mety hahazoanao hery avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ireo mpino hafa? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fomba hiomananao amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary ahoana no fomba hiezahanao mihazona ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa?

1 Kotintiana 11:3–15

Nahoana i Paoly no nanoratra momba ny saron-doha sy ny endriky ny volo?

Niresaka momba ny fombafomba ara-pitafiana sy taovolo i Paoly mba hampianarana momba ny fifandraisana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny Tompo. Na dia tsy manaraka ireo fombafomba ireo aza isika ankehitriny, dia mbola afaka mianatra isika avy amin’ny fanambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy ilaina ao amin’ny drafitry ny Tompo, na eo amin’ny fanambadian’izy ireo izany na ao amin’ny Fiangonana. Araka ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’izy samy izy, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno” eo am-pandrosoan’izy ireo miaraka mankany amin’ny fisandratana (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42; jereo koa ny Marka 10:6–9).

1 Korintiana 12–13

Nomena ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba ho tombontsoan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Ny lisitry ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy hita ao amin’ny 1 Korintiana 12–13 dia tsy lisitra feno. Saingy tsara atao ho fanombohana izany rehefa mamantatra sy misaintsaina ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ny Ray any An-danitra anao ianao. Ilay lahatsoratra “Dons spirituels” ao amin’ny Sujets de l’Evangile (topics.lds.org) dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Azonao ampiana ireo fanomezam-pahasoavana izay tsikaritrao tamin’ny hafa na taminao na tamin’olona ao amin’ny soratra masina ilay lisitra nomen’i Paoly. Raha efa nahazo ny tsodranon’ny patriarika ianao dia mety hilaza fanomezam-pahasoavana ara-panahy sasany izay anananao koa izany. Ahoana no fomba hanampian’ireo fanomezam-pahasoavana ireo antsika amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra? Eritrereto ny zavatra hataonao hikatsahana “fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra” (1 Korintiana 12:31).

Jereo koa ny Môrônia 10:8–21, 30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8-26 46:8–26; Fanekem-pinoana 1:7.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eo am-pamakianao ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao dia katsaho ny fitaomam-panahy mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto:

1 Korintiana 9:24–27

Koa satria nampitahain’i Paoly tamin’ny fihazakazahana ny fiainana ny filazantsara dia azonao atao ny manao fifaninanana hazakazaka ao amin’ny fianakavianao mba hanehoana ny fanazavany. Omeo satro-boninahitra izay rehetra mahavita ny hazakazaka, ary ifampiresaho ny fomba hahazoan’ireo izay mazoto amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ilay loka “tsy mety ho lò” (1 Korintiana 9:25; jereo ihany koa ny 2 Timoty 4:7–8). Inona no zavatra mety ataon’ny tompon-daka amin’ny hazakazaka mba hiomanana amin’ny fifaninana iray? Tahaka izany koa, inona no azontsika atao mba hiomanana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra?

Sary
mpihazakazaka mifaninana

Nampitaha ny fiainana ny filazantsara amin’ny fihazakazahana i Paoly.

1 Korintiana 12:1–11

Omeo tapa-taratasy misy ny anaran’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana voasoratra eo ambony ny tsirairay. Asaivo mitanisa ireo fanomezam-pahasoavana hitan’izy ireo amin’izany olona izany ny tsirairay. Azonao ampitapitaina miodina ny taratasy mandrapahazoan’ny tsirairay fahafahana manoratra momba ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

1 Korintiana 12:3

Nahoana no ilaina ny Fanahy Masina mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy?

1 Korintiana 12:12–27

Afaka ny ho fomba iray tsy hay hadinoina ifanakalozana hevitra momba ny firaisan-kina ao amin’ny fianakaviana ny fifanahafana nataon’i Paoly momba ny tena. Ohatra, azon’ny fianakaviana atao ny manao sarina vatana iray izay vita amin’ny maso na sofina fotsiny (jereo ny andininy 17). Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny tokony hifampitondrantsika amin’ny maha-fianakaviana antsika?

1 Korintiana 13:4–8

Mety hanome teny filamatra manentana fanahy ho an’ny fianakavianao ny famaritan’i Paoly ny fiantrana. Azonao omena andraikitra mba handalina andian-teny iray ao amin’ny andininy 4–8 ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao, dia ampianaro ny sisa amin’izy ireo ny dikan’izany amin’ny alalan’ny fampiasana famaritana sy ohatra ary traikefa manokana. Nahoana ny Mpamonjy no ohatra amin’ireo toetra ireo? Azonareo atao ihany koa ny miaraka manao petadrindrina ho an’ireo andian-teny tsirairay ireo ary mampiranty izany manerana ny tranonareo. Mahaiza mamorona!

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa soratra masina Asehoy amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita izany matetika ny andininy iray izay hitanao fa manan-danja. Asao ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina mba haranty.

Sary
fivoriana fanasan’ny Tompo

“Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza” (1 Korintiana 10:16–17).

Hamoaka printy