“23–29 septambra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“23–29 septambra. Galatiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019
23–29 septambra
Galatiana
“Mandehana araka ny Fanahy”
Eo am-pamakianao ny Galatiana dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao. Ny fanaovanao izany dia hanampy anao hahatsiaro sy hisaintsaina izany amin’ny hoavy.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manolotra fahafahana amin’ny fanandevozana ara-panahy. Saingy indraindray ny olona izay efa niaina ny fahafahana avy amin’ny filazantsara dia mivadika amin’izany ary “[tia hitompo] indray” (Galatiana 4:9). Izany no nataon’ny Olomasina Galatiana sasany, nivadika tamin’ny fahafahana izay natolotr’i Kristy ho azy ireo izy ireo (jereo ny Galatiana 1:6). Ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Galatiana, noho izany, dia antso avo mba hiverina indray amin’ny “fahafahana [izay] nanafahan’i Kristy antsika” (Galatiana 5:1). Izany antso izany dia antso mila rentsika sy harahantsika ihany koa satria na dia miova aza ny toe-javatra dia mbola mitohy hatrany ny tolona misy eo amin’ny fahafahana sy ny fanandevozana. Araka ny nampianarin’i Paoly dia tsy ampy ny hoe “efa nantsoina ho amin’ny fahafahana” (Galatiana 5:13); fa tsy maintsy “[mitoetra]” ao amin’izany (Galatiana 5:1) amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Kristy isika.
Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina
Ny lalàn’i Kristy dia manafaka ahy.
Nanoratra tamin’ireo Olomasina Galatiana i Paoly rehefa nahare fa nania noho ny fampianarana diso izy ireo. Anisan’ireo fampianarana diso ireo ny hoe nila noforàna sy nitandrina ny fomba fanao hafa tao amin’ny lalàn’i Mosesy ny Jentilisa izay nanaiky ny filazantsara, izay vao azo novonjena. Ireo fomba fanao ireo dia nantsoin’i Paoly hoe “zioga fanandevozana” (Galatiana 5:1) satria nanakana ireo Olomasina amin’ny fiainana feno ny lalàn’i Kristy, izay mitondra fahafahana tena izy, izany. Inona no zavatra hitanao amin’ny torolalan’i Paoly ho an’ny Galatiana izay afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe fahafahana tena izy? Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ny zioga fanandevozana mety hisy eo amin’ny fiainanao. Misy zavatra izay manakana anao hiaina ny fahafahana atolotry ny filazantsara ve? Ahoana no “[nanafahan’]” i Kristy sy ny filazantsarany anao? (Galatiana 5:1).
Jereo koa ny 2 Nefia 2:27; 9:10–12.
Mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama aho.
Sahiran-tsaina ireo Olomasina Galatiana sasany satria noho izy ireo tsy (“taranak’”) i Abrahama ara-bakinteny dia tsy handray ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama izy ireo, dia tafiditra ao anatin’izany ireo fitahian’ny fisandratana. Araka ny Galatiana 3:7–9, 13–14, 27–29, dia inona no fepetra maha-“taranak’” i Abrahama ny olona iray? Mba hianarana bebe kokoa momba ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy ny fitahiana azontsika lovaina amin’ny maha-taranany antsika dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanan’i Abrahama”.
Nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ve i Abrahama?
Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy azontsika inoana fa ireo olona fahiny tamin’ny vanim-potoana rehetra dia tena tsy nahalala na inona na inona momba ny rafitry ny lanitra tahaka ny heverin’ny maro, satria ireo rehetra izay novonjena dia novonjena tamin’ny alalan’ny herin’ny drafitry ny fanavotana lehibeny, na talohan’ny nahatongavan’i Kristy izany na taty aoriana.… Nanao fanatitra i Abrahama, ary na dia izany aza, dia notoriana taminy ny filazantsara” (“The Elders of the Church in Kirtland to Their Brethren Abroad,” The Evening and the Morning Star, mar. 1834, 143, josephsmithpapers.org). Ireto soratra masina manaraka ireto ihany koa dia manambara fa notoriana talohan’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany ny filazantsara: Helamàna 8:13–20; Mosesy 6:50–66.
Raha “[mandeha] araka ny Fanahy” aho dia handray ny “vokatry ny Fanahy.”
Ny fandalinana ireo andininy ireo dia afaka manampy anao hanombantombana ny hoe mandeha araka ny Fanahy tanteraka ve ianao. Miaina ireo vokatry ny Fanahy voalaza ao amin’ny andininy 22–23 ve ianao? Inona ireo voa, na vokatra hafa, avy amin’ny fananana fiainana araka ny Fanahy izay tsikaritrao? Saintsaino ny zavatra mila ataonao mba hikolokoloana izany voa izany bebe kokoa. Mety hanatsara ireo fifandraisana manan-danja eo amin’ny fiainanao amin’ny fomba ahoana ny fikolokoloana izany voa izany?
Angamba mety miezaka mandeha araka ny Fanahy ianao, saingy toa tsy miteraka ny voa nampanantenaina anefa ny ezaka ataonao. Vakio ny Galatiana 6:7–10 (izay antsoina matetika hoe ny lalàn’ny fijinjana). Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no azonao ampiasana an’ireo andininy ireo mba hamporisihana ny olona iray izay manam-pahasahiranana hiaina ny filazantsara?
Jereo koa ny Almà 32:28, 41–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:32–34.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:
Inona ny dikan’ny hoe “marina amin’ny finoana”? Inona no efa ataon’ny fianakavianao mba hanehoana fa marina amin’ny finoana ianareo?
Azonao atao ny mampahafantatra ny Galatiana 4 amin’ny alalan’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny mpanompon’ny mpanjaka iray sy ny zanaky ny mpanjaka iray. Inona avy ireo fahafahana na tombontsoa izay tsy afaka ny ho azon’ny mpanompo fa natokana ho an’ny zanaky ny mpanjaka ihany? Eritrereto izany eo am-pamakianareo miaraka ny andininy 1–7. Mampianatra inona momba ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra izany?
Mba hahafinaritra kokoa ny fifanakalozan-kevitra momba ny Galatiana 5:22–23, dia azon’ny fianakavianao atao ny manisy anarana voankazo samihafa amin’ny teny izay ampiasan’i Paoly mba hanoritsoritana ireo “vokatry ny Fanahy.” Dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana tsirairay atao avy eo ny misafidy anankiray sy ny mamaritra izany ary ny miresaka momba ny olona iray izay manana betsaka an’io vokatry ny Fanahy io. Izany dia mety hitondra amin’ny resadresaka momba ny fomba hahafahan’ny fianakavianao manasa ny Fanahy ao amin’ny tokantranonao ary mikolokolo izany vokatry ny Fanahy izany. Aorian’ny resadresaka dia azonareo atao ny mihinana saladim-boankazo miaraka.
Mety hisy fotoana ho “azon’ny ota tsy nahy” ny olona iray ao amin’ny fianakavianao. Inona no torohevitra iray hitanao ao amin’ny Galatiana 6:1 momba ny zavatra tokony atao manoloana izany toe-javatra izany?
Raha toa efa namboly zavatra niaraka ny olona rehetra ao amin’ny fianakavianao dia azonao ampiasaina izany zavatra niara-niainana izany mba hanazavana ilay fitsipika manao hoe “fa izay afafin’ny olona no hojinjany” (andininy 7). Na koa azonao anontaniana ny olona ao amin’ny fianakaviana ny voankazo na legioma ankafiziny indrindra dia resaho ny zavatra ilaina atao mba hanirin’ny voa mamokatra izany sakafo izany. (Azonao ampiasaina mba ho fanehoana an-tsary ny sary izay nampiarahana tamin’ity rindran-damina ity.) Dia azonareo atao avy eo ny manao fifanakalozan-kevitra momba ny fitahiana antenain’ny fianakavianao sy ny fomba “hijinjana” izany fitahiana izany.
Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.