Avia, hanaraka Ahy
04–10 nôvambra. Hebreo 1–6: ‘Jesoa Kristy, -loharanon’ ny famonjena mandrakizay-’


“04–10 nôvambra. Hebreo 1–6: ‘Jesoa Kristy, -loharanon’ ny famonjena mandrakizay-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“04–10 nôvambra. Hebreo 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

i Jesoa Kristy mijoro miaraka amin’ny ankizivavy kely iray iray sy lehilahy iray

Balsaman’i Gileada, nataon’i Annie Henrie

04–10 nôvambra.

Hebreo 1–6

Jesoa Kristy, “loharanon’ ny famonjena mandrakizay”

Manampy anao hahafantatra ny zavatra tian’ny Fanahy Masina hampianarina anao ny firaketana ireo fahatsapana ara-panahy Ny fanaovana zavatra araka ireo fahatsapana anananao dia maneho ny finoanao ny maha-tena misy ireo fahatsapana ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Isika rehetra dia tsy maintsy mamoy zavatra mba hanekena ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, na izany fahazaran-dratsy, na finoanoam-poana, na fiarahana aman’olona tsy dia mahasoa loatra, na zavatra hafa. Ho an’ny Jentilisa dia matetika ny fiovampo no midika fa hiala amin’ireo andriamanitra sandoka izy ireo. Ho an’ny Hebreo (Jiosy) kosa anefa ny fiovampo dia toa manahirana kokoa raha tsy hoe sarotra. Sady ny finoana sy ny fomban-drazana mamin’izy ireo dia nifototra tamin’ny fitsaohana an’ilay Andriamanitra marina sy ny fampianaran’ireo mpaminaniny, izay efa nisy an’arivo taonany maro. Na izany aza dia nampianatra ireo Apôstôly fa efa tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy ny lalàn’i Mosesy ary ny lalàna ambony kokoa tamin’izay no filamatry ny mpino. Ny fanekena ny Kristianisma ve izany dia hidika fa tsy maintsy handao ny finoan’izy ireo teo aloha sy ny tantarany ny Hebreo? Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia nikatsaka ny hanampy amin’ny famaliana ny fanontaniana toy izany amin’ny fampianarana fa ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ireo ôrdônansy dia manan-danja avokoa, saingy i Jesoa Kristy dia lehibe kokoa (jereo ny Hebreo 1:1–4; 3:1–6; 7:23–28). Raha ny marina, ireo zavatra rehetra ireo dia manondro sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ho ilay Zanak’ Andriamanitra sy ilay Mesia nampanantenaina izay nandrasan’ny Jiosy. Ny hafatra ho an’ny Hebreo, sy ho antsika rehetra, dia hoe indraindray isika dia tsy maintsy mamela ireo fomban-drazana mba hahatonga an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fitsaohantsika sy ny fiainantsika, satria amin’ny alalan’i Kristy no “hahazoantsika famindrampo” (Hebreo 4:16).

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Hebreo

Iza no nanoratra ny Epistily ho an’ny Hebreo?

Nampisalasala ny manam-pahaizana sasany ny hoe i Paoly tokoa ve no nanoratra ny Epistily ho an’ny Hebreo. Ny endriky ny literatiora ao amin’ny Hebreo dia toa tsy mitovy amin’ireo taratasy hafa nosoratan’i Paoly, ary ny endrika tranainy indrindra an’ilay asasoratra dia tsy manonona anaran’ny mpanoratra. Na izany aza, satria mifanaraka amin’ireo fampianarana hafa nomen’i Paoly ny hevitra voalaza ao amin’ny Hebreo dia neken’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny ankapobeny, raha ny fomban-drazana Kristiana no arahana, fa farafaharatsiny dia nandray anjara tamin’ny fanoratana ity epistily ity i Paoly.

Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly.”)

Hebreo 1–5

I Jesoa Kristy dia “endriky ny tenan’” ny Ray any An-danitra.

Maro ny Jiosy no nahita fa sarotra ny manaiky an’i Jesoa Kristy ho Zanak’ Andriamanitra. Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia mampianatra fa ny zavatra rehetra momba an’i Jesoa dia mijoro ho vavolombelona momba ny Rainy sy manaraka ny ohatra nasehony. Eo am-pamakianao ireo toko dimy voalohany ao amin’ny Hebreo dia afaka manao lisitra iray misy ireo fiantsoana, andraikitra, toetra, ary asan’i Jesoa Kristy izay hitanao voatonona ianao. Inona no ampianarin’ireo zavatra ireo anao momba ny Mpamonjy? Inona no ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra?

Inona no zavatra mampitombo ny fahatakaranao ireo fampianarana ao amin’ireo toko ireo ao amin’ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity? “I Jesoa dia … tonga mba hampivoatra ny fijerin’ny olombelona an’ Andriamanitra sy hiangavy azy ireo mba hitia ny Rainy any An-danitra tahaka ny nitiavany azy ireo hatrany sy ho mandrakariva. … Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray” (“The Grandeur of God,” Ensign or Liahona, Nov. 2003, 72).

Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8

Niaritra fakam-panahy sy rofy i Jesoa Kristy mba hahafahany mahatakatra sy manampy ahy.

Tsapanao ve fa ianao dia afaka “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana” ary hikatsaka famindrampo? (Hebreo 4:16). Ny hafatra iray ao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo dia hoe na inona na inona fahotana sy fahalemena ananantsika, dia azo hatonina Andriamanitra ary ny fahasoavany dia azo tratrarina. Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8 izay manamafy ny fatokianao fa i Jesoa Kristy dia hanampy anao amin’ireo olanao mandritra ny fiainana an-tany? Soraty ao anaty diary iray ireo eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao.

Jereo koa ny Môsià 3:7–11; Almà 7:11–1334.

Hebreo 3:7–4:11

Mba hahazoana ny fitahian’ Andriamanitra dia tsy tokony hanamafy ny foko aho.

Na dia efa niova fo ho amin’ny Kristianisma aza ny Olomasina Jiosy sasany dia hitan’izy ireo ho sarotra ny manaiky tanteraka ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy ny fitahiana entin’izany. Rehefa namerina nitantara ny tantaran’ireo Isiraelita fahiny i Paoly dia nanantena ny handresy lahatra ny Jiosy izy mba hisoroka ny fahadisoana nataon’ireo razambeny, dia ny mandà ny fitahian’ Andriamanitra noho ny tsy finoana. (Azonao atao ny mamaky ny tantara izay nolazain’i Paoly ao amin’ny Nomery 14:1–12, 26–35.)

Saintsaino ny fomba iharan’ny Hebreo 3:7–4:11 aminao. Mba hanaovana izany dia afaka misaintsaina fanontaniana toy izao ianao:

  • Ahoana no nihantsian’ny Isiraelita ny Tompo? (jereo ny Hebreo 3:8–11). Inona avy no vokatry ny fanamafisana ny fo?

  • Oviana aho no efa namela ny foko ho lasa mafy? Misy fitahiana ve tian’ Andriamanitra omena ahy izay tsy azoko noho ny tsy fahampian’ny finoako?

  • Inona no azoko atao mba hananana fo malefaka sy manenina? (jereo ny Etera 4:15; Ohabolana 3:5–6; Almà 5:14–15).

Jereo koa ny 1 Nefia 2:16; 15:6–11; Jakôba 1:7–8; Almà 12:33–36.

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Hebreo 1:8–9

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesoa fa tia ny fahamarinana sy mankahala ny heloka Izy? Raha manana faniriana ratsy isika dia inona no azontsika atao mba hanovana izany?

Hebreo 2:1–4

Afaka mieritreritra lesona maneho ohatra mivaingana ve ianao hoentina hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny fifikirana amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara “izay efa rentsika”? Azonao aseho amin’ny alalan’ny zavatra izay sarotra hazonina izany. Inona no mampitovy an’ireo ezaka ataontsika hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fisamborana sy ny fitazonana io zavatra io? Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy “hiala” amintsika ny zavatra “izay efa rentsika”? (andininy 1).

Hebreo 2:9–10

Mba hamakafakana ilay andian-teny hoe “Tompon’ny famonjena” dia azonao atomboka amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny hoe inona no atao hoe Tompo (na kapiteny) ny lesona. Manao inona ny kapiteny? Nahoana i Jesoa Kristy no toy ny kapitenintsika sy kapitenin’ny famonjena antsika?

Hebreo 5:1–5

Ireo andininy ireo dia afaka manampy anao hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe voantson’ Andriamanitra mba hihazona ny fisoronana na mba hanatanteraka antso hafa ato amin’ny fiangonana amin’ny alalan’ny olona izay manana fahefana. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesoa Kristy momba ny fandraisana sy fanekena antso?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manandrama fomba hafa. Mitadiava fomba fandalinana samihafa fa tsy mandalina ny soratra masina amin’ny fomba iray foana. Raha mila hevitra vitsivitsy dia jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina.”

i Kristy miseho amin’ireo Nefita

Mitsidika ny Tontolo Vaovao i Kristy, nataon’i Walter Rane