“18–24 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“18–24 nôvambra. Jakoba,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019
18–24 nôvambra
Jakoba
“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”
Eo am-pamakianao ny epistilin’i Jakoba dia jereo tsara izay andian-teny manaitra anao ary raketo izany. Ahoana no hibitsihan’ny Fanahy anao mba hiaina araka ireo fahamarinana ireo?
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Indraindray dia andininy iray ihany ao amin’ny soratra masina dia afaka manova izao tontolo izao. Ny Jakoba 1:5 dia toa torohevitra tsotra kely, hoe raha mila fahendrena ianao dia mangataha amin’ Andriamanitra. Kanefa rehefa namaky izany i Joesph Smith fony izy 14 taona dia “toy ny niditra tamin-kery tany amin’ ny tsiratsiraky ny [fony] rehetra izany” (Joseph Smith—Tantara 1:12) Raha nentanim-panahy i Joseph dia nanao zavatra araka ny torohevitr’i Jakoba izy ka nikatsaka fahendrena tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. Dia nanome malalaka tokoa Andriamanitra, tamin’ny fanomezana an’i Joseph ny iray amin’ireo famangiana avy any an-danitra izay nahatalanjona indrindra tamin’ny tantaran’ny olombelona, dia ny Fahitana Voalohany. Nanova ny fiainan’i Joseph io fahitana io ary nitarika tamin’ny famerenana amin’ny laoniny indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany. Voatahy isika rehetra ankehitriny satria namaky ny Jakoba 1:5 i Joseph Smith ary nanao zavatra araka ny voalaza ao.
Inona no ho hitanao rehefa mandalina ny Epistilin’i Jakoba ianao? Mety hanova anao na olona iray izay tianao angamba ny andininy iray na roa. Mety hahazo fitarihana ianao rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ny asa nanirahana anao amin’ny fiainanao. Mety hahita famporisihana mba hiresaka amin-katsaram-panahy na mba haharitra bebe kokoa ianao. Na inona na inona mitondra fanentanam-panahy ho anao dia avelao izany teny izany hiditra any amin’ny tsiratsiraky ny fonao rehetra.” Tsarovy ny “[hanaiky] amin’ ny fahalemem-panahy ny teny,” araka ny nosoratan’i Jakoba, “izay mahavonjy ny fanahinareo” (Jakoba 1:21).
Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina
Iza moa i Jakoba?
Betsaka no mino fa ny mpanoratra ny Epistilin’i Jakoba dia zanakalahin’i Maria, ny renin’ i Jesoa Kristy, ka noho izany dia rahalahin’ny Mpamonjy. I Jakoba dia voaresaka ao amin’ny Matio 13:55; Marka 6:3; Asan’ny Apostoly 12:17; 15:13; 21:18; ary Galatiana 1:19; 2:9. Hita avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa i Jakoba dia mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema ary nantsoina ho Apôstôly (jereo ny Galatiana 1:19).
Ny mizaka amim-paharetana dia mitarika ho amin’ny fahatanterahana.
“Mety ho mafy ny miandry,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf. “Tiantsika ny hahazo izay iriantsika ary izany dia izao dia izao. Noho izany dia mety tsy hahafinaritra ny tena hevitry ny hoe faharetana” (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 56). Rehefa avy namaky ny Jakoba 1:2–4; 5:7–11 ianao, inona hoy ianao no hafatra fototra nomen’i Jakoba momba ny faharetana? Hevi-baovao fanampiny inona no azonao rehefa avy namaky ny ambin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf? Ahoana no anehoanao amin’ny Tompo fa vonona ny hanana faharetana ianao?
Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26; 4:17
Mitaky asa ny finoana.
Ahoana no ahafantaranao fa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy ianao? Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny asa ataonao ny finoanao an’ Andriamanitra? Saintsaino ireo fanontaniana ireo eo am-pandalinanao ireo fampianaran’i Jakoba mikasika ny finoana. Mety ho mahaliana ihany koa ny mamaky ny tantaran’i Abrahama sy i Rahaba, ohatra roa izay nolazain’i Jakoba (jereo ny Genesisy 22:1–12; Josoa 2). Ahoana no nanehoan’izy ireo fa nanam-pinoana an’ Andriamanitra izy ireo?
Ny famakiana ny Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26; 4:17 dia mety hanampy anao hieritreritra fomba hahafahanao ho mpankatò tsara kokoa ny teny. Raketo izay fahatsapana voarainao, ary manaova drafitra hanaovana zavatra araka izany.
Jereo koa ny Almà 34:27–29; 3 Nefia 27:21.
Ny teny izay lazaiko dia manana hery handratra na hitahy ny hafa.
Ao anatin’ireo sarin-teny ampiasain’i Jakoba ao amin’ny epistiliny, ny sasany amin’ireo fiteniny mazava indrindra dia hita ao amin’ny toroheviny mikasika ny fiteny. Manaova lisitr’ireo fomba rehetra izay anoritsoritan’i Jakoba ny lela na ny vava. Inona no ampianarin’ny fampitahana na sary tsirairay momba ireo teny izay lazaintsika? Mieritrereta zavatra izay azonao atao mba hitahiana olona amin’ny teninao (jereo ny FF 108:7).
Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia tokony ho tia ny olona rehetra aho na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany.
Nampitandrina manokana ny Olomasina i Jakoba mba tsy ho tia kokoa ny mpanan-karena ary hankahala ny mahantra, saingy afaka mihatra amin’izay fanavakavahana na fitsaratsarana mety hananantsika amin’ny hafa ny hafany. Mety ho sarotra amintsika ny mahita ny fomba hitsarantsika ny olona amin’ny lafiny ratsy, saingy efa nampanantena ny Tompo fa hanampy antsika hahita izay tokony hohatsaraintsika Izy (jereo ny Etera12:27). Eo am-pamakianao ombam-bavaka ny Jakoba 2:1–9 dia, diniho ny fonao ary henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Mahatsapa ve ianao fa misy fanovana tokony hataonao eo amin’ny fomba fitondranao sy fieritreretanao ny hafa?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:
Vakio ny Jakoba 1:5 ary manasà olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hamintina ny Fahitana Voalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–13). Asao ny ao amin’ny fianakavianao mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fotoana izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo.
Vakio ny famaritan’i Jakoba ny fivavahana madio dia mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fianakavianao hampadio kokoa ny fiainana ny fivavahanao.
Ny Jakoba 3 dia ahitana hevitra betsaka izay mety hanome aingam-panahy hanaovana lesona maneho ohatra mivaingana mba hanampiana ny fianakavianao hahatadidy ny hiresaka amin-katsaram-panahy. Ohatra, azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny tselatr’afo kely na afokasoka iray miteraka afo miredareda, dia afaka mieritreritra fotoana izay nahatonga ny teny iray feno haratsiam-panahy hiteraka olana ireo olona ao amin’ny fianakavianao (jereo ny andininy 5–6). Na afaka mandroso zavatra marikivy na mangidy ao anatina zavatra izay fampiasa amin’ny sakafo mamy ianao, ohatra hoe ranom-boasary makirana atao anaty boatin-tantely. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fakàna antoka ny hahatonga ny teny ataontsika ho mamy sy mitondra fankaherezana izany (jereo ny andininy 9–14).
Nahoana isika no tokony “[hanatona] an’ Andriamanitra rehefa miatrika fakam-panahy?
Ny fizarana zavatra niainan’ny tena manokana momba ny fandraisana tsodranon’ny fisoronana angamba dia mety hamporisika ny ao amin’ny fianakavianao “[hangataka] tsodranon’ny fisoronana rehefa mila hery ara-panahy [izy ireo]” (Dallin H. Oaks, “The Importance of Priesthood Blessings,” New Era, jolay 2012, 4).
Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.