Avia, hanaraka Ahy
09–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra [sy] ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-


“09–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra [sy] ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“09–15 desambra. Apokalypsy 1–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Kristy miambina andian’ondry

Ilay mpiandry ondry tsara, nataon’i Del Parson

09–15 desambra

Apokalypsy 1–11

“Ho an’ ny Zanak’ ondry anie … ny voninahitra [sy] ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Diniho ny hanoratana ireo fanontanina anananao momba ny zavatra vakinao ao amin’ny Apokalypsy. Afaka mikaroka ireo valim-panontanianao ianao na miresaka momba izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na any amin’ny kilasinao any am-piangonana.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Efa nisy fotoana ve ianao sahirana nilaza tamin’ny hafa ny zavatra tsapanao nandritra ny zavatra niainana ara-panahy nahery vaika iray? Mety tsy hahavita manoritsoritra ny fahatsapana ara-panahy ny fiteny andavanandro. Izany angamba no antony nahatonga an’i Jaona nampiasa tandindona sy sary maro mba entina hanazavana ny fahitana lehibe hitany. Afaka nilaza tsotra fotsiny izy fa nahita an’i Jesoa Kristy, fa mba hanampiana antsika hahatakatra ny zavatra niainany, dia nofaritany tamin’ny fampiasana teny toy izao manaraka izao ny Mpamonjy: “ny masony tahaka ny lelafo,” “nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany,” ary “ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny” (Apokalypsy 1:14–16). Eo am-pamakianao ny bokin’ny Apokalypsy dia ezaho tadiavina ny hafatra tian’i Jaona hianaranao sy ho tsapanao, na dia tsy azonao aza ny dikan’ny tandindona tsirairay. Inona no mety antony nahatonga azy hampitaha ny Fiangonana tamin’ny fanaovan-jiro, sy i Satana tamin’ny dragona ary i Jesoa Kristy tamin’ny zanak’ondry? Raha ny tena marina dia tsy mila mahatakatra ny tandindona tsirairay ao amin’ny Apokalypsy ianao vao hahatakatra ireo foto-kevitra lehibe ao anatiny, tafiditra ao anatin’izany ilay lohahevitra manan-danja indrindra ao anatiny manao hoe: Handresy ny firenen’ny olona sy ny an’i Satana i Jesoa Kristy sy ny mpanaradia Azy.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Apokalypsy

Ahoana no ahafahako manao izay ahatakarako ny bokin’ny Apokalypsy?

Ny bokin’ny Apokalypsy dia mety ho sarotra takarina, saingy aza kivy. Mety hanampy anao hiezaka foana ny fampanantenan’i Jaona hoe: “Sambatra ireo izay mamaky sy ireo izay mihaino ary mahazo ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina ireo zavatra izay voasoratra ao, fa ny fotoan’ ny fiavian’ ny Tompo dia manakaiky” (Dikantenin’i Joseph Smith Translation, Fanambarana 1:3 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina], nampiana fanamafisana).

Ireto fanontaniana sy loharano manaraka ireto dia mety hitondra hevi-baovao eo am-pandalinanao ny Apokalypsy:

Mety hanampy ihany koa ny mitady hevi-baovao ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy samihafa ao amin’ny Apokalypsy. (Jereo ireo fanamarihana ambanin’ny pejy sy ny Dikantenin’i Joseph Smith [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina].)

Apokalypsy

Ny fahitan’i Jaona dia mampianatra ny fanavotan’ny Ray any An-danitra ny zanany.

Eo am-panombohanao mandalina ny boky dia eritrereto ny fomba ifandraisan’ny zavatra vakinao amin’ny zavatra fantatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho fanavotana sy fanandratana ny zanany. Azonao atomboka amin’ny fijerena ny topimaso mikasika ny drafitry ny famonjena ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 55–69) izany. Avy eo, rehefa mamaky ny tantaran’i Jaona momba ny fahitany ianao, dia manontania tena hoe: Inona no fahamarinana ianarako avy amin’ny Apokalypsy momba ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra mba hanampiana ahy hiverina any Aminy? Ahoana no hanampian’izany ahy mba hahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ho ahy?

Mety hanampy anao ny mahafantatra fa amin’ny ankapobeny:

  • Ny ankamaroan’ny ao amin’ny toko 12 dia miresaka momba ireo zava-nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Ny toko 6–11, 13–14, 16–19 dia manoritsoritra ny fiainana an-tany sy ireo zava-mitranga eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

  • Ny toko 2–3, 15, 20–22 dia manoritsoritra ny Fitsarana Farany sy ny voninahitra natokana ho an’ ny mahatoky ao amin’ireo tontolo mandrakizay.

Apokalypsy 2–3

Mahafantatra ahy manokana i Jesoa Kristy ary hanampy ahy handresy ireo olako Izy.

Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia manambara fa fantany ireo fahombiazana sy olana manokan’ny sampana tsirairay ao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jaona. Nanome toky ireo Olomasina tao amin’ny fiangonana maro Izy fa fantany, ankoatra ireo zavatra hafa, ny asany sy ny fahoriany ary ny fitiavany (Apokalypsy 2:2, 9, 19) miaraka amin’ny fomba vitsivitsy izay afaka mampivoatra azy ireo.

Ireo toko ireo dia afaka mampahatsiahy anao fa fantatry ny Mpamonjy ireo tanjakao sy ireo fahalemenao ary maniry ny hanampy anao handresy ireo fanamby atrehinao eto an-tany Izy. Inona no ampanantenain’i Jesoa Kristy an’ireo izay mandresy? Inona no fiovana tsapanao fa tokony hataonao mba handresena ireo olanao?

Apokalypsy 5

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manao izay hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Na dia tsy tsaroanao aza izany dia teo ianao tamin’ireo tranga izay soritan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 5. Eo am-pamakianao ny momba ireo tranga ireo dia eritrereto hoe mety ho nanao ahoana tamin’izany rehefa nahatsikaritra isika rehetra fa i Jesoa Kristy (ilay “zanak’ondry”) no hanatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra (manokatra ny boky sy mamaha ireo tombokase fito). Nahoana no i Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanao izany? Ahoana no ahafahanao maneho ny finoana Azy ho Mpamonjy anao?

Jereo koa ny Joba 38:4–7.

Apokalypsy 6–11

Ny famerenana amin’ny laoniny no nialoha ny faharavana izay hiseho alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ny Apokalypsy 6–11 dia manoritsoritra ireo tranga izay hiseho mandritra ny fisian’ny tany ara-nofo (jereo ny FF 77:6), tafiditra ao anatin’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany (jereo ny Apokalypsy 7). Eo am-pamakianao ireo tantara naminanian’i Jaona sy eo am-pijerenao ny fisehon’ny sasany amin’izy ireny dia inona no zavatra itaoman’ny Fanahy mba hataonao hiomananao sy ny fianakavianao tsara kokoa ho amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Apokalypsy 2–3

Ataovy hoe nangatahina hitondra hafatra ho an’ny fianakavianao mitovy amin’ireo izay nomeny an’ireo fiangonana tamin’ny androny i Jaona. Inona no ho lazainy fa mandeha tsara? Amin’ny fomba ahoana no mety hivoaranareo?

Apokalypsy 3:20

Asehoy ilay sarin’i Jesoa Kristy mandondona varavarana (jereo ny sary izay miaraka amin’ity rindran-damina ity). Asao ny fianakavianao mba hamaky ny Apokalypsy 3:20 ka hifanakalo hevitra mikasika ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Nahoana i Jesoa no mandondona fa tsy tonga dia mandroso fotsiny? Ahoana no hanasantsika ny fitaomany ho ato an-tokantranontsika?

Apokalypsy 7:9, 13–14

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny antony mahatonga antsika miankanjo fotsy rehefa manatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fametrahana fanontaniana. Ny fanontaniana dia famantarana iray fa vonona ny hianatra ny fianakavianao ary maneho ny fandraisany ny zavatra ampianarina azy ireo. Ampianaro ny fianakavianao ny fomba fitadiavana valiny ao amin’ny soratra masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Sary
i Kristy mandondona varavarana

Avelao Izy hiditra, nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy