Avia, hanaraka Ahy
16–22 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly-


“16–22 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16–22 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Jesoa zazakely ao amin’ny fihinanam-bilona

Safe in a Stable, nataon’i Dan Burr

16–22 desambra

Krismasy

“Teny soa mahafaly”

Ho an’ny olona sasany ny Noely dia mety ho vanim-potoana mahabe zavatra atao. Diniho ny hahafahan’ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao mitondra fanahin’ny fiadanana sy fahamasinana eo amin’ny fiainanao. Saintsaino ny fiantraikan’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy eo amin’ny fiainanao, ary raketo izay fahatsapana ara-panahy tonga aminao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nahoana ny fahaterahan’ny zaza iray no mitondra fifaliana lehibe? Angamba satria ny zaza vao teraka dia afaka ny ho tandindon’ny fanantenana. Misy zavatra amin’ny fiainana vaovao feno fahafahana iray izay mitarika antsika handinika ny zavatra mety ho atolotry ny fiainana an’ilay zaza sy ny zavatra mahatalanjona ho vitany. Tsy mbola marina mihoatra noho ny tamin’ny nahaterahan’ilay Zanak’ Andriamanitra izany, dia i Jesoa Kristy. Tsy mbola nisy zaza nametrahana fanantenana mihoatra noho Izy, ary tsy mbola nisy olona nateraka niaraka tamin’ny fampanantenana betsaka toa Azy.

Rehefa nanasa ireo mpiandry ondry mba hitady zazakely iray vao teraka tao amin’ny fihinanam-bilona iray ny anjely anankiray dia nanome azy ireo hafatra momba izany zaza izany ihany koa izy. Hafatra feno fanantenana izany, fa hoe io zazakely io dia tonga teto an-tany mba hanatanteraka asa masina. “Nampiely [ny hafatr’izy ireo ny mpiandry ondry] … ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony” (Lioka 2:17–19). Mety ho tsara angamba ny manaraka ny ohatr’i Maria amin’ity Krismasy ity: dia ny mieritreritra ao am-ponao ireo zavatra izay nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ity taona ity. Ahoana no nanatanterahany ny asa fanavotana izay nampanaovina Azy ao amin’ireo tantara izay novakianao? Ary ny manan-danja kokoa dia tamin’ny fomba ahoana no nanovan’ny asa nampanaovina Azy ny fiainanao?

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Nanaiky ny hidina ambany i Jesoa Kristy mba ho teraka ety anivontsika ety ambonin’ny tany.

Na dia efa imbetsaka namaky sy naheno ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy aza ianao teo aloha, amin’ity indray mitoraka ity dia halalino izany miaraka amin’izao eritreritra izao ao an-tsaina: “Ny Krismasy dia tsy hoe fankalazana ny fomba nahatongavan’i Jesoa Kristy teo amin’izao tontolo izao fotsiny fa mikasika ny fahafantarana ihany koa hoe iza Izy—dia i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika—ary inona no antony nahatongavany” (Craig C. Christensen, “The Fulness of the Story of Christmas” [Fivoriam-bavaky ny Krismasin’ny Fiadidiana Voalohany, 4 des. 4 2016], broadcasts.lds.org).

Inona no zavatra fantatrao momba ny hoe iza i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany? (jereo ohatra ny Jaona 17:5; Môsià 3:5; FF 76:13–14, 20–24; Mosesy 4:2). Inona no fiantraikan’io fahalalana io amin’ny zavatra tsapanao rehefa mamaky ny momba ny fahaterahany ianao?

Inona no zavatra fantatrao momba ny antony nahatongavan’i Jesoa Kristy teto an-tany? (jereo ohatra ny Lioka 4:16–21; Jaona 3:16–17; 3 Nefia 27:13–16; FF 20:20–28). Inona no fiantraikan’io fahalalana io amin’ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fomba fiainanao?

Jereo koa ny 2 Korintiana 8:9; Hebreo 2:7–18; 1 Nefia 11:13–33; Almà 7:10–13).

1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25

Nanatanteraka ny asa nanirahana Azy i Jesoa Kristy ary nanome fahafahana ahy handova ny fiainana mandrakizay.

Na dia maro aza ireo ireo fahagagana nitranga nanodidina ny tantaran’ny fahaterahan’i Kristy, dia ho fahaterahana hafa tsotra izao ny fahaterahany raha tsy noho ilay asa lehibe izay hotanterahiny any aoriana amin’ny fiainany. Araka ny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ho zaza hafa toy ny rehetra i Jesoa zazakely raha tsy nisy Ilay Kristy Mpanavotra tao Getsemane sy tao Kalvary ary ilay Fitsanganana amin’ny maty feno fandresena” (“The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign, Dec. 2000, 5).

Sary
i Jesoa mandohalika ao amin’ny sahan’i Getsemane

Getsemane, nataon’i J. Kirk Richards

Ahitana porofon’ny asa masina nanirahana ny Mpamonjy sy ny fitiavany mahery vaika ny hafa manerana ny Testamenta Vaovao. Inona no andinin-tsoratra masina na tantara tonga ao an-tsainao? Azonao atao ny mamaky indray io loharanom-pitaovana io na ny diary fandalinanao ka mamerina mijery ny zavatra sasany tsapanao izay noraketinao. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny 1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25 ary saintsaino ny fomba nitahian’ny Mpamonjy sy ny asany ny fiainanao. Inona no tsapanao fa tokony hovainao amin’ny fiainanao? Ahoana no hampiasanao ny herin’ny Mpamonjy?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Ahoana no ahafahanao mankalaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fianakavianao? Ireto misy sosokevitra vitsivitsy, na afaka mampiasa ny anao manokana ianao:

  • Vakio na iaraho milalao an-tsehatra ny sombin’ny tantaran’ny Fahaterahana

  • Mijereva Fivoriam-bavaky ny Krismasy an’ny Fiadidiana Voalohany (broadcasts.lds.org;).

  • Hiaraho mihira ireo hiran’ny Krismasy, na mifidiana olona amin’ny manodidina na namana mba hovangiana dia mihirà ho azy ireo (jereo ny Fihirana sy Hiran’ny Ankizy , pejy  102–105).

  • Manaova asa fanompoana.

  • Angataho ny ao amin’ny fianakavianao mba hijery antsipirian-javatra ao amin’ny tantaran’ny Fahaterahana izay manome hevitra azy ireo momba ny firavaka azon’izy ireo amboarina mba hampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy.

1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25

Nahoana isika no feno fankasitrahana fa teraka i Jesoa Kristy? Inona no fanomezana izay nomeny antsika? Ahoana no anehoantsika Azy ny fankasitrahantsika?

“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly”

Raha tianao hifantoka amin’ny Mpamonjy ny fianakavianao mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy dia angamba azonareo atao ny mandany ny fotoanareo sasany amin’ny famakiana sy ny fandalinana ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ( Liahona, mey 2017, fonony aloha ao anatiny). Mety hanao tsianjery andinin-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ianareo na hitady famaritana ny fiainan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay manohana ireo filazana ao anatiny. Azonao asaina ihany koa ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao mba hanoratra ny fijoarana ho vavolombelona manokana ananany momba an’i Jesoa Kristy sy hamaky izany amin’ny fianakaviana raha mahatsapa ho voataona hanao izany.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona an’i Kristy (jereo ny Mosesy 6:62–63), koa tokony hitady Azy isika amin’ny zavatra rehetra. Eo am-pamakianao ny soratra masina dia soraty na mariho ireo andininy izay mampianatra anao momba Azy. Makà fotoana amin’ireo andro mialoha ny Krismasy mba hitadiavana zavatra manodidina anao izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Maria sy i Josefa ary ireo mpiandry ondry sy i Jesoa.

Ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy, nataon’i Brian Call

Hamoaka printy