Avia, hanaraka Ahy
Alahady fahefatra


“Fivoriana isaky ny alahady fahefatra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana (2017)

Fivoriana isaky ny alahady fahefatra

Fivoriana isaky ny alahady fahefatra

Ny alahady fahefatra ao anatin’ny volana dia miresaka lohahevitra iray nofidian’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireo kôlejy, vondrona, ary ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo lohahevitra ireo dia hasiam-panovana isaky ny misy fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny lohahevitra mandra-pahatongan’ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka dia ny andro Sabata. Ny mpitarika sy ny mpampianatra dia afaka mifidy amin’ireto fotopampianarana sy asa hoenti-mianatra aroso eto ambany ireto, mampiaraka ny maromaro amin’izy ireo, na mamorona ny azy ireo manokana arakaraka ny filan’ireo mpikambana.

Ny Sabata dia andro hahatsiarovana ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho antsika.

Hatramin’izay Andriamanitra dia nampifandray ireo asa goavambe sasantsasany tamin’ny Sabata. Ireo asa goavambe ireo dia ahitana ny Fahariana (jereo ny Genesisy 2:1–3), ny fifindra-monin’ny zanak’Isiraely avy tany Egypta (jereo ny Deoteronomia 5:15), ary ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty (jereo ny Jaona 20:1–19; Asan’ny Apostoly 20:7). Asao ny mpikambana hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina ireo sy hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hahafahan’ny fahatsiarovana ny tsirairay amin’ireo zavatra nitranga ireo manampy antsika hanaja ny andro Sabata. Inona avy ireo asa goavambe sasantsasany nataon’ Andriamanitra ho antsika? Inona no fomba hahafahantsika mahatsiaro ireo zavatra ireo amin’ny andro Sabata? Raha azo tanterahina, dia asao ny mpikambana hiresaka fanontaniana tahaka ireo miaraka amin’ny fianakaviany.

I Jesoa Kristy no Tompon’ny Sabata.

Ny Sabata dia antsoina ihany koa hoe ny andron’ny Tompo (jereo ny Apokalypsy 1:10). Araka ny hevitrareo dia nahoana i Jesoa Kristy no antsoina hoe Tompon’ny Sabata? (jereo ny Matio 12:8). Miaraha mijery andininy vitsivitsy izay afaka manentana ny fanahin’ireo mpikambana hieritreritra fomba hampifantohana amin’i Jesoa Kristy ny zavatra iainan’izy ireo mandritra ny Sabata (ohatra, Helamàna 5:12; Etera 12:41; Môrônia 10:32; and FF 6:36–37). Inona no andinin-tsoratra masina hafa azon’ny mpikambana zaraina ka afaka manampy azy ireo hampifantoka bebe kokoa ny Sabata amin’i Kristy? Inona no tanjona azontsika apetraka mba hanampiana antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny andro Sabata?

I Jesoa Kristy no ohatra alaintsika tahaka amin’ny fanajana ny Sabata.

Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, dia naka fotoana hampianara momba ny andro Sabata ny Mpamonjy. Angataho ny mpikambana hamaky ireto tantara manaraka ireto sy hanao lisitra an’ireo zavatra nataon’i Jesoa nandritra ny Sabata sy ny fitsipika nampianariny: Lioka 6:1–11; 13:11–17; Jaona 5:1–20; 9:1–16. Inona no fitsipika hafa momba ny Sabata izay ianarantsika avy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto? Eksodosy 20:8–11; 31:12–18; Isaia 58:13–14; and FF 59:9–19. Asao ny mpikambana hizara ny zavatra azony atao mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy.

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129–32.

Andro hitsaohana ny Sabata.

Soraty eny amin’ny solatirabe ny teny hoe mitsaoka dia asao ny mpianatra hanoratra teny hafa mifandray amin’izay eo akiakiny. Dia manaova tsanganana telo avy eo, izay ahitana ny teny hoe mialoha, mandritra, ary aoriana eo amin’ny faratampon’ny tsanganana tsirairay. Inona no azontsika atao mialoha, mandritra ary aorian’ny fotoam-pivavahana mba hitsaohana ny Tompo amin’ny androny masina? Afaka miara-mamaky ny Môsià 18:17–29 sy ny Môrônia 6 ny mpianatra mba hikarohana hevitra. Asao ny mpikambana hisaintsaina ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fihetsika sy ny asa ataon’izy ireo amin’ny andro Sabata no manampy azy ireo hitsaoka ny Tompo amin’io andro io (jereo ny Eksodosy 31:16–17). Inona no azontsika atao mba hanatsarana ny zavatra iainan’ireo fianakaviantsika sy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’ny fitsaohana mandritra ireo fivoriam-piangonana?

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia mamela antsika hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no fiantraikan’ny fanasan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Mba hamaliana io fanontaniana io dia asao ny mpikambana hiara-hiasa tsiroaroa mba hifidy sy hiresaka fehezan-teny iray avy amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79 sy ilay torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9. Omeo fotoana ny mpiara-miasa tsiroaroa mba hitady soratra masina izay manampy azy ireo hahatakatra tsaratsara kokoa ny fehezan-teniny, ary hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hifidy ny hiran’ny fanasan’ny Tompo tian’izy ireo indrindra dia hiara-hihira izany.

Jereo koa ny Cheryl A. Esplin, “Ny fanasan’ny Tompo—fanavaozana ho an’ny fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 12–14.

Andro fanompoana ny hafa ny Sabata.

Inona no azontsika ianarana momba ny fanompoana ny hafa amin’ny andro Sabata avy amin’ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy sy nitahiany ny olona manodidina Azy? Amporisiho ny mpikambana hamaky sy hiresadresaka momba ny Matio 9:10–13; Lioka 19:1–9; Jaona 11:32–46; 13:1–5, 12–17; ary 3 Nefia 17:5–10. Angataho ny mpikambana hisaintsaina ireo soratra masina ireo eo am-pieritreretany ny fomba hahafahany manompo rehefa Sabata. Ohatra, afaka manompo ny olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo, na manampy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana izay tompoiny amin’ny maha-mpamangy sy mpampianatra isan-tokantrano azy ireo, na manao tantaram-pianakaviana, na mamangy ny marary, na mizara ny filazantsara. Afaka manao filankevitry ny mpianakavy koa angamba ireo mpikambana mba hamolavolana ny fomba ahafahan’izy ireo manompo ny hafa rehefa Sabata.

Manompo vehivavy zokiolona mandamaka am-pandriana