Ny Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy
Manasitrana sy manavao ny fanahintsika ny Fanahy Masina. Ny fitahiana ampanantenain’ny fanasan’ny Tompo dia ny “hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika].”
Indray mandeha nisy andian-jatovovavy nanontany ahy hoe: “Inona no irinao hoe mba tokony ho efa fantatrao fony ianao nitovy taona taminay?” Raha izaho no mamaly izany fanontaniana izany dia ampidiriko ao ity eritreritra ity hoe: “Iriko raha mba nahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo aho fony aho nitovy taona taminareo. Iriko raha mba takatro tamin’ilay fomba namaritan’ny Loholona Jeffrey R. Holland izany ny fanasan’ny Tompo. Hoy izy hoe: ‘Anisan’ireo fanasana tsy afa-misaraka amin’ny fanasan’ny Tompo ny mba hahatonga izany ho zavatra iainana tena ara-panahy sy ho fifandraisana masina ary ho fanavaozana ho an’ny fanahy.’”
Ahoana no ahatongavan’ny fanasan’ny Tompo ho “zavatra iainana tena ara-panahy sy ho fifandraisana masina ary ho fanavaozana ho an’ny fanahy” isan-kerinandro?
Lasa zavatra iainana mampatanjaka ny ara-panahy ny fanasan’ny Tompo rehefa mihaino ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo isika ka manolo-tena indray amin’ny fanajana ireo fanekempihavanantsika. Mba hanaovana izany dia tsy maintsy vonona hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika isika. Raha niresaka momba izany fampanantenana izany ny Filoha Henry B. Eyring dia nampianatra izy hoe: “Midika izany fa tokony hihevitra isika hoe Azy ny tenantsika. Ho ataontsika lohalaharana eo amin’ny fiainantsika Izy. Haniry kokoa ny zavatra iriny isika toy izay hitady izay irintsika na izay ampianarin’izao tontolo misy antsika izao mba hiantefan’ny faniriantsika.”
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana ihany koa mba “hahatsiaro mandrakariva” an’i Jesoa Kristy. Tamin’ilay alina nialoha ny nanomboana Azy dia namory ny Apôstôliny nanodidina Azy i Kristy ka nanao ny fanasan’ny Tompo. Namaky mofo Izy dia nanamasina izany ka nilaza hoe: “Raiso, hano; izao dia ho fahatsiarovana ny vatako izay homeko ho onitra ho anareo.” Avy eo dia nandray ny kalisin-divay Izy dia nisaotra sy nanome izany an’ireo Apôstôliny mba hisotroany ary niteny hoe “Izao dia ho fahatsiarovana ny rako… , izay alatsaka ho an’izay rehetra hino ny anarako.”
Naveriny teo anivon’ny Nefita ary avy eo indray dia tamin’ny Famerenena tamin’ny Laoniny ny Fiangonany tamin’ny andro farany fa tokony handray ny fanasan’ny Tompo isika ho fahatsiarovana Azy.
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’Andriamanitra fa hahatsiaro mandrakariva ny Zanany, fa tsy mandritra ilay fotoana fohy hanaovana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ihany. Midika izany fa hiantehitra mandrakariva amin’ny ohatra sy ny fampianaran’ny Mpamonjy isika mba hitarika ny eritreritsika sy ny safidintsika ary ny asantsika.
Mampahatsiahy antsika ihany koa ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo fa tsy maintsy “mitandrina ny didiny” isika.
Hoy i Jesoa hoe: “Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” Ny fanasan’ny Tompo dia manome antsika fahafahana handinihan-tena sy fahafahana hampitodika ny fontsika sy ny sitrapontsika amin’Andriamanitra. Mitondra ny herin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika ny fankatoavana ireo didy sady mitondra fiadanana bebe kokoa sy mampitombo ny ara-panahy.
Ny fanasan’ny Tompo dia manome fotoana hiainana traikefa tena ara-panahy rehefa misaintsaina mikasika ny hery manavotra sy manafaky ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika. Vao haingana izay ny mpitarika iray ao amin’ny Zatovovavy no nianatra momba ny tanjaka azontsika rehefa miezaka mandray amim-pisaintsainana tsara ny fanasan’ny Tompo isika. Raha niezaka namita zavatra iray izay takina ao amin’ny Mon Progrès Personnel izy dia nametraka tanjona mba hifantoka amin’ny tononkira sy ny teny ao anatin’ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo.
Nanao fanombantombanana ny tenany izy isan-kerinandro nandritra ny fanasan’ny Tompo. Tadidiny ireo fahadisoana nataony, ary nanolo-tena izy ny ho lasa tsaratsara kokoa ny herinandro manaraka. Feno fankasitrahana izy tamin’ny fahafahany nanitsy ny lalany ka nanjary voadio. Rehefa nanao jery todika momba ilay zavatra niainany izy dia niteny hoe: “Nanao ilay fibebahana izay ampahany amin’ny Sorompanavotana aho.”
Indray Alahady taorian’ny nanaovany fanombantombanana ny tenany manokana dia nanomboka nahatsapa ho kivy sy tsisy fanantenana izy. Hitany fa namerina ny fahadisoana efa nataony hatrany hatrany izy, isan-kerinandro izao. Saingy tamin’izay dia nanana fahatsapana niavaka izy fa nanao tsinontsinona ny ampahany lehibe iray ao amin’ny Sorompanavotana—ilay hery manafaka izay an’i Kristy. Adinony ireo fotoana rehetra nanampian’ny Mpamonjy azy ho tonga ilay olona tiany hahatongavana sy hanompo mihoatra noho ny fahafaha-manao nananany.
Teo am-pisaintsainana izany dia nieritreritra ny herinandro lasa indray izy. Hoy izy hoe: “Nisy fahatsapana fifaliana nipoitra avy tao anatin’ilay fahatsapako alahelo rehefa tsikaritro fa nanome fahafahana sy fahaizana maro ho ahy Izy. Tsikaritro tamim-pankatelemana ny fahaizana nananako hahafantatra mora foana ny zavatra nilain’ny zanako izay tsy hita nibaribary tamin’izany fotoana izany. Tsikaritro fa tamin’ny andro nahatsapako hoe tsy afaka nanatontosa aho na dia zavatra iray aza dia afaka nanolotra teny fankaherezana tamin’ny namana iray aho. Nampiseho faharetana aho tamin’ny zava-nitranga izay mazàna niteraka tsy fananana faharetana tato anatiko.”
Dia nofaranany hoe: “Rehefa nisaotra an’Andriamanitra aho tamin’ny hery izay an’ny Mpamonjy izay misy eo amin’ny fiainako dia nahatsapa ho nanana fanantenana kokoa aho tamin’ny dingan’ny fibebahana izay notontosaiko ary niandrandra ny herinandro manaraka tamin’ny fanantenana nohavaozina aho.”
Nampianatra ny fomba ahafahan’ny fanasan’ny Tompo ho tonga traikefa manasitrana sy manadio ny Loholona Melvin J. Ballard. Hoy izy hoe:
“Iza amintsika no tsy mandratra ny fanahiny amin’ny alalan’ny teny, eritreritra na asa mandritra ireo andro eo anelanelan’ny Sabata roa? Manao zavatra izay anenenantsika isika dia maniry ny ho voavela heloka. … Ny fomba ahazoana famelan-keloka dia … ny mibebaka amin’ny fahotantsika, mandeha any amin’ireo izay nanaovantsika ny tsy mety na tohina noho ny amintsika ka mangataka ny famelan’izy ireo ary miverina eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo izay hamelana ny helotsika, raha tena nibebaka tamin-kitsimpo tokoa isika ary nanatsara ny toe-javatra iainan’ny tenantsika, dia ho tonga amin’ny fanahintsika ny fanasitranana ara-panahy. …
“Vavolombelona iray aho,” hoy ny Loholona Ballard “fa misy fanahy iray manatrika ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo izay manafana ny vatana iray manontolo hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia; tsapanao fa sitrana ireo ratran’ny fanahy, ary nohamaivanina ny enta-mavesatra. Tonga amin’ny fanahy izay mendrika sy tena maniry ny handray ity sakafo ara-panahy ity ny fiononana sy fahasambarana.”
Azo sitranina sy havaozina ny fanahintsika izay maratra satria tsy mampahatsiahy antsika ny fanoloran’ny Mpamonjy ny vatany sy ny rany ho sorona fotsiny ihany ny mofo sy ny rano fa mampahatsiahy antsika koa ireo tandindona ireo fa ho “mofon’aina” sy ho “rano velona” ho antsika mandrakariva Izy.
Taorian’ny nanatanterahany ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny Nefita dia hoy i Jesoa hoe:
“Izay mihinana ity mofo ity dia mihinana amin’ny vatako ho an’ny fanahiny; ary izay misotro amin’ity divay ity dia misotro amin’ny rako ho an’ny fanahiny; ary tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny, fa hovokisana kosa.
“Ankehitriny, rehefa avy nihinana sy nisotro avokoa ny valalabemandry, dia indro, heniky ny Fanahy izy ireo.”
Mampianatra antsika i Kristy amin’ireo teny ireo fa ny Fanahy dia manasitrana sy manavao ny fanahintsika. Ny fitahiana ampanantenain’ny fanasan’ny Tompo dia ny “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia alaiko sary an-tsaina indraindray ny sary hosodoko iray izay mampiseho ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty miaraka amin’ny sandriny mitsotra, toy ny hoe vonona handray antsika ka hamihina antsika am-pitiavana. Tiako io sary hosodoko io. Rehefa mieritreritra izany aho mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo dia mahazo hery ny fanahiko ka toy ny afaka maheno ny tenin’ny Mpamonjy aho hoe: “Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy dia izy no horaisiko; ary hotahiana ireo izay mankaty Amiko.”
Misolo tena ny Mpamonjy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna rehefa manomana sy mitsodrano ary mizara ny fanasan’ny Tompo. Rehefa maninjitra ny sandriny hanolotra antsika ireo tandindona masina ny mpihazona ny fisoronana iray dia toy ny hoe ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy no maninjitra ny sandrin’ny famindram-pony, ka manasa ny tsirairay amintsika handray amin’ireo fanomezana sarobidin’ny fitiavana izay nomena tamin’ny alalan’ny sorompanavotany—ireo fanomezan’ny fibebahana, ny famelan-keloka, sy ny fampiononana ary ny fanantenana.
Arakaraky ny hisaintsainantsika ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo no maha-manan-danja izany amintsika. Izao no nambaran’ny raim-pianakaviana 96 taona iray rehefa nanontany ny zanany lahy hoe: “Dada a! Fa inona no antony andehananao any am-piangonana? Tsy afaka mahita ianao, tsy afaka mandre, sarotra aminao ny mandehandeha. Inona no antony andehananao any am-piangonana?” Namaly ilay raim-pianakaviana nanao hoe: “Ny fanasan’ny Tompo. Mandeha any aho mba handray ny fanasan’ny Tompo.”
Enga anie ny tsirairay amintsika mba ho tonga amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary vonona ny hahatsapa “zavatra iainana tena ara-panahy sy fifandraisana masina ary fihazaovan’ny fanahi[ntsika].”
Fantatro fa velona ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjintsika. Feno fankasitrahana aho amin’ny fahafahana omen’ny fanasan’ny Tompo mba hahatsapana ny fitiavan’Izy ireo sy handraisana ny Fanahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.