2010–2019
Joseph Smith
Okt 2014


Joseph Smith

Nifidy lehilahy masina anankiray i Jesoa Kristy, lehilahy marina mba hitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsarany. Nifidy an’i Joseph Smith Izy.

Tamin’ny famangiana voalohany nataon’ny anjely iray tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fony izy 17 taona dia niantso an’i Joseph tamin’ny anarany ilay anjely ary nilaza taminy fa izy, izay i Môrônia no anarany, dia iraka avy teo anatrehan’Andriamanitra ary nanana asa hampanaovina an’i Joseph Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina ny zavatra tsy maintsy neritreretin’i Joseph rehefa nilaza taminy ilay anjely fa “ho tsara sy ho ratsy laza eo anivon’ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anarany.”1 Ny fahatairana hita teny amin’ny mason’i Joseph angamba no nahatonga an’i Môrônia namerina indray fa sady hankalazaina izy no hoharatsiana eo anivon’ny olon-drehetra.2

Tonga tsimoramora ireo zavatra tsara nolazaina mikasika an’i Joseph Smith; fa ireo fanaratsiana azy kosa dia nanomboka avy hatrany. Nanoratra i Joseph hoe: “Nampieritreritra ahy matetika hatramin’ izay ny mahahafahafa ery izany hoe tovolahy tsy fantatra … no heverina ho ampy fahalehibeazana mba hisarika … ny fanenjehana mivaivay indrindra.”3

Rehefa nihatia an’i Joseph bebe kokoa ny olona sasany dia nihanankahala azy koa ny olona sasany. Teo amin’ny faha 38 taonany izy dia maty novonoin’ireo andian’olona mpihetraketraka miisa 150 izay nihosotra loko mainty.4 Na dia nifarana tampoka toy izany aza ny fiainan’ny Mpaminany dia mbola vao nanomboka ny fankalazana sy ny fanaratsiana an’i Joseph.

Tokony hahagaga antsika ve ny fanaratsiana azy? Nantsoina hoe very saina ny Apôstôly Paoly.5 Nopetahana anarana hoe fatra-pitia hanina sy mpisotro divay ary manana demonia ilay Mpamonjy Malalantsika, dia ilay Zanak’Andriamanitra.6

Nolazain’ny Tompo an’i Joseph izay hiafarany:

“Hamotopototra ny momba ny anaranao ireo faran’ ny tany, ary haneso anao ireo adala, ary ho romotra aminao ny helo;

“Raha ny madio am-po sy ny hendry ary … ny tsara toetra kosa hikatsaka … fitahiana lalandava avy eo ambanin’ ny tananao.”7

Fa nahoana no avelan’ny Tompo hiara-hitranga amin’ny fanaratsiana ny filazana zavatra tsara momba ny olona iray? Ny antony iray dia ny hoe ny fanoherana ireo zavatra avy amin’Andriamanitra no mamporisika ireo mpikatsaka ny fahamarinana handohalika hivavaka mba hahazoana valiny.8

I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Niantomboka tamin’ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka taminy ny asany ara-panahy, narahan’ireo famangian’ny iraka maro avy any an-danitra. Izy no fitaovana teo am-pelatanan’Andriamanitra tamin’ny famoahana soratra masina sy fampahafantarana fotopampianarana nesorin’ny olona ary famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana. Mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fandinihana amin’ny alalan’ny saina ny maha-zava-dehibe ny asan’i Joseph; mitaky antsika “hanontany an’Andriamanitra” tahaka ny nataon’i Joseph izany.9 Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy.

Maro amin’ireo izay tsy mino ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny no tsy mino tsotra izao fa afaka miresaka amin’ny olona ety an-tany ny olona avy any an-danitra. Tsy azo heverina hoy izy ireo ny nisian’izany hoe takela-bolamena naterin’ny anjely iray ary nadika tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra izany. Noho izany tsy finoana izany dia mitsipaka haingana ny fijoroan’i Joseph ho vavolombelona izy ireo ary mampalahelo fa misy aza olona vitsivitsy izay manao ratsy amin’ny alalan’ny fanalana baraka ny fiainan’ny Mpaminany sy milaza lainga mikasika ny toetrany.

Ary tena malahelo isika, indrindra fa rehefa misy olona iray izay nanaja an’i Joseph teo aloha kanefa miala amin’ny finoany ary avy eo dia mitsikera ny Mpaminany.10

“Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell indray mandeha izay hoe “Ny fanadihadiana ny Fiangonana … amin’ny alalan’ireo olona niala tao dia toy ny manontany an’i Jodasy mba hahatakarana ny zavatra nataon’i Jesoa. Ny momba ny tenan’izy ireo manokana foana no resahan’ireo olona niala ireo bebe kokoa amintsika fa tsy izay mahakasika ilay fikambanana izay nialan’izy ireo.”11

Hoy i Jesoa hoe, “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.”12 Aoka isika haneho hatsaram-panahy amin’ireo izay mitsikera an’i Joseph Smith, amin’ny fahafantarana ao am-pontsika fa mpaminanin’Andriamanitra izy ary hionona satria efa ela izany rehetra izany no voalazan’i Môrônia mialoha.

Inona no tokony havalintsika amin’ny olona iray izay mikatsaka marina ny hahafantatra kanefa manahy ny amin’ireo fanamarihana ratsy izay reny na novakiny mikasika ny Mpaminany Joseph Smith? Mazava ho azy fa raisintsika tsara hatrany izay fanontaniana vokatry ny fo sy mahitsy.

Ho an’ireo fanontaniana momba ny toetran’i Joseph dia afaka mizara ny tenin’ireo olona an’arivony nahafantatra azy manokana isika ary nanolotra ny ain’izy ireo hanaovana ny asa izay napetrany. I John Taylor, izay inefatra voatifitr’ireo andian’olona mpihetraketraka namono an’i Joseph, dia nanambara taty aoriana hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireo anjely ary ny olona fa [i Joseph] dia lehilahy tsara sy mendri-piderana [ary] tsara toetra— … [ary] ny fitondrantenany teo amin’ny fiainany manokana sy teny imasom-bahoaka dia nadio—ary olon’Andriamanitra izy nandritra ny androm-piainany ka mandra-pahafatiny.”13

Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao.

Taona maro lasa izay dia namaky lahatsoratra tao amin’ny Time magazine aho, izay niresaka mikasika ny fahitana taratasy iray izay nolazaina fa nosoratan’i Martin Harris hono, izay mifanohitra amin’ny fitantaran’i Joseph Smith ny nahitana ireo takelaka nirakitra ny Bokin’i Môrmôna.14

Mpikambana vitsivitsy no niala tato amin’ny Fiangonana noho ilay taratasy.15

Nampalahelo fa niala haingana loatra izy ireo. Volana maromaro taty aoriana dia hitan’ireo manam-pahaizana (ary niaiky ireo tompon’antoka) fa sandoka tanteraka ilay taratasy.16 Tsy mampaninona raha mety hoe miahiahy ny amin’ireo zavatra renao avy amin’ny fampahalalam-baovao ianao, kanefa tsy tokony hoahiahianao mihitsy ny fijoroan’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ho vavolombelona.

Azontsika atao ny mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra fa ireo fampahalalana mikasika an’i Joseph, na marina aza, dia mety haseho amin’ny endriny mivaona tanteraka amin’ny hevitra nofonosiny tamin’ny andro niainany sy ny toe-javatra niainany.

Naneho an’io toe-javatra io ny Loholona Russell M. Nelson. Hoy izy hoe: “Niasa tamin’ny naha-mpanoro hevitra ahy tao amin’ny Governemantan’i Etazonia aho tao amin’ny Ivontoeram-pireneny izay Manara-maso ny Aretina ao Atlanta Géorgie. Raha niandry fiara karetsaka aho indray mandeha mba hanatitra ahy ho any amin’ny seranam-piaramanidina rehefa tapitra ny fivorianay dia nitsotsotra teo amin’ny bozaka mba haka aina sy hafanana avy amin’ireo tara-masoandro vitsy mialohan’ny hiverenana tany amin’ny … toetrandro mivolon-dririnin’i Utah. … Kelikely taty aoriana aho dia naharay sary, niaraka tamin’ireo taratasiko, izay nalain’ny mpaka sary iray tamin’ny fakan-tsary afaka maka sary akaiky avy eny amin’ny toerana lavitra, izay naka sary ilay fotoana nakako aina teo amin’ny bozaka. Nisy soratra kely teo ambanin’ilay izy hoe ‘mpanoro hevitra ao amin’ny Governemanta tao amin’ny Ivontoeram-pirenena.’ Marina ilay sary ary marina ilay teny voasoratra teo ambany, saingy nampiasaina ilay fahamarinana mba hanentanana ny olona hieritreritra zavatra tsy marina.”17 Tsy mandà ny zavatra fantatsika fa marina isika noho ny zavatra izay tsy mbola takatsika.

Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy irery i Joseph tamin’izy novangian’ny anjely.

Ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna dia nanoratra hoe: “Amin-kitsimpo tanteraka no ilazanay fa ny anjelin’Andriamanitra iray dia nidina avy tany an-danitra ka … nobanjininay sy nojerenay [ireo takelaka] ireo.”18 Afaka mitanisa tenin’olona hafa maro koa isika.19

Ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra dia tokony hahita fa ny fielezan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia vokatry ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminany.

Amin’izao fotoana izao dia misy fitandremana maherin’ny 29.000 sy misiônera 88.000 izay mampianatra ny filazantsara manerana izao tontolo izao. Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisany no mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, sy hiaina fiainana mendrika, sy hikarakara ny mahantra, ary hahafoy amin’ny fotoany sy ny talentany mba hanampiana ny hafa.

Hoy i Jesoa hoe:

“Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. …

“… Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”20

Mandresy lahatra ireo fanazavana ireo saingy tsy tokony hiantehitra amin’izy ireo fotsiny ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra raha te hampiorina ny fikarohany ny fahamarinana.

Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetra izay mifandimby. Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy.

Raha nandeha tany amin’ny morontsiraka Atsinanan’i Etazonia aho vao haingana izay, dia nisy misiônera efa tafaverina iray izay niresaka tamiko mikasika ny namany iray izay lasa tofoka noho ny fampahalalana azony mikasika ny Mpaminany Joseph Smith. Efa niresaka im-betsaka izy ireo ka toa lasa nanana ahiahy vitsivitsy ilay misiônera efa tafaverina noho ireo resaka nifanaovan’izy ireo.

Na dia nanantena aza aho hoe ho afaka ny hanamafy orina ilay namany izy dia manahy ny amin’ny fijoroany ho vavolombelona manokana aho. Ry rahalahy sy rahavavy, inty misy fampitandremana omeko anareo: tsy dia hitondra fanampiana firy ho an’ny hafa ianareo raha toa ka tsy tsara fototra ny finoana anananareo manokana.

Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nandeha fiaramanidina nankany Amerika Atsimo aho. Nisarika ny sainay hijery horonan-tsary mikasika ny fiarovan-tena ny mpikarakara mpandeha fiaramanidina iray. Nampitandremana izahay hoe: “Mety tsy hisy an’izany, kanefa raha miova ny tosiky ny rivotra ato anatin’ny fiaramanidina dia hisokatra ireo takela eo ambonin’ny sezanareo ary hivoaka avy ao ireo saron-tava fifohana oksizena. Raha mitranga izany dia takaro ary sintony mankany aminao ny saron-tava. Apetaho eo amin’ny oronao sy ny vavanao izany. Atsofohy amin’ny lohanao ilay tady mihazona ilay saron-tava ary tereo na alalaho ilay izy raha ilaina.” Dia avy eo izy nampitandrina hoe: “Apetaho tsara aloha ny saron-tavanao izay vao manampy ny hafa ianao.”

Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraky ny hanakaikezantsika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahana miharo hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. Izao no fotoana hametahanao tsara ny saron-tava fifohanao oksizena ara-panahy mba hahafahanao ho vonona hanampy ny hafa izay mikatsaka ny fahamarinana.21

Mety ho tonga amintsika tsirairay amin’ny fomba samy hafa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mandohalika mivavaka ianao ary mangataka amin’Andriamanitra mba hanamafisany fa mpaminany marina i Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mamaky ny fitantaran’ny Mpaminany ny Fahitana Voalohany ianao. Mety hitsika ao amin’ny fanahinao ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa mamerimberina mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Mety ho tonga izany rehefa mizara ny fijoroanao ho vavolombelona manokana mikasika ny Mpaminany ianao, na rehefa mijoro ao amin’ny tempoly ianao ka mahafantatra fa naverina tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny hery masin’ny famehezana.22 Ho mafy orina amin’ny alalan’ny finoana sy ny hitsimpo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. Mety handena anao indraindray ny rano avy amin’ny balonina misidina izay misy foana eny amin’ny sisin-dalana, saingy tsy tokony hahafaty na oviana na oviana ilay afom-pinoana miredareda anananao izany.

Fanamby voafaritra mazava tsara no omeko an’ireo tanora izay mihaino an’ireto teny ireto amin’izao fotoana izao na mamaky ireto teny ireto any aoriana: Ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenanao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith. Aoka ny feonareo hanampy amin’ny fanatanterahana ireo teny faminanian’i Môrônia ka hanatsara ny lazan’ny Mpaminany. Ireto misy hevitra roa: Voalohany dia mitadiava soratra masina maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tsapanareo sy fantatrareo hoe marina tanteraka. Avy eo dia zarao amin’ny fianakavianareo na ny namanareo izy ireo mandritra ny takarivan’ny mpianakavy sy ny seminera ary ny kilasin’ny Zatovolahy sy Zatovovavy, miaraka amin’ny fanekena fa fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra i Joseph. Faharoa dia vakio ny fijoroan’ny Mpaminany Joseph Smith ho vavolombelona ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy na ao anatin’ity bokikely ity, izay efa misy amin’ny fiteny 158 amin’izao fotoana izao. Azonao alaina en ligne ao amin’ny LDS.org izany na any amin’ireo misiônera. Izy ity dia fijoroan’i Joseph ho vavolombelona mikasika izay tena niseho marina. Vakio matetika izany. Raketo amin’ny raki-peo amin’ny feonao manokana ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona, henoy matetika izany ary zarao amin’ireo namanao. Ny fihainoana ny fijoroan’ny Mpaminany ho vavolombelona amin’ny feonao manokana dia hanampy amin’ny fitondrana ilay tenivavolombelona katsahinao.

Sary
Photos of Joseph Smith pamphlet for Elder Andersen's talk in Nov. 2014

Ny Tenivavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith dia misy amin’ny fiteny 158 amin’izao andro izao.

Ho avy ireo andro lehibe sy mahafinaritra. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ity tanjona lehibe … ity dia hitohy handroso hatrany, hanova sy hitahy fiainana. … Tsy hisy … hery hafa eto amin’izao tontolo izao afaka hanakana ny asan’Andriamanitra. Na inona na inona zavatra hiseho, ity tanjona lehibe ity dia tsy maintsy handroso hatrany.”23

Omeko anareo ny tenivavolombeloko fa i Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Nifidy lehilahy masina anankiray Izy, lehilahy marina mba hitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsarany. Nifidy an’i Joseph Smith Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa lehilahy marin-toetra sy tsara toetra i Joseph Smith, mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo. Niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra izy.

Aorian’ny fahafatesantsika dia ho takatsika mazava tsara ny antso masina sy ny iraka masina notanterahan’ny Mpaminany Joseph Smith. Amin’izay fotoana tsy dia lavitra loatra izay dia “hahafantatra ‘an-dRahalahy Joseph’ indray [izaho sy ianao] sy ny olona an-tapitrisany maro.”24 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith—Tantara 1:33.

  2. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–46.

  3. Joseph Smith—Tantara 1:23.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1.

  5. Jereo ny Asan’ny Apostoly 26:24.

  6. Jereo ny Matio 11:19; Jaona 10:20.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2.

  8. Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy” (“Andao Hiaraka Aminay,” Liahona, Nôv. 2013, 23). Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Asan’Andriamanitra eo an-dalam-pahatanterahana izy ity ary ny fisehony sy ny fitahiana maro avy amin’izany dia hita na aiza na aiza, koa miangavy anareo aho, aza diso sahiran-tsaina loatra raha toa ka misy olana mitranga indraindray, izay tokony hodinihina sy hotakarina ary hovahana. Hitranga tokoa izany ary tsy maintsy atao izany. Ato amin’ity Fiangonana ity, ny zavatra izay fantatsika dia hanan-danja kokoa hatrany noho izay mety ho zavatra tsy fantatsika” (“Tompo ô, Mino Aho,” Liahona, Mey 2013, 94).

  9. Jakoba 1:5; jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:11–13.

  10. Nampahatsiahy i Daniel Tyler hoe: “[Nitsidika ny Mpaminany] tany an-tranony izaho sy Rahalahy Isaac Behunin. Niompana tamin’ny fanenjehana azy ny resaka. Naveriny ireo teny fanoherana maro izay diso sy misafotofoto avy amin’ireo mpikambana nihemotra. … Noresahany ihany koa fa ireo manam-pahefana izay … efa [vonona] ny hamono azy, rehefa voasambotra izy, dia nomba azy indray rehefa [nahafantatra azy bebe kokoa]. …“… Nilaza Rahalahy Behunin hoe: ‘Raha tsy maintsy hiala ato amin’ity Fiangonana ity aho dia tsy hanao tahaka izay nataon’ireo lehilahy ireo: handeha any amin’ny toerana faran’izay lavitra aho izay tsy mbola nandrenesana mikasika ny fivavahana Môrmôna mihitsy dia hipetraka ao ary tsy hisy olona hahafantatra mihitsy hoe mahalala zavatra mikasika izany aho.’“Namaly avy hatrany i [Joseph] hoe: ‘Rahalahy Behunin, tsy mahafantatra izay ho ataonao ianao. Azoko antoka fa efa nanana eritreritra tahaka anao ireo rahalahy ireo. Talohan’ny nidiranao ho mpikambana tato amin’ity Fiangonana ity dia tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa ianao. … Rehefa niditra ho mpikambana tato amin’ity Fiangonana ity ianao dia nirotsaka mba hanompo an’Andriamanitra. Rehefa nanao izany ianao dia niala tamin’ilay hoe tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa, ary tsy afaka ny hiverina ho amin’izany intsony. Raha miala amin’ilay Tompo izay nirotsahanao mba hotompoina ianao dia avy amin’ny alalan’ny famporisihan’ilay ratsy izany, dia hanaraka ny baikony ianao ka ho lasa mpanompony’” (ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 324).

  11. Neal A. Maxwell, “All Hell Is Moved” (fampaherezam-panahy natao tao amin’ny Brigham Young University, 8 Nôv. 1977), 3; speeches.byu.edu.

  12. Matio 5:44.

  13. Enseignements des Présidents de l’Église: John Taylor (2001), 83; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3.

  14. Jereo ny Richard N. Ostling, “Religion: Challenging Mormonism’s Roots,” Time, 20 Mey 1985, 44.

  15. Jereo ny Ostling, “Challenging Mormonism’s Roots,” 44; Jereo koa ny Gordon B. Hinckley, “Lord, Increase Our Faith,” Ensign, Nôv. 1987, 52; Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Liahona, Nôv. 2012, 41.

  16. Jereo ny Richard E. Turley Jr., Victims: The LDS Church and the Mark Hofmann Case (1992).

  17. Russell M. Nelson, “Truth—and More,Ensign, Jan. 1986, 71.

  18. “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna.

  19. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:71, fanovozan-kevitra; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23.

  20. Matio 7:18, 20.

  21. Hoy ny Filoha Henry B. Eyring raha niresaka mikasika ireo izay ao anatin’ny fisalasalana hoe: “Noho ny fitiavanareo azy ireo dia mety manapa-kevitra ny hanandrana hanome azy ireo izay angatahiny ianareo. Mety ho alaim-panahy ianareo ny hiaraka amin’izy ireo ao anatin’izany fisalasalany izany amin’ny fanantenana fa afaka hahita porofo na rafi-pisainana ianareo mba hanesorana ny ahiahin’izy ireo. Matetika ny olona ao anatin’ny fisalasalana no maniry ny hiresaka mikasika izay heverin’izy ireo fa zava-misy na porofo izay niteraka ny ahiahin’izy ireo, ary hoe hatraiza ny maha-mankarary fo ilay izy. …“Afaka manatsara zavatra izaho sy ianao raha toa ka tsy milona elabe amin’izay heverin’ireo mpianatsika fa loharanon’ny ahiahin’izy ireo. … Tsy ao amin’ny zavatra heverin’izy ireo fa hitany no misy ny fototry ny olan’izy ireo fa ao amin’ny zavatra izay tsy mbola hitany. … Tsara kokoa raha avaditsika haingana ny resaka amin’ireo zavatry ny fo, ireo fiovampo izay manokatra ny maso ara-panahy” (“‘And Thus We See’: Helping a Student in a Moment of Doubt” [Lahateny natao ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny departemantan’ny fampianaran’ny Fiangonana, 5 Feb. 1993], 3–4; si.lds.org).

  22. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Taona maro lasa izay rehefa notendrena ho diakona aho teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonako dia nentin’ny raiko, izay filohan’ny tsatòkanay, tany amin’ny fivoriamben’ny fisoronana an’ny tsatòka aho izay fivoriana natrehako voalohany. … [Ny hira fanokafana dia ny “Dera ho an’ilay Nandre an’i Jehovah.”] Nihira mikasika ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo, ary teo am-pihiran’izy ireo an’izany dia injao tonga tato am-poko ny fitiavana miboiboika sy ny finoana an’ilay Mpaminany lehibe an’ity fotoampitantanana ity. … Fantatro tamin’izay, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa mpaminanin’ Andriamanitra tokoa i Joseph Smith” (“Praise to the Man,” Tambuli, Jan. 1984, 1–2).

  23. Thomas S. Monson, “Tafahaona Indray Isika Izao,” Liahona, Mey 2012, 4.

  24. “Dera ho an’ilay Nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 100.

Hamoaka printy