“31 desambra–6 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“31 desambra–6 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
31 desambra– 6 janoary
Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika
Rehefa mamaky ireo soratra masina ato anatin’ity rindran-damina ity ianao dia raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy azonao. Ho hitanao fa ny rindran-damina tsirairay ato anatin’ity boky torolalalana ity dia ahitana asa atao ho an’ny ankizy kely sy ankizy lehibe, saingy afaka mampifanaraka ny asa atao rehetra ho an’ny kilasinao ianao.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Amin’ny fanombohan’ny fotoam-pianarana tsirairay dia omeo fahafahana hizara ny zavatra ianarany momba ny filazantsara ny ankizy. Ohatra, amin’ity herinandro ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny tantara tian’izy ireo indrindra momba an’i Jesoa Kristy.
Ampianaro ny fotopampianarana
Ankizy kely
Tian’i Jesoa Kristy hanaraka Azy aho.
Hamaky tantara maro avy tamin’ny fiainan’i Jesoa Kristy ianao sy ny ankizy amin’ity taona ity. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny antony ianarantsika ireo tantara ireo dia mba hahafahantsika manaraka bebe kokoa ny ohatra tonga lafatra nasehon’i Jesoa Kristy.
Asa atao azo tanterahina
-
Vakio ny fanasana nataon’ny Mpamonjy: “Avia, hanaraka ahy,” hita ao amin’ny Lioka 18:22. Manaova kilalao iray ka ny ankizy iray dia manao fihetsika iray ary milaza amin’ny ankizy hafa hoe: “Avia, hanaraka ahy.” Asao ireo ankizy hafa mba hamerina ilay fihetsika.
-
Mampisehoa sarin’ireo olona nanaraka ny Mpamonjy tamin’ny fomba samihafa, nandritra ny asa fanompoany teto an-tany sy amin’izao androntsika izao. Afaka mahita sary ao amin’ ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara ianao, sy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Avelao ireo ankizy hamantatra ny fomba hanarahan’ilay olona ny Mpamonjy.
-
Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay ataon’izy ireo mba hanarahana ny Mpamonjy. Afaka manome hevitra ho azy ireo ny fihirana ny “Sans tarder je recherche mon Sauveur,” Chants pour les enfants, 67. Asaivo manao ny sarin’ny tenany manao ireo zavatra ireo izy ireo.
Marina ny soratra masina.
Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny ankizy fa marina ny soratra masina na talohan’ny nahafahan’izy ireo namaky izany aza. Rehefa mandalina ny soratra masina miaraka amin’ny ankizy ianao mandritra ity taona ity dia afaka manampy azy ireo hahafantatra manokana fa marina ny soratra masina.
Asa atao azo tanterahina
-
Asao ny ankizy hiresaka momba ireo fanomezana tian’izy ireo indrindra azony tamin’ny tsingerintaona nahaterahany na tamin’ny fotoana hafa. Mitondrà soratra masina voafono ho fanomezana iray, avelao hanokatra izany ny ankizy iray, ary mijoroa ho vavolombelona fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho antsika ny soratra masina.
-
Mampisehoa boky mirakitra tantara noforonina vitsivitsy amin’ny ankizy, ary anontanio azy ireo ireo tantara tian’izy ireo indrindra. Ampisehoy azy ireo ny soratra masina, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny soratra masina dia mirakitra ny tenin’ Andriamanitra ho antsika ary miresaka momba ireo olona izay tena niaina sy momba ireo toe-java-nitranga tena niseho.
-
Zarao ireo hafatra hita ao amin’ny 2 Timoty 3:15 sy Môrônia 10:3–5, ary ampio ireo ankizy mba hamerina fehezan-teny vitsivitsy. Ampio izy ireo hahatakatra fa afaka mahafantatra manokana izy ireo fa marina ny soratra masina.
-
Afeno ny sarin’ny Mpamonjy iray, ary omeo hevitra kely ny ankizy mba hanampiana azy ireo hahita izany. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa afaka manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy ny fizahana ny soratra masina. Avelao ny ankizy hifandimby hanafina ilay sary dia hanome hevitra kely ho an’ny ankizy hafa.
-
Miaraha mihira ny “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” sy ny “Quand je lis l’Écriture sainte,” Chants pour les enfants, 66–67, ary ampio ny ankizy hamorona fihetsika hiaraka amin’ireo tononkira. Zarao amin’ny ankizy ny soratra masina iray na roa tianao indrindra, ary lazao azy ireo ny fomba nahafantaranao fa marina ny soratra masina. Raha toa ka manana soratra masina tiany indrindra na tantara ao amin’ny soratra masina tiany indrindra ny ankizy dia asao izy ireo mba hizara.
Ampianaro ny fotopampianarana
Ankizy lehibe
Tian’i Jesoa Kristy hianatra momba Azy sy hanaraka Azy aho.
Eritrereto ny fomba nahafantaranao an’i Jesoa Kristy. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo ankizy hianatra momba Azy sy hanaraka Azy?
Asa atao azo tanterahina
-
Asao hiresaka mikasika ny namana akaiky iray fantatr’izy ireo ny ankizy ary hamariparitra ny fomba nahatonga io olona io ho namany. Vakio sy resaho ny momba ny Jaona 5:39 sy ny Jaona 14:15 mba hahitana fomba ahafahantsika mahatsapa ho akaiky an’i Jesoa. Asaivo mizara ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho akaiky Azy ny ankizy.
-
Ento mandehandeha manodidina ny trano fiangonana ny mpianatrao. Asao ireo ankizy mba hanangana ny tanany rehefa mahita zavatra iray eny an-dalana izay mampahatsiahy azy ireo ny fomba iray ahafahany manaraka ny Mpamonjy (toy ny dobo fanaovana batisa na sary iray).
-
Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Viens et suis Moi,” Cantiques, no. 61. Asao ny ankizy hizara ireo fotoana izay nanarahany ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.
Afaka mandalina ny soratra masina samirery aho.
Rehefa mamaky ireo soratra masina miaraka amin’ny ankizy ianao sy mametraka fanontaniana amin’izy ireo, dia afaka manorina ny fitokian’izy ireo fa afaka mianatra avy amin’ny soratra masina sy mahita harem-pahalalana sarobidy izy ireo.
Asa atao azo tanterahina
-
Vakio mafy ny Jaona 5:39 sy ny Asan’ny Apostoly 17:10–11, ary anontanio ny mpianatra izay nianarany momba ny fomba fandalinana ny soratra masina.
-
Misafidiana soratra masina vitsivitsy sady mahery vaika avy ao amin’ny Testamenta Vaovao, soraty eo amin’ny taratasy kely tsirairay izany, ary afeno ireo taratasy. Mamorona famantarana izay hitarika ny ankizy amin’ny “fihazana harena” iray ao anatin’ny efitrano fianarana na trano fiangonana mba hahitana ireo soratra masina ireo. Rehefa hitan’izy ireo ny soratra masina tsirairay dia ifanakalozy hevitra ny dikan’ilay soratra masina sy ny antony maha-harena izany.
-
Mizarà soratra masina vitsivitsy izay sarobidy ho anao ary hazavao ny antony maha-manan-danja azy ireo aminao. Aoka ny iray kilasy hanao ny lisitr’ireo soratra masina hitan’ny ankizy ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity, na any an-tokantrano na mandritra ny fotoan’ny Kilonga.
-
Mifanakaloza hevitra amin’ny ankizy momba ny antony maha-sarotra ny mamaky ny soratra masina matetika. Angataho ny ankizy hifampizara torohevitra momba ny fandalinana soratra masina. Angataho ihany koa izy ireo mba hizara izay traikefa tsara nananan’izy ireo tamin’ny soratra masina.
-
Ampio ny ankizy hanao tetiandro tsotra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hanamarihana ny hoe impiry izy ireo no mamaky ny soratra masina. Ireny tetiandro ireny dia afaka mampahatsiahy azy ireo mba hamaky ny soratra masina isan’andro.
Mila fijoroana ho vavolombelona ahy manokana aho.
Ireo ankizy ampianarinao dia mila ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana raha toa ka tiana hihazona ny finoany ho matanjaka izy ireo rehefa tonga ny fahoriana. Inona no azaonao atao mba hanentanana azy ireo hianatra manokana ny fahamarinana?
Asa atao azo tanterahina
-
Zarao ny tantaran’ireo virijiny folo (jereo ny Matio 25:1–13; jereo ihany koa ny “Toko 47: Ireo virjiny folo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 118–20). Anontanio ireo ankizy hoe: ahoana no fomba itovian’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fanala? Nahoana no zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona antsika manokana?
-
Ifanakalozy hevitra ny zavatra azontsika atao mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mba hahitana hevitra dia asao ny ankizy hizaha ny Jaona 7:17 sy ny Môrônia 10:3–5. Asao izy ireo mba hizara izay zavatra fantany fa marina.
-
Angataho ny ankizy mba hanampy anao hanoratra, eo amin’ny hazo voarafitra mba hanorenan-javatra, andian-teny izay mamariparitra ireo zavatra ataontsika mba hanorenana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, toy ny fanaovana vavaka. Avelao ny ankizy hanorina zavatra iray izay maneho ny fijoroana ho vavolombelona iray amin’ny fampiasana ireo hazo voarafitra ireo.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hianatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano? Ohatra, azonao atao ny mamporisika ny ankizy hanao tsianjery ny iray amin’ireo soratra masina nifanakalozanareo hevitra tao an-dakilasy (mety hanampy ny fizarazarana ny soratra masina ho andian-teny fohifohy) ary hizara izany amin’ny fianakavian’izy ireo.