Avia, hanaraka Ahy
7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-


“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Maria sy i Elizabeta

7–13 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 1 sy Lioka 1. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra enti-mampianatra. Raha mila fanampiana fanampiny ianao eo amin’ny fampianarana ny ankizy kely, dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny mpianatra mba hipetraka hiendrika faribolana, dia angataho ny ankizy iray mba hizara zavatra izay nianarany avy amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity na tamin’ny foana iray hafa. Izany ankizy izany dia afaka manakodia baolina mankany amin’ny ankizy iray hafa na manondro amin’ny tanana ankizy iray hafa izay hizara indray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38

Nanambara ny fahaterahan’i Jesoa ireo anjely.

I Maria sy i Josefa dia samy novangin’ny anjely iray izay nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Ireo zavatra niseho ireo dia afaka manampy ny ankizy hahita ny maha-zava-dehibe ny fahaterahan’i Kristy.

Asa atao azo tanterahina

Lioka 1:5–20, 57–63

Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mety tena nivavaka nandritra ny taona maro mba hanan-janaka i Zakaria sy i Elizabeta. Novalin’ny Ray any An-danitra tamin’ny farany ny vavaka nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandefasany zanakalahy iray ho azy ireo dia i Jaona Mpanao Batisa izany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ity tantara ity mba hampianarana ny ankizy fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantara hita ao amin’ny Lioka 1:5–20, 57–63. Azonao atao ny mamerimberina kely izany tantara izany. Manendre ankizy mba hilalao an’ilay anjely sy i Zakaria ary i Elizabeta, dia asaivo lalaovin’izy ireo izany tantara izany. Hamafiso fa namaly ny vavaka nataon’i Elizabeta sy i Zakaria ny Ray any an-danitra ary mizarà zavatra niainana iray izay namalin’ny Ray any an-danitra ny vavaka nataonao.

  • Ampiasao ny “Le front baissé,” Chants pour les enfants, 18, na hira iray hafa mba hampianarana ny ankizy ny fomba fivavaka. Afaka miara-mihira ny “La prière d’un enfant,” Chants pour les enfants, 6, koa ianareo. Isaky ny mihira ny teny hoe “prier” ny ankizy dia asao izy ireo mba hanondrika ny lohany sy hampifanaingina ny tanany.

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hanao fihetsika izay mampiseho ilay zavatra angatahiny amin’ny alalan’ny vavaka. Avelao ny ankizy ambiny hamantatra ny dikan’ny fihetsika ataony. Afaka mahita hevitra ao anatin’ity pejin’ny asa ho an’ity herinandro ity ianao.

Lioka 1:31–35

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Zanakalahin’ny Ray any An-danitra sy i Maria i Jesoa Kristy. Inona no zavatra azonareo atao mba hanampiana ny ankizy hahafantatra bebe kokoa Azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Teneno ny ankizy fa nilaza tamin’i Maria ilay anjely hoe Zanak’ Andriamanitra no hiantsoana ilay zanany (jereo ny Lioka 1:35). Ampio ny ankizy hamerina ilay andian-teny hoe i “Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra.” Ampio ny ankizy hahatakatra hoe iza ny ray aman-drenin’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba hanao ny sarin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Rehefa eo am-panaovana izany izy ireo dia lazao azy ireo fa i Jesoa dia nanana ray aman-dreny koa, dia i Maria sy ny Ray any an-danitra. Ankoatra izany dia nangatahina i Josefa mba hiaro sy hikarakara an’i Jesoa fony Izy niaina teto an-tany.

  • Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona hoe, satria Zanak’ Andriamanitra i Jesoa dia afaka namoy ny ainy ho an’ny fahotantsika Izy ary velona indray avy eo. Asehoy ny sarin’ny Fanomboana an’i Jesoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5759).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 1:18–25; Lioka 1:5–37

Tsy misy zavatra tsy azo tanterahina izany miaraka amin’ Andriamanitra.

Tsy tanteraka raha tsy tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ny fahaterahan’i Jesoa sy i Jaona Mpanao Batisa. Ny fahafantarana ireo fahagagana ireo dia afaka mampatanjaka ny finoan’ny ankizy fa Andriamanitra dia manana hery hanatanterahana fahagagana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamerina mamaky ny Matio 1:18–25 sy Lioka 1:5–37 ianao, dia apetraho amin’ny ankizy ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no ho nolazainao raha toa ka i Maria ianao?” na “Inona no ho tsapanao raha toa ka i Zakaria ianao?”

  • Tantarao amin’ny alalan’ny teny tsotra ny fahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa Kristy. Asaivo mananga-tanana ireo ankizy rehefa maheno zavatra izay toa tsy azo tanterahina raha tsy miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra izy ireo. Inona ireo tantara hafa izay azon’ny ankizy zaraina ka nahitana ny fanaovan’ Andriamanitra zavatra izay toa tsy azo tanterahina?

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Lioka 1:37. Mba hanaovana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay andinin-tsoratra masina ary asao ny ankizy mba hamerimberina hitanisa izany. Isaky ny mamerina dia fafao ny teny iray.

Matio 1:21–25; Lioka 1:30–35, 46–47

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Zanakalahin’ny Ray any An-danitra sy i Maria i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra io fahamarinana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hamaky ny Lioka 1:30–35, rehefa hitady ny valin’ireto fanontaniana ireto: “Iza no renin’i Jesoa?” ary “Iza no Rain’i Jesoa?” Ampio izy ireo hahatakatra fa i Jesoa Kristy no hany olona izay nanana ny Ray any an-danitra ho rainy mivantana (jereo koa ny 1 Nefia 11:18–21).

  • Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia asao ny ankizy hitady ireo anarana niantsoana an’i Jesoa Kristy na ny anaram-boninahitra nomena Azy. Inona no dikan’ireo anarana ireo ary inona no ampianarin’ireo antsika mikasika an’i Jesoa?

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary asao ny ankizy hizara ny azy.

Sary
I Gabriela niseho tamin’i Maria

Ilay Filazana, nataon’i John Scott

Lioka 1:5-25, 57-80

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mamaly vavaka Andriamanitra fa tsy araka ny fomba mety antenaintsika azy foana. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Zakaria sy i Elizabeta mba hampianarana ny ankizy io fahamarinana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy izay holazainy amin’ny olona iray nivavaka mba hahazo fitahiana iray nefa mbola tsy nahazo izany. Asao izy ireo mba hieritreritra mikasika io fanontaniana io rehefa miara-mamaky ny Lioka 1:5–25, 57–80. (Jereo koa ny “Toko 1: I Elizabeta sy i Zakaria” ary ny “Toko 3: I Jaona Mpanao Batisa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 6-7,10.) Inona no mety holazain’i Zakaria sy i Elizabeta amin’ny olona izay nahatsapa fa tsy voavaly ny vavaka nataon’izy ireo?

  • Manasà ankizy maromaro mialoha mba hizara zavatra niainana rehefa novalin’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo. Mizarà fotoana iray izay nahatsapanao fa novalina tamin’ny fomba tsy nampoizina ny vavaka nataonao.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ny fotoana iray izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka iray, indrindra ny iray tamin’ny vavaka nataon’izy ireo. Avelao izy ireo mba hizara ny sariny amin’ny iray kilasy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny sary nataon’izy ireo, dia hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviany mba hizara mikasika ny fotoana namalian’ Andriamanitra ny vavaka nataon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andinin-tsoratra masina iray na amin’ny andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno izany teny na andian-teny izany izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Sary
pejin’ny asa atao: Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra

Hamoaka printy