Avia, hanaraka Ahy
22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-


“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“22–28 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

ilay Samaritana tsara fanahy

Ilay Samaritana tsara fanahy, nataon’i Dan Burr

22–28 aprily.

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny Matio 18 sy Lioka 10 izay ilain’ny ankizy fantarina? Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mamaky ireo toko ireo ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra fotopampianarana ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra momba ny fomba hampianarana ireo fahamarinana ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny fomba nankalazany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tamin’ny Paska.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 18:21–35

Tokony hamela ny hafa aho.

Rehefa mamaky ny Matio 18:21–35 ianao dia diniho ireo zavatra niainanao mahakasika ny famelana sy ny zavatra ilain’ny ankizy fantarina momba izany fitsipika izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Matio 18:21, dia asao ny ankizy mba hilaza impito hoe “mamela anao aho.” Anontanio hoe: “Moa ve ampy ny mamela impito?” Vakio ny andininy 22 ary hazavao fa tian’i Jesoa isika mba hisafidy foana ny hamela.

  • Tantarao ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo (jereo ny Matio 18:23–35). Raha ilaina dia hazavao rehefa manao zavatra mifono haratsiam-panahy amintsika ny olona iray dia tena mety hahatsapa ho tezitra sy malahelo isika amin’ny voalohany. Kanefa ny famelana dia midika fa afaka ny hahatsapa fiadanana indray isika. (Mety misy manosika anao hanampy ny ankizy hahatakatra fa raha misy olona manafintohina azy ireo dia tokony hilaza izany amin’ny ray aman-dreniny izy ireo na amin’ny olon-dehibe azo itokisana iray hafa.)

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Mamela anao aho dia lazao ny ankizy fa ireo teny ireo dia afaka manampy mba hanovana ireo fotoana mampalahelo ho fotoana feno fifaliana. Manaova sarina tarehy malahelo eo amin’ny solaitrabe, dia mizarà ohatra vitsivitsy mikasika ny ankizy izay nifamela. Isaky ny vita ny ohatra iray dia asao ny ankizy iray mba hanova ilay endrika malahelo amin’ny endrika faly iray.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Aide-moi, Père,” Chants pour les enfants, 52. Angataho izy ireo mba hitsangana rehefa maheno ny teny hoe aide. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika hamela ny hafa ny Ray any an-danitra.

Lioka 10:25–37

Nampianatra ahy i Jesoa mba hijery ny olona rehetra ho toy ny namako ary hitia azy ireo.

Ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy dia tantara mendrika ny ho tsaroana izay afaka mampiseho ny ankizy hoe iza no namantsika. Mieritrereta fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy “[handeha, mba hanao] … toy izany koa” (Lioka 10:37).

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy tsirairay hoe “Iza no namany?” Hazavao fa i Jesoa dia nampianatra fa izay olona mila ny fanampiantsika dia namantsika koa ary na dia tsy mipetraka eo akaikintsika aza izy dia tokony horaisintsika toy ny olona tiantsika.

  • Vakio ny Lioka 10:25–37 rehefa milalao an-tsehatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny ankizy, sy mifandimby milalao anjara samihafa. Isaky ny vita ny fampisehoana anankiray dia angataho izy ireo mba hizara ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ilay Samaritana tsara fanahy.

  • Manorata karazana toe-javatra vitsivitsy izay ahitana olona mila fanampiana, ary afeno manerana ny efitrano ireo taratasy ireo. Angataho ny ankizy mba hitady ireo taratasy ireo ary hanazava ny fomba ahafahan’izy ireo mampiseho hatsaram-panahy amin’ilay olona anatin’ilay toe-javatra.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Aimez chacun” sy “Soyons gentils,” Chants pour les enfants, 39, 83. Zarao tsiroaroa ny mpianatra ka asao ny ekipa tsirairay mba hieritreritra fomba vitsivitsy ahafahan’izy ireo mampiseho fitiavana na hatsaram-panahy amin’ny hafa. Angataho ny ekipa tsirairay mba hizara ny eritreriny amin’ny mpianatra.

  • Asao ny ankizy mba hanoratra eo amin’ny tapa-taratasy kely ireo fomba ahafahan’izy ireo mampiseho fitiavana ny hafa. Manamboara rojon-taratasy amin’ny alalan’ireo tapa-taratasy kely ireo dia asao ny ankizy mba hanantona izany rojon-taratasy izany any an-tranony, any amin’izay toerana ahafahan’izany mampahatsiahy azy ireo mba ho tsara fanahy.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 18:21–35

Hamela ahy ny Ray any an-danitra rehefa mamela ny hafa aho.

Rehefa mihalehibe ny ankizy dia mety hihasarotra ny mamela. Ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo dia afaka ny ho fomba mendrika ho tsaroana mba hampianarana azy ireo fa tian’ny Raintsika any an-danitra isika mba hamela ny rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Matio 18:23–35; dia hazavao fa ilay hoe tompo na mpanjaka dia maneho ny Ray any an-danitra ary ilay hoe mpanompo dia maneho antsika ary ilay hoe mpanompo namana dia maneho ireo izay manafintohina antsika. Anontanio ny ankizy hoe “Oviana ianareo no nahita fa sarotra ny mamela olona? Ahoana ny fomba nanesoranareo ireo fahatsapana ho voaratra ireo? Oviana no nila nahazo famelana noho ny safidy ratsy nataonareo ianareo?”

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanaovana kajy ny 70 × 7, dia ampio ny ankizy hahita ny valiny. Mangataha olona iray mba hamaky ny Matio 18:21–22, ary hazavao fa i Jesoa dia nampiasa io tarehimarika io mba hampianarana antsika hoe tokony hamela foana isika.

  • Omeo tapa-taratasy iray ny ankizy rehetra, dia asao izy ireo mba hanao sarina ankizy iray izay ratsy fanahy amin’ny ankizy iray hafa. Dia asaivo mifanakalo taratasy amin’ny olona eo akaikiny izy ireo, dia manao sary ao ambadik’ilay taratasy vaovao ny fomba ahafahan’izy ireo maneho famelana ny hafa.

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hieritreritra toe-javatra vitsivitsy izay mety ilan’ny olona iray mamela olona iray hafa. Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo maneho famelana ao anatin’ireo toe-javatra ireo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Aide-moi, Père,” Chants pour les enfants, 52. Ampio ny ankizy mba hahatakatra ny andalana tsirairain’ilay hira sy ny zavatra ampianarin’izany antsika mikasika ny famelana ny hafa.

Lioka 10:30–37

Afaka mitia sy manompo ny hafa aho, indrindra ireo izay sahirana.

Saintsaino ny fotoana teo amin’ny fiainanao manokana izay nisian’ny olona iray nanao toy ilay “Samaritana tsara fanahy” taminao. Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy ho toy ilay “Samaritana tsara fanahy” amin’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo ampahany amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny ankizy mba hataony sary. Asao izy ireo mba hametraka ireo sary araka ny filaharany, dia hampiasa azy ireo mba hitantarana ilay tantara.

  • Hazavao amin’ny ankizy fa tena tsy tian’ny Jiosy ny Samaritana ka rehefa manao dia miala any Jerosalema mankany Galilia izy ireo dia manodidina any ivelan’i Samaria mba hisorohana ny fifanenana amin’ny Samaritana . Nahoana no nampiasain’i Jesoa ny Samaritana iray mba ho ohatra amin’ny fanehoana hatsaram-panahy ao anatin’ity fanoharana ity? Inona no ampianarin’io tantara io antsika mikasika ny fanampiana ny hafa izay sahirana? (Jereo koa ny Môsià 4:16–22.)

  • Angataho ny ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nahitana olona iray nanao toy ilay Samaritana tsara fanahy tamin’izy ireo.

  • Asaivo mametraka tanjona mba ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy ny ankizy amin’ity herinandro ity. Ohatra, moa ve izy ireo mahafantatra olona izay marary na irery? na olona mahalana vao miangona? Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahany manampy izany olona izany.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny tanjon’izy ireo ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy mba hirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa afaka mianatra manana fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ny ankizy dia hanampy azy ireo hamantatra sy hanaraka ny Fanahy izany. Ny ankizy dia afaka mirakitra ireo zavatra tsapa amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na fanaovana sary, na manoratra zavatra tsotra ao anatin’ny diary.

pejin’ny asa atao: Mampiseho ny fitiavako aho