Avia, hanaraka Ahy
22–28 jona. Almà 17–22: “Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”


“22–28 jona. Almà 17-22: -Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“22–28 jona. Almà 17-22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

i Amôna niresaka tamin’ny Mpanjaka Lamônia

I Amôna sy ny Mpanjaka Lamônia, nataon’i Scott M. Snow

22–28 jona

Almà 17–22

“Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”

Mialoha ny hanampianao ny hafa hahita fahamarinana ao amin’ny soratra masina dia mila mahita ireo fahamarinana amin’ny tenanao manokana ianao. Vakio ny Almà 17–22 ka ataovy ao an-tsaina ireo olona ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ho an’ny olona ao amin’ny kilasy hizara zavatra iray nianaran’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, dia asao izy ireo mba hisafidy olona iray izay voafariparitra ao amin’ny Almà 17–22 ary hameno fehezan-teny iray toy izao manaraka izao: “I Abisa dia nampianatra ahy ” na “I Lamônia dia nampianatra ahy .”

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 17:1–4

Ampatanjahana ny finoantsika rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hahafantatra ny fahamarinana isika.

  • Mety efa naheno im-betsaka ny maha-zava-dehibe ireo fahazarana tsotran’ny filazantsara ireo olona ao amin’ny kilasy. Ny Almà 17:1–4 dia afaka manampy azy ireo hahita ny vokatra mahery vaikan’ireo fahazarana ireo eo amin’ny fiainantsika. Azonao atao ny mangataka ny antsasaky ny kilasy hizaha ireo andininy ireo mba hitadiavana izay nataon’ireo zanakalahin’i Môsia ary ny antsasany hafa mba hizaha ireo vokatry ny zavatra nataony. Inona no vokatry ny fanaovana ireo zavatra ireo eo amin’ny fiainantsika?

  • Mba hifanakalozana hevitra lalina kokoa momba ny sasany amin’ireo fahazarana izay nampatanjaka ireo zanakalahin’i Môsià, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny Fizahana ny soratra masina, Fivavahana , ary Fifadian-kanina. Dia afaka mitady ireo soratra masina izay mampianatra momba ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina, vavaka, ary fifadian-kanina ireo olona ao amin’ny kilasy (ny Lisitr’ireo lohahevitra nalahatra manaraka ny abidia na ny Torolalana ho an’ny soratra masina dia afaka manampy). Afaka manoratra eny amin’ny solaitrabe izay zavatra hitany izy ireo ary mifampizara ireo hevitra hafa mikasika ny fomba hanatsarana ny fandalinany ny soratra masina, ny vavaka, ary ny fifadian-kanina ataony amin’ny fomba izay mampanatona azy ireo ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Almà 17–18

Afaka manampy ny hafa hiomana handray ny filazantsara ny fitiavantsika.

  • Misy fomba maro hizarana ny filazantsara, ary izy rehetra dia mahomby kokoa rehefa ny fitiavana no mandrisika. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy fantarina ireo andininy ao amin’ny Almà 17–18 izay mampiseho fa nandrisika an’i Amôna hizara ny filazantsara ny fitiavana. Inona ihany koa ireo fahamarinana hafa mikasika ny fizarana ny filazantsara izay ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehony? Mety ho afaka hizara ny zavatra niainan’izy ireo ny olona ao amin’ny kilasy ka nampalefaka ny fon’ny olona iray ny fitiavana marina ary namela io olona io handray mora kokoa ny hafatry ny filazantsara. Ilay teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka ihany koa hanampy ny mpikambana hahatakatra ny maha-manan-danja ny fahazoana antoka fa miorina eo amin’ny fitiavana ny ezaka ataontsika.

i Amôna namonjy ny ondrin’ny mpanjaka

Namonjy ny ondrin’ny mpanjaka i Amôna,nataon’i Minerva K. Teichert

Almà 18–22

Afaka mitarika amin’ny fiovam-po ny fampianarana sy fianarana ireo fahamarinan’ny filazantsara amim-pahombiazana.

  • Raha vantany vao nahazo ny fitokisan’ny mpanjaka Lamônia sy ny rainy i Amôna sy Aharôna, dia afaka nanampy azy ireo hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara manan-danja izy ireo. Mety hanampy raha toa ireo olona ao amin’ny kilasy ka manao lisitra iray ahitana ireo fahamarinana nampianarin’i Amôna an’i Lamônia (jereo ny Almà 18:24–39) ary mampitaha izany amin’ny lisitra iray misy ireo fahamarinana nampianarin’i Aharôna ny rain’i Lamônia (jereo ny Almà 22:1–16). Ny antsasaky ny kilasy dia afaka miasa amin’ilay lisitra iray raha miasa amin’ilay lisitra iray hafa ny antsasany hafa. Nahoana no nitondra an’i Lamônia sy ny rainy hino sy hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Zanakalahiny ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo?

  • Ny tantaran’i Aharôna sy Amôna mampianatra ny mpanjaka Lamônia sy ny rainy dia manome fahafahana lehibe mba hifampiresahana momba ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara amin’ny fomba mahomby. Inona no fitsipika momba ny fampianarana izay tsikaritry ny olona ao an-dakilasy? (jereo ohatra ny Almà 18:24–28 sy ny Almà 22:7–13). Inona ireo fitsipiky ny fianarana hitan’izy ireo ao amin’ny ohatry ny Mpanjaka Lamônia sy ny rainy? (Jereo ohatra ny Almà 18:25–31; 22:17–18).

  • Mba hianarana momba ny fomba fiantraikan’ny fotopampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika, ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizaha ny Almà 18:40–41; 20:1–15; ary ny Almà 22:15–18, 25–27 mba hahitana ny fahatsapana sy fihetsiky ny Mpanjaka Lamônia sy ny rainy rehefa avy nahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izy ireo ka niova fo. Ahoana no fomba hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika mba hanatona an’i Kristy? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika sy ireo olon-tiantsika mba hahatakatra sy hiaina ireo fahamarinana ireo?

Almà 19–22

Afaka mitaona ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

  • Mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Almà 19–22, ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety nandinika ny vokatra lavitra mety hananan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray eo amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Inona no soso-kevitra atolotr’ireo tantara ao amin’ny Almà 19–22 mikasika ny ezaka ataontsika manokana mba hizara ny filazantsara? Ny tantaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manamafy io hevitra io.

  • Inona ireo fanoharana tsara sasany izay azonao zaraina mba hanehoana izay mety hitranga rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa isika? Ohatra azo raisina amin’izany ny vatokely mahatonga onja ao anaty farihy na ny lalovay mahatonga ny mofo hitombo. Rehefa avy namerina nijery ireo ohatra sasany amin’ny olona nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany tao amin’ny Almà 19–22, ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara ny fomba fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa teo amin’izy ireo.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Anontanio ny olona ao amin’ny kilasy raha toa ka efa nanontany tena izy ireo ny amin’ny fomba hihazonana ny fiovam-po ho mafy orina sy maharitra. Ao amin’ny Almà 23–29, dia hamaky momba ny andian’olona izay nanaiky ny filazantsara sy “tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6) izy ireo.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Avy amin’ny fitiavana no hizarao ny filazantsara.

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nizara lesona sarobidy nianarany avy tamin’ny zavatra niainany fony izy zatovolahy:

“Nasaina aho hitsidika mpikambana malaindaina iray, olona za-draharaha nahomby izay zokiko an-taonany maro. Raha mandinika ny zavatra nataoko aho dia fantatro fa zara raha nanana fitiavana kely ho an’ilay lehilahy notsidihako aho. Nanao asa noho ny adidy aho, niaraka tamin’ny faniriana hanao tatitra 100 isan-jato amin’ny famangiako isan-tokantrano. Indray alina, rehefa akaiky ho faran’ny volana, dia niantso aho, nangataka raha toa ka afaka mandalo izaho sy ny mpiara-manompo amiko ka hamangy azy. Nampianatra ahy lesona iray tsy ho adino ny valinteny nibedy nataony.

“-Tsia, tsy mila anareo mandalo aho anio hariva,- hoy izy. -Reraka aho. Efa niakanjo mba handeha hatory aho. Mamaky boky aho izao, ary tsy te ho voaelingelina mba hahafahanareo manao tatitra 100 isan-jato amin’ny famangianareo isan-tokantrano amin’ity volana ity.- Mbola manindrona ahy io valinteny io satria fantatro fa tsapany ny fitiavan-tena nandrisika ahy.

“Manantena aho fa tsy hisy olona atonintsika miaraka amin’ny fanasana mba hihaino ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny fa hahatsapa fa manao asa noho ny antony hafa ankoatra ny tena fitiavana azy ireo sy ny faniriana tsy arahim-pitiavan-tena mba hizara zavatra izay fantatsika fa sarobidy” (“Sharing the Gospel,” Ensign, nôv. 2001, 8).

Matetika ny fitaomantsika no tsy misy mpahalala.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nitantara tantara iray izay nanaovan’ny misiônera iray tatitra tamin’ny filohan’ny misiônany tany amin’ny fiafaran’ny asa fanompoany. Hoy ilay misiônera:

“Tsy nahita vokatra tamin’ny asako aho. Nandany ny fotoanako sy ny volan’ny raiko aho. Fandaniam-potoana izany. … Olona iray monja no nataoko batisa nandritra ny roa taona naha-teto ahy. Zazalahy roa ambin’ny folo taona tany anebakebak’i Tennessee tany io.”

Nanapa-kevitra ny hanara-maso ilay zazalahy nataon’ilay misiônera batisa ilay filohan’ny misiôna. Nihalehibe izy, nanambady ary nifindra tany Idaho. Nandeha nanao asa fitoriana ny zanany, ary nandeha nanao asa fitoriana ny zanak’izy ireo. Nanao dia nankany Idaho ilay filohan’ny misiôna ary nanontany ireo olona tao amin’izany fianakaviana izany mikasika ny asa fitorian’izy ireo. Nilaza izy taty aoriana hoe: “Hitako fa, vokatry ny batisan’io zazalahy kely io tany anebakebak’i Tennessee izay nataon’ny misiônera iray nihevitra ho tsy nahomby, dia olona mihoatra ny 1.100 no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 360–61).

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana mba hizaran’ny olona ao amin’ny kilasy zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy mba hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana. … Manokàna fotoana ahafahan’ny mpianatra mizara ao anatin’ny lesona rehetra—ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety ho hitanao fa ireny fifanakalozan-kevitra ireny no lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30).