Avia, hanaraka Ahy
29 jona–5 jolay. Almà 23–29: “Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo


“29 jona–5 jolay. Almà 23–29: -Tsy nihemotra na oviana na oviana [izy ireo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“29 jona–5 jolay. Almà 23–29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny sabatr’izy ireo

Ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny sabatr’izy ireo, nataon’i Jody Livingston

29 jona–5 jolay

Almà 23–29

“Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo

Rehefa mamaky ny Almà 23–29 ianao dia tsarovy fa mba hanampiana ny hafa hianatra ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo dia mila manana zavatra niainana amin’ireo fahamarinana ireo ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireo andininy izay nanaitra azy ireo nandritra ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana. Mandania minitra vitsy hanasana olona maromaro hifanakalo hevitra momba ny fahamarinana iray izay nianarany avy amin’ireo andininy izay nosoratany.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 23–25; 27

Manova ny fiainantsika ny fiovampontsika amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miezaka avokoa isika rehetra mba hampahalalina kokoa ny fiovampontsika. Mety hampahery ireo izay ampianarinao angamba ny tantaran’ireo Antia-Nefia-Lehia eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanao izany. Azonao atomboka amin’ny fanoratana fanontaniana toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Inona no dikan’ny hoe niova fo? na Karazana fiovana inona no mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona rehefa miova fo izy ireo? Afaka mijery valiny ato amin’ireto andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra: Almà 23:6–7, 17–18; 24:17–19; 25:15–16; ary 27:26–30. Afaka mizara hevitra avy amin’ny andininy hafa novakian’izy ireo tao amin’ny Almà 23–25 sy 27 ihany koa izy ireo. Mety hahita valiny hanampy azy ireo ihany koa ny mpianatra ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar “Miova fo ho an’ny Tompo” (Liahona, nôv. 2012, 106–9; jereo ihany koa ny ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Inona no fiovana nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia vokatry ny fiovampon’izy ireo? Amin’ny fomba ahoana ny ohatra nasehon’izy ireo no manainga antsika hanamafy orina kokoa ny fiovampontsika ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Ahoana no hamporisihanao ireo mpianatra mba hamela izay fombafomba tsy marina fanaony ary handevina ny fiadian’ny fikomiany, tahaka ireo Antia-Nefia-Lehia? Avereno jerena miaraka ny Almà 23:5–7. Inona avy ireo fombafomba tsara sasany izay hanampian’ny filazantsara antsika ny hampihatra azy? Mety ho midika inona ireo “fiadian’ny fikomian[’ireo lamanita]” amin’izao andro izao? Ahoana no fomba hahafahantsika “[mandevina izany] lalina [ao] anaty tany”? (Almà 24:17). Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fombafomba tsy marina na fiadian’ny fikomiana izay ilain’izy ireo avela mba hahafahan’izy ireo miaina tanteraka kokoa ny filazantsara.

Almà 24:7–16

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka isika raha toa ka mibebaka.

  • Raha mahatsapa ho voataona hanao fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana momba ny fibebahana ianao dia ohatra manentana ny fanahy azo ampiasaina ny tantaran’ireo Antia-Nefia-Lehia ao amin’ny Almà 24. Azonao omena andininy iray avy ao amin’ny Almà 24:7–16 ny mpianatra tsirairay mba hovakiana ary angataho izy ireo mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe zavatra iray izay ianarany avy amin’ny andininy nomena azy ireo momba ny fibebahana. Dia afaka mikaroka ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto izy ireo avy eo hitadiavana hevitra fanampiny momba ny fibebahana: Isaia 53:5–6; 2 Nefia 2:6–8; ary Môzià 5:2.

Almà 24:13–15; 2629

Mitondra fifaliana ny filazantsara.

  • Ao amin’ny Almà 23–29 ny teny hoe “fifaliana” dia miseho in-24, ka mahatonga ireo toko ireo ho toerana tsara hianarana ny fomba itondran’ny fiainana ny filazantsara, sy ny fizarana izany, fifaliana. Azonao zaraina ho vondrona maromaro ny mpianatra ary asaina hijery ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto ny vondrona tsirairay sady hitady ny antony nampiravoravo an’i Amôna, zanak’i Môzià, sy i Almà: Almà 24:13–15; 26:12–22; ary 29:1–17. Azon’ireo mpianatra atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba hitondran’ny filazantsara fifaliana ho antsika?

  • Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82). Angamba afaka mizara zavatra niainana izay nanampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Nelsona ireo mpianatra.

  • Nahita fifaliana lehibe i Almà sy i Amôna tao amin’ny fizarana ny filazantsara. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hitady andininy avy ao amin’ny Almà 26 sy 29 izay afaka mitaona ny fanahin’ny zatovo iray hanao asa fitoriana, na hitaona ny fanahin’ny olona hizara ny filazantsara amin’ny hafa. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hanao drafitra ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba hizarana ny filazantsara. Asao izy ireo mba hanao zavatra araka ny drafiny, ary any amin’ny fotoam-pianarana any aoriana dia azonao amporisihina izy ireo hiresaka momba ny ezaka nataon’izy ireo.

  • Rehefa nanampy ny hafa hibebaka i Almà dia nampahatsiahy azy ny hatsaran’ Andriamanitra izany (jereo ny Almà 29:10–13). Angamba azonao omena fotoana fohy ireo mpianatra mba handalina ireo andininy ireo ary hitanisa ny zavatra tsaroan’i Almà. Inona no mampahatsiahy antsika ny fahatsaran’ Andriamanitra? Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fahatsaran’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika?

Almà 26–27

Afaka ny ho fitaovana eo an-tànan’ Andriamanitra isika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hikaroka ny dikan’ny hoe “fitaovana [eo] an-tànan’ Andriamanitra” (Almà 26:3), dia azonao atao ny mampiseho fitaovana isan-karazany. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hitondra fitaovana vitsivitsy izay fampiasany. Inona no antony ilana ireo fitaovana ireo? Ahoana no maha-fitaovana antsika ao amin’ny asan’ Andriamanitra? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamantatra fomba naha-fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra an’i Amôna sy ireo mpiara-mitory taminy (jereo ohatra ny Almà 26:1–5, 11–12). Inona no hevi-baovao azontsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 momba ny maha-fitaovana eo an-tànan’ Andriamanitra? Afaka mizara zavatra niainana izay nahatsapany fifaliana avy tamin’ny naha-fitaovana azy ireo teo an-tànan’ Andriamanitra ihany koa ireo mpianatra.

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Maro amin’ireo hevitra diso izay mitarika ny zanak’ Andriamanitra hania amin’izao andro izao no nisy tamin’ny andron’i Almà koa. Lazao ireo mpianatra fa ao amin’ny Almà 30–31 izy ireo dia hahita ny fomba namalian’i Almà sy ny hafa an’ireo fampianaran-diso ireo.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Miova fo ho an’ny Tompo.

Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe:

“Ny toetra fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitaky fiovana fototra sy maharitra amin’ny toetrantsika ifotony, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fiovam-po tena marina dia mitondra fiovana eo amin’ny finoanao, sy ny fonao, ary ny fiainanao mba hanekenao sy hankatoavanao ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:19; 3 Nefia 9:20) ary mitaky fanoloran-tena avy amin’ny fo mba ho tonga mpanara-dia an’ i Kristy.

Rehefa avy nilaza ny Almà 23:6–8 ny Loholona Bednar dia nanazava hoe:

Zavatra roa lehibe no faritana ao amin’ ireo andininy ireo: (1) ny fahalalana ny marina, izay azo adika hoe fijoroana ho vavolombelona, ary (2) miova fo ho an’ny Tompo, izay araka ny fahatakarako azy, dia fiovam-po ho an’ny Tompo sy amin’ny filazantsarany. Araka izany, ilay fiarahana mahery vaika nisy teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po ho an’ny Tompo no naha mafy orina sy nampifahatra tsara ary nitondra fiarovana ara-panahy.

Tsy nihemotra mihitsy izy ireo ary napetrany -ny fiadian’ny fikomiany, ary tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy ireo.- Mitaky bebe kokoa mihoatra ny finoana sy ny fahalalana fotsiny ny fametrahana ireo -fiadian’ny fikomiana- izay ankamamiantsika, toy ny fitiavan-tena, ny avonavona, ary ny tsy fankatoavana. Ny fananana finoana matanjaka, ny fanetrentena, ny fibebahana, ary ny fankatoavana dia mandeha alohan’ny fametrahantsika ny fiadian’ny fikomiantsika. Moa ve izaho sy ianao mbola manana fiadian’ny fikomiana izay manakana antsika tsy hiova fo ho an’ny Tompo? Raha izany, dia mila mibebaka isika izao ankehitriny izao.

“Tadidio fa tsy niova fo ho an’ ireo misionera nampianatra azy ireo ny Lamanita na tamin’ny fandaharana tsara dia tsara ao am-piangonana. Tsy niova fo noho ny lazan’ireo mpitarika azy izy ireo na mba hiarovana kolon-tsaina nentim-paharazana na ny fomban’ireo razany. Fa niova fo ho an’ny Tompo—ho Azy ilay Mpamonjy sy ho an’ny maha-Andriamanitra Azy ary ho amin’ny fotopampianarany—ary tsy nihemotra na oviana na oviana” (“Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 107–9).

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha fitarihana avy amin’ireo mpitarika anao. “Te hanampy anao hahomby ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny. Mangataha torohevitra avy amin’izy ireo rehefa miezaka ny hivoatra ianao amin’ny maha-mpampianatra anao ary rehefa misaintsaina ny zavatra ilain’ireo izay ampianarinao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).