Avia, hanaraka Ahy
13–19 jolay. Almà 32–35: “[Volenareo] izany teny izany ao am-ponareo”


“3–19 jolay. Almà 32–35: -[Volenareo] izany teny izany ao am-ponareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“3–19 jolay. Almà 32–35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020

voa ao an-tànan’ny ankizy

13–19 jolay

Almà 32–35

“[Volenareo] izany teny izany ao am-ponareo”

Na impiry na impiry ianao no efa namaky ny Almà 32–35 dia vakio indray izany rehefa miomana hampianatra ianao. Henoy izay hevitra vaovao omen’ny Fanahy anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny famakiana ny Almà 32–35 tany an-trano dia azonao omena minitra vitsy izy ireo hamerina hijery ireo toko ireo ary hanoratra eny amin’ny solaitrabe izay foto-kevitra na lohahevitra tsikaritr’izy ireo. Ifanakalozy hevitra ao amin’ny kilasy ny antony maha-manan-danja ireo foto-kevtra na lohahevitra ireo.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 32:1–16

Afaka misafidy ny hanetry tena isika.

  • Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny fanetrentena araka ny ampianarina ao amin’ny Almà 32:1–16 dia azonao atomboka amin’ny fanasana ireo mpianatra hanonona zavatra iainana izay mety mampanetry tena olona (ny Almà 32:2–5 dia manome ohatra iray). Mety te hizara ny zavatra niainany tamin’ny fianarana hanetry tena ny mpianatra sasany. Amin’ny fomba ahoana ny hoe entina mietry (Almà 32:12) no fitahiana? Ny filazana momba ny fanetrentena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy hanamora ny fifanakalozan-kevitra. Azonao vakiana ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 na mihira fihirana momba ny fanetrentena toy ny “Oh! Sois humble” (Cantiques, no. 69), ao an-dakilasy.

Almà 32:17–43; 33

Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa mamboly sy mikarakara ny teniny ao am-pontsika.

  • Indraindray isika dia mieritreritra fa ny fitsaohana dia ireo zavatra ataontsika any amin’ny toerana manara-dalàna toy ny any am-piangonana fotsiny (jereo ny Almà 32:5, 9, 11), saingy ny famaritan’i Almà ny fitsaohana dia mivelatra bebe kokoa. Ohatra, nampianatra izy fa ny fampitomboana sy ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy dia endrika fitsaohana manan-danja izay azo atao ivelan’ny toerana manara-dalàna. Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra io fitsipika io dia azonao atao ny manao sarina voa na hazo eny amin’ny solaitrabe ary hifanakalo hevitra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Maneho inona ilay voa? (jereo ny Almà 32:28; 33:22–23). Ahoana no hambolentsika ilay voa, na ny fijoroana ho vavolobelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ao am-pontsika sy ny hamahanantsika izany? (jereo ny Almà 32:36–4333). Inona no zavatra niainana azontsika zaraina izay nahatonga ny ezaka nataontsika hanaraka ny Ray any An-danitra namokatra voa sarobidy? Amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’i Almà no miantraika amin’ny fomba fitsaohantsika ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ilay hoe “fanandramana” izay nofaritan’i Almà mba hanampiana ny Zôramita hitombo finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hianatra ihany koa ny fahamarinan’ireo fitsipika hafa ao amin’ny filazantsara. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanandraman’i Almà, dia afaka miresaka momba ny dikan’ny fanandramana ianao. Mety misy olona ao an-dakilasy izay efa nanao fanandramana taloha ary afaka manampy amin’ny fanazavana izany. Inona no tanjon’ny fanandramana? Inona no mampitovy ny fanandramana amin’izay anasan’i Almà mba hataon’ny vahoaka ao amin’ny Almà 32:26–36? Angamba afaka mizara fomba isan-karazany izay nanandramany ny tenin’ Andriamanitra izy ireo. Ahoana no nahafantaran’izy ireo fa “ny [tenin’ Andriamanitra] dia tsara”? (Almà 32:28).

  • Inona no mety holazain’i Almà ny olona iray izay te hahazo na hanamafy orina fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Mba hamakafakana io fanontaniana io dia azonao zaraina ho vondrona anankiroa ny mpianatra. Ny vondrona iray dia afaka mamaky ny Almà 32:26–36 mba hamaritra ny zavatra mety holazain’i Almà ny olona iray izay miezaka mandray fijoroana ho vavolombelona, ary ilay vondrona iray hafa dia afaka mamaky ny Almà 32:36–43 mba hamaritana ny zavatra mety holazainy ny olona iray izay nalemy fijoroana ho vavolombelona. Avy eo dia afaka mifandimby maneho an’i Almà ny olona iray ao anatin’ny vondrona tsirairay ary hilalao an-tsehatra ny fomba hanampiana olona iray hahazo na hanamafy orina fijoroana ho vavolombelona.

Almà 31:13–23; 33:2–11; 34:17–29

Afaka mitsaoka an’ Andriamanitra isika ao anatin’ny vavaka, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ary na aiza na aiza.

  • Azonao ampiana ireo mpianatra hampitaha ireo fampianaran’i Almà sy Amioleka momba ny vavaka sy ny fitsaohana amin’ireo hevitra dison’ny Zôramita. Afaka mamerina mijery ny Almà 31:13–23 ireo mpianatra ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra ninoan’ireo Zôramita momba ny vavaka sy ny fitsaohana. Dia afaka mijery fahamarinana ao amin’ny Almà 33:2–11 sy 34:17–29 izy ireo izay mifanohitra amin’ireo zavatra inoana ireo. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fomba azontsika hanatsarana ny vavaka ataontsika sy ny fitsaohantsika?

  • Afaka mamporisika ny fanaovana fifanakalozan-kevitra ianao amin’ny fanoratana ny hoe Iza? Inona? Rahoviana? Aiza? Nahoana? ary Amin’ny fomba ahoana? eny amin’ny solaitrabe. Afaka mikaroka ao amin’ny Almà 33:2–11 sy 34:17–29 ireo mpianatra mba hitady valin’ireo fanontaniana momba ny vavaka ireo. Ohatra, afaka mamaly fanontaniana toy izao manaraka izao izy ireo: Aiza isika no afaka mivavaka? Inona no azontsika angatahina amim-bavaka? Afaka mahita valiny ihany koa izy ireo ao amin’ny tonon’ny fihirana toy ny “Moa nivavaka?” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 96 na ny “Ah, douce est l’heure de prier” (Cantiques, no. 77). Ahoana no fomba hanatsarantsika ny fomba fivavatsika?

Almà 34:9–17

Ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy dia “ tsisy fetra sady mandrakizay.”

  • Nampiasa ny teny hoe “tsy misy fetra” sy “mandrakizay” i Amioleka mba hanoritana ny sorona nataon’i Jesoa Kristy mba hanonerana ny fahotantsika. Azonao asaina ireo mpianatra mba hitady ireo teny ireo ao amin’ny Almà 34:9–14 ary hikaroka ny dikan’izany ao amin’ny rakibolana. Amin’ny fomba ahoana ny sorona nataon’ny Mpamonjy no tsy misy fetra sady mandrakizay? (jereo ny Hebreo 10:10; 2 Nefia 9:21; Môzià 3:13). Araka ny Almà 34:15–17 dia inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahiana avy amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy? Inona no dikan’ny hoe “mampihatra ny finoanareo ho amin’ny fibebahana”? (Almà 34:17).

Almà 34:32–35

“Mba tsy hanemoranareo ny andron’ny fibebahanareo”

  • Ny fanoharana tahaka izao manaraka izao dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ireo loza avy amin’ny fanemorana ny fibebahantsika: asao izy ireo mba haka sary an-tsaina hoe nandray fanasana handray anjara amin’ny hetsika iray izay mila fiofanana sy fiomanana aman-taonany, toy ny fifaninanana olimpika na fampisehoana dihy sy rindran-kira (misafidiana zavatra manan-danja amin’ireo mpianatrao) izy ireo, saingy rahampitso io hetsika io no hotanterahina. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra hoe nahoana izy ireo no mety tsy hahomby amin’ilay hetsika na dia efa mandany ny andro androany izy ireo hiomanana? Amin’ny fomba ahoana io ohatra io no mifandray amin’ny fampitandreman’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:32–35? Nahoana no loza ny manemotra ireo ezaka ataontsika mba hibebaka sy hiova? Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana ho amin’ny mandrakizay (andininy 33) ary hanao drafitra mba hanao izany tsy misy hatak’andro.

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Almà 36–38 amin’ity herinandro ho avy ity dia hazavao fa i Almà dia “nalahelo noho ny heloky ny vahoakany,” noho izany dia navoriny ireo zanany ary nampianariny “momba ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Almà 35:15–16). Ireo toko maro manaraka ao amin’ny Almà dia manome tantara ny zavatra nahavoataona an’i Alma mba hampianariny ireo zanany.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Inona no dikan’ny hoe manetry tena?

“Ny hoe manetry tena dia ny fahatsapana amim-pankasitrahana ny fiankinanao amin’ny Tompo—mahatakatra fa mila ny fanohanany lalandava ianao. … Tsy mariky ny fahalemena, na henatra na tahotra izany. Fanehoana ny toerana misy ilay tena herinao izany” (Miorim-paka ao amin’ny finoana [2004], 86).

Nampianatra ny Loholona Quentin L Cook hoe: “Rehefa tena mandinika an’ Andriamanitra Ray sy i Kristy Ilay Zanany lahy, sy ny momba Azy ireo, ary ny zavatra vitan’ Izy ireo ho antsika isika dia fenoin’izany fanajana, fitalanjonana, fankasitrahana ary fanetrentena ao anatintsika. … Anisan’ny fanetrentena ihany koa ny fahaizana mankasitraka amin’ireo fitahiana maro ananantsika sy ny fanampian’ Andriamanitra. Ny fanetrentena dia tsy karazana zava-bita lehibe mivandravandra na koa fandresena olana goavana be. Izany dia mariky ny tanjaka ara-panahy. Izany dia ny fananana fahatokian-tena mangina fa afaka miantehitra amin’ny Tompo sy manompo Azy ary manatratra ny tanjony isan’andro isan’andro sy isan’ora isika.” (“Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2017, 52, 54).

Soratra masina momba ny finoana.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoka amin’ny soratra masina. Na dia misy loharano maro aza afaka mandrakotra fifanakalozan-kevitra dia tsarovy fa ny soratra masina no loharanon’ny fotopampianarana. Ampio ireo mpianatra mba hahita fahamarinana ao amin’ny soratra masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)