“3–9 aogôsitra. Almà 43–52: -Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“3–9 aogôsitra. Almà 43–52,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020
3–9 aogôsitra
Almà 43–52
“Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy”
Ankoatra ny fanaovana famerenana ireo asa atao aroso ato dia mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana eo am-pandalinanao ombam-bavaka ny Almà 43–52 ary eritrereto ny fomba hanampianao ny olona ao amin’ny kilasy hianatra ny fotopampianarana izay ampianarina.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Mba hanasana ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany avy tao amin’ny Almà 43–52 dia azonao anontaniana azy ireo ny fomba hamaliany ny olona iray izay manontany ny hoe: “Tsy hitako tsotra izao ny lanjan’ireo ady voasoritsoritra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainako.”
Ampianaro ny fotopampianarana
Ireo ady ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika momba ny ady ataontsika amin’ny ratsy.
-
Nandritra ny fandalinany samy irery na niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ity herinandro ity, ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety nisaintsaina na nandray an-tsoratra ny eritreriny momba ny niarovan’ireo Nefita ny tenan’izy ireo tamim-pahombiazana tamin’ny Lamanita ary ny nanafian’ny Lamanita an’ireo Nefita. Raha nanao izany tany an-tokantranony ireo olona ao amin’ny kilasy dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Na azonao omena fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hitady ireo hevitra ireo ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina toy ireo hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Rehefa mizara izay hitany ny olona ao amin’ny kilasy dia amporisiho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba hahafahantsika manaraka ny ohatr’ireo Nefita amin’ny fiarovana ny tenantsika amin’ny ratsy ary ny fomba hahafahantsika mamantatra ireo fanafihana ara-panahy ataon’i Satana amintsika.
Raha toa isika manana herim-po hiaro ny finoantsika dia afaka manentana ny hafa ho mahatoky.
-
Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy mba hanaraka ny ohatr’i Môrônia amin’ny fiarovana amin-kerim-po ny finoan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mamaky ny Almà 46:11–22 ary mamantatra ny zavatra nataon’i Môrônia sy nampianariny ka nanentana ny olony mba hahatoky bebe kokoa. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Ohatra nasehon’i Môrônia ireo zavatra ireo. Dia azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy avy eo hisaintsaina ireo zavatra nataon’i Môrônia ary handroso izay azontsika atao amin’izao fotoana izao mba hiarovana ny finoantsika. Azonao soratana eo ambanin’ny lohateny hoe Fiarovana ny filazantsara amin-kerim-po amin’izao fotoana izao ny hevi-baovaon’izy ireo. Fahamarinana sy soatoavina inona no nampianarin’ny mpaminanintsika tato ato fa tokony hampianarintsika sy harovantsika?
-
Ahoana no fomba hahafahanao manampy ireo olona ao amin’ny kilasy mba hampihatra eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny nataon’i Môrônia tamin’ny fanevan’ny fahafahana? Asao izy ireo hamaky ny Almà 46:11–22 ary hamantatra ireo fahamarinana izay nampianarin’i Môrônia ary nangatahiny mba ho tohanan’ny vahoakany. Inona avy ireo fahamarinana sy soatoavina antitranterin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao? (Azonao atao famerenana ny sasany amin’izany ao amin’ny Jeunes, soyez forts, “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” na hafatra farany avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.) Inona no olana ananantsika amin’ny fiarovana ny zavatra inoantsika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia? Omeo fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hamorona ny fanevan’ny fahafahana azy ireo manokana izay afaka mampahatsiahy azy ireo mba hiaina sy hiaro amin-kerim-po ny zavatra inoan’izy ireo.
Maka fanahy sy mamitaka antsika tsikelikely i Satana.
-
Ny olona ao amin’ny kilasinao dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fandalinana ny Almà 47, izay mampiseho ny fitovian’ny zavatra ataon’i Satana amin’izao fotoana izao amin’ny fitaka nataon’i Amalikià. Azonao atomboka amin’ny fiangaviana ny olona iray mba hamintina ny tantara hita ao amin’ny Almà 47. Mba hahaliana kokoa ny lesona dia azonao asaina ny olona roa haka sary an-tsaina hoe Amalikià sy Lehôntia izy ireo ary hilaza ilay tantara. Inona no nataon’i Amalikià ka mampahatsiahy antsika ny zavatra ataon’i Satana mba hakana fanahy sy hamitahana antsika? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hampiasa andininy mazava tsara eo am-panaovana fifanakalozan-kevitra momba ity fanontaniana ity. Ilay teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia ahitana ohatra tsara iray hafa ny amin’ny fomba hamitahan’i Satana antsika. Inona no torohevitra azontsika ifanomezana izay hanampy antsika mba hitandrina ny amin’ny fomba hamitahan’i Satana antsika amin’izao vanin’andro izao? Inona no azontsika atao mba hiarovana ny tenantsika?
Rehefa miezaka ny hahatoky tahaka an’i Môrônia isika dia ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.
-
Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo toetoetra ananan’i Môrônia dia mety hanentana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hiezaka ny hanaraka ny ohatra nasehony. Azonao antomboka izany amin’ny fampisehoana sarin’i Môrônia, toy ilay ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Dia asao ny olona ao amin’ny kilasy avy eo mba handalina ny Almà 44:3–4 sy ny 48:7–13 ary hanoratra eny amin’ny solaitrabe teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Môrônia. Dia azonareo vakiana miaraka avy eo ny Almà 48:17, ary azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny nahafahan’i Môrônia nandresy ireo fitaoman-dratsin’i Satana ary lasa bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy, noho ny nananany an’ireo toetoetrany, toy ireo izay voatanisa eo amin’ny solaitrabe. Ahoana no ahafahantsika hitovy bebe kokoa amin’i Môrônia?
Afaka mampatanjaka ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny fahavalo isika.
-
Ny olona ao amin’ny kilasy dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fifampihainoana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiarovany ny tenany sy ny fianakaviany amin’ny fitaka sy fakam-panahin’i Satana. Mba hanentanana izany fifanakalozan-kevitra izany dia azonareo vakiana miaraka ny Almà 48:7–9; 49:1–9; sy ny 50:1–6. Rehefa mandinika ny filàna fiarovana ara-panahy amin’ny fahotana dia inona no azontsika ianarana avy amin’ny ezaka nataon’ireo Nefita mba hiarovana ny tenan’izy ireo? Ahoana no fomba hahafahantsika manorina fiarovana ara-panahy mba hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny fahotana sy ny fitaoman-dratsy? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ireo hevitra izay mahomby ho azy ireo. Nahoana no manan-danja ny “tsy [m]itsahatra ny manao fiomanana”? (Almà 50:1).
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Mety ho fomba iray hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny Almà 53–63 ny filazana azy ireo fa ny tantara ao amin’ireo toko ireo dia mety hanentana azy ireo sy ny fiankaviany mba hankatò kokoa sy hanana finoana matanjaka kokoa.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Ny vokatry ny fileferana amin’ny fahotana madinika.
Mba hampianarana fa “tafiditra eo amin’ny fiainantsika ny fahotana goavana rehefa nilefitra ireo fakam-panahy kely aloha isika,” dia nizara ity angano manaraka ity ny Filoha Spencer W. Kimball:
“Ny rameva iray sy ny tompony … dia namakivaky tany foana sy toeram-pasika raha iny tonga iny ny tafiotra. Nanangana haingana ny lainy ilay olona ka niditra tao anatin’izany, nakatony ny fidirana ao amin’ilay izy mba hiarovana ny tenany amin’ny fasika mikosoka sy manapatapak’ilay tafiotra misafoaka. Mazava ho azy fa navela tany ivelany ilay rameva, ary rehefa natopatopan’ilay rivotra mahery vaika ny vatany ary tadiditra tao amin’ny masony sy ny vavorony izany dia tsy zakany intsony hany ka niangavy ny hiditra ao amin’ny lay izy ny farany.
“-Natokana ho ahy ihany ny toerana ato- hoy ilay olona.
“-Azoko mba ampidirina ve anefa ny oroko mba hahafahako miaina rivotra tsisy fasika?- hoy ilay rameva nangataka.
“-Azonao atao angamba raha izay-, hoy ilay olona namaly, dia nosokafany kely ilay fidirana ka dia niditra ny orona lavabe an’ilay rameva. Laza nahazo aina be ilay rameva avy eo! Vetivety teo ihany anefa dia lasa nanahy ny amin’ny fasika mangirifiry nikapoka ny masony sy ny sofony ilay rameva … :
“Mankarary ny lohako ilay fasika hoentin’ny rivotra. Mba azoko ampidirina ve ny lohako fotsiny?-
“Nandanjalanja indray ilay olona ka nieritreritra izy fa raha manaiky dia tsy hampaninona izany satria ny lohan’ilay rameva dia haka ilay toerana ambony ao amin’ny lay izay tsy ampiasainy. Koa dia nampiditra ny lohany tao anatin’ny lay ny rameva ary afa-po hatrany ilay biby, saingy tsy naharitra anefa izany.
“-Mba ny faritry ny vatako eo anoloana fotsiny e,- hoy izy niangavy, ary dia nanaiky indray ilay olona ka vetivety teo dia tafiditra tao anatin’ny lay ny soroka sy ny tongotr’ilay rameva. Nony farany, araka izay fifandimbiasan’ny fiangaviana sy fileferana izay ihany, dia tafiditra tao anatin’ny lay ny vatan’ilay rameva iray manontolo. Lasa tsy omby azy roa intsony anefa ilay toerana, nodakan’ilay rameva hivoaka ilay olona ka lasa tany ivelany tao amin’ny tafiotra sy fasika” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 106–7).