“9–15 nôvambra. Etera 1–5: -[Manatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“9–15 nôvambra. Etera 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna: 2020
9–15 nôvambra
Etera 1–5
“[Manatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity”
Inona no fahamarinana nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Etera 1–5 izay azonao zaraina amin’ireo izay ampianarinao? Inona no fahafahana azonao omena azy ireo mba hizarana ny zavatra nianarany?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Eritrereto izao fomba miavaka izao mba hanasana azy ireo hizara: Zarao vato ny mpianatra 16 dia asao ny sasany amin’izy ireo mba hizara fahamarinana tadidiny avy tamin’ny fandalinany manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ny Etera 1–5. Inona no zavatra hataony noho ny zavatra nianarany?
Ampianaro ny fotopampianarana
Rehefa miantso tsy tapaka ny Tompo isika dia hambarany ny sitrapony.
-
Ny tsirairay amintsika dia efa samy nandalo fahasarotana tamin’ny famaliana olana na fanontaniana. Amin’ny fomba ahoana ny zavatra niainan-drahalahin’i Jareda no manampy an’ireo izay ampianarinao hianatra ny fomba fikatsahana fanampiana avy amin’ny Tompo? Angamba afaka manao tabilao iray ianao eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny tsanganana misy ny lohateny hoe: Ny fanontanian-drahalahin’i Jareda, Ny zavatra nataon-drahalahin’i Jareda, ary Ny valintenin’ny Tompo. Avy eo dia azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy ary ampandraiketo tsanganana iray ny vondrona tsirairay avy. Afaka miara-miasa ny vondrona tsirairay mba hikaroka ao amin’ny Etera 1:33–43 sy 2:16–3:6 ary hanoratra ny zavatra hitany ao amin’ny tsanganana nampiandraiketina azy ireo. Avy eo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto izy ireo: Inona no ianarantsika avy amin’ireo fomba isan-karazany safidian’ny Tompo hanampiana antsika? Inona no ianarantsika momba ny andraikitsika amin’ny dingana fandraisana fanambarana? Angamba afaka mizara ohatra hafa avy ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra izay mampianatra fitsipika mitovy amin’izany. Ny teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia manome hevi-baovao fanampiny momba ny fomba famalian’ny Tompo vavaka.
-
Ny vavaka nataon-drahalahin’i Jareda ao amin’ny Etera 3:1–5 dia mety hitaona fanahy ireo mpianatra mba hanombatombana ny vavaka ataon’izy ireo manokana. Angamba afaka maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe manome torohevitra olona iray izay mianatra mivavaka izy ireo. Inona no torohevitra homeny? Avy eo dia afaka mikaroka ao amin’ny Etera 3:1–5 izy ireo ary hamintina ny andininy tsirairay miaraka amin’ny torohevitra na fitsipika momba ny fomba tsara hivavahana. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba handinika ny vavaka ataon’izy ireo sy ny fomba ahafahany manaraka ny ohatry ny rahalahin’i Jareda mba hahatonga ny vavaka ataon’izy ireo hanan-danja kokoa.
-
Rehefa avy nizara ny zavatra niainan-drahalahin’i Jareda izay feno fanambarana ao amin’ny Etera 3 i Môrônia dia nanome torohevitra ao amin’ny Etera 4 momba ny fomba ahafahantsika mandray fanambarana avy amin’ny Tompo izy. Mba hanampiana ny mpianatra hianatra zavatra avy amin’io torohevitra io dia afaka maneho sarin’i Jesoa Kristy ianao ary hanasa ireo mpianatra mba hikaroka ao amin’ny Etera 4:8–10 ireo zavatra izay mety hanakana antsika tsy hahazo fanambarana na fahamarinana avy amin’ny Tompo. Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany, dia azonao saronana tsimoramora amin’ny lamba na taratasy ilay sarin’i Kristy Ahoana no ahafahantsika misoroka ireo sakana amin’ny fiainantsika ireo? Manaraka izany dia afaka mikaroka ao amin’ny Etera 4:7; 11–15 ireo mpianatra ary hitady ny fomba ahafahantsika ho mendrika ny handray fahamarinana avy amin’ny Tompo. Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia esory ilay lamba na ilay taratasy. Inona no dikan’ny hoe “hampiharany ny finoana … ny Tompo, tahaka ny nataon’ny rahalahin’i Jareda”? (Etera 4:7; jereo koa ny Etera 3:1–9). Inona no dikan’ny hoe “[manatriatra] ny voalin’ny tsy finoana” eo amin’ny fiainantsika? (Etera 4:15). Ahoana no hanampiantsika ny hafa hanao toy izany? Afaka mikatsaka fahamarinana momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (Liahona, mey 2018, 93–96).
Amin’ny alalan’ny famaizany ny Tompo dia manasa antsika mba hibebaka sy hanatona Azy.
-
Na ny mpaminany lehibe tahaka an-drahalahin’i Jareda aza dia nandray famaizana avy tamin’ny Tompo. Raha ny marina dia anisan’ny nahatonga azy ho lehibe ny fomba nasetriny ny famaizana. Mba hanampiana ny mpianatra hianatra zavatra avy amin’ny ohatry ny rahalahin’i Jareda dia azonao asaina izy ireo hiara-hamaky tsiroaroa ny Etera 2:14–15. Avy eo dia angataho ny iray amin’izy ireo mody hanao hoe rahalahin’i Jareda ary ilay iray hafa hanao olona iray izay naharay famaizana avy tamin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na ny rainy na ny reniny. Asaivo mifanakalo hevitra na milalao an-tsehatra izy ireo ny zavatra mety nolazain-drahalahin’i Jareda momba ny zavatra niainany mba hanampiana io olona io. Inona no torohevitra mety ho nomeny? Inona no lesona ianarantsika izay hanampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra? Azonao ifanakalozana hevitra ihany koa ny hoe tamin’ny fomba ahoana ny famaizan’ny Tompo sy ny fomba nasetrin’ny rahalahin’i Jareda izany no nanomana azy ho amin’ilay zavatra niainany ao amin’ny Etera 3:1–20. Ireto misy loharanom-pitaovana afaka manampy anao: hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko” (Liahona, mey 2011, 97–100) na ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fitsipi-pifehezana” ao amin’ny hafatry ny Loholona Lynn G. Robbins’s “Ilay mpitsara marina” (Liahona, Nov. 2016, 96–97).
Mijoro ho vavolombelona ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona telo.
-
Ny fianarana ny faminanian’i Môrmôna momba ireo vavolombelona telo dia mety hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpianatra momba ny Bokin’i Môrmôna. Angamba afaka mamaky ny Etera 5 ny antsasaky ny kilasy ary ny antsasany hafa hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” (ao am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna) ary hifampizara ny fahatsapany ny tanjon’ny Tompo tamin’ny famelana ireo vavolombelona telo hahita anjely sy ireo takelaka. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fotoana hafa izay nanorenan’ny vavolombelona maro fahamarinana ihany koa izy ireo (jereo ohatra ny Matio 3:13–17; 18:15–16; Jaona 5:31–47; FF 128:3). Fijoroana ho vavolombelona inona tamin’ny fiainantsika no nahatonga antsika hino? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoana amintsika “ny herin’ Andriamanitra, ary koa ny teniny” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? (Etera 5:4).
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe tsy mitsahatra ny mifampaka an-keriny sy mifamono ireo mpitarika ara-pôlitikan’izy ireo. Ao amin’ny Etera 6–11 izy ireo dia hamaky momba ny nitrangan’izany tamin’ny taranak’i Jareda sy ny rahalahiny. Hahita fampitandremana vitsy ihany koa izy ireo izay hanampy azy ireo hisoroka ireo olana izay natrehan’ireo Jaredita.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Mamantatra ireo valim-bavaka.
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe:
“Rehefa manazava olana iray isika miaraka amin’ny vahaolana atolotra dia indraindray Izy mamaly hoe eny, ary indraindray tsia. Matetika Izy manemotra ny valiny, tsy hoe noho ny tsy firaharahiana, fa satria tia antsika izy, amin’ny fitiavana tonga lafatra. Tiany hampihatra ireo fahamarinana nomeny antsika isika. Mba hivoarantsika dia mila matoky ny fahafahantsika hanao safidy marina isika. Mila manao izay tsapantsika fa mety isika. Hamaly foana Izy. Tsy handiso fanantenana antsika Izy.
“… Tiany isika hanao zavatra mba hahazoana izay traikefa ilaina:
“Rehefa mamaly hoe eny Izy, dia mba hahazoantsika toky.
“Rehefa mamaly hoe tsia Izy, dia mba hisorohana ny hanaovantsika hadisoana.
“Rehefa manemotra ny valiny Izy, dia mba hahafahantsika mitombo amin’ny alalan’ny finoana Azy, mankatò ny didiny ary mazoto hiasa araka ny fahamarinana. Takiana amintsika ny hanaiky ho tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra iray izay mifanaraka amin’ny fampianarany kanefa tsy nahazoana fanamafisana mialoha. Tsy natao hipetra-potsiny hiandry na himonomonona isika satria tsy niteny ny Tompo. Mila manao zavatra isika” (“Learning to Recognize Answers to Prayer,” Ensign, Nov. 1989, 31–32).