Avia, hanaraka Ahy
2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”


“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: -Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena

I Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena, nataon’i Dale Kilborn

2–8 nôvambra

Môrmôna 7–9

“Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”

Ataovy famerenana ireo zavatra tsapanao ka noraketinao nandritra ny fandalinanao manokana ny Môrmôna 7–9 tamin’ity herinandro ity. Andalan-tsoratra masina inona avy amin’ireo toko ireo no tsapanao fa tena hanan-danja ny hanaovana famerenana azy miaraka amin’ny iray kilasy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara zavatra avy amin’ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany, dia azonao amporisihana izy ireo mba hijery haingana ny ao amin’ny Môrmôna 7–9 ary hizara fehezan-teny (na andininy) iray izay ankasitrahany ny nampidiran’i Môrmôna na Môrônia azy tao anatin’ireo takelaka.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Môrmôna 7:8–10; 8:12–22; 9:31–37

Manan-danja lehibe tokoa ny Bokin’ i Môrmôna.

  • Fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny lanja lehibe ananan’ny Bokin’i Môrmôna ny firesahana ny fomba fanomezantsika lanja ny zavatra iray. Manova ny fomba fampiasantsika ny zavatra iray amin’ny fomba ahoana ny fahafantaranana ny lanjan’io zavatra io? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mikaroka ny Môrmôna 8:12–22 ary mizara izay voalazan’i Môronia momba ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna (“ity rakitsoratra ity”). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara zavatra niainana manokana izay nampiseho azy ireo ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa manan-danja amintsika ny Bokin’i Môrmôna?

    Sary
    tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

    Manazava fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ny fomba fifanohanan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Môrmôna 7:8–10 ary hamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny famariparitan’i Môrmôna an’ireo rakitsoratra roa ireo (“ny rakitsoratra koa izay ho tonga any amin’ny Jentilisa avy any amin’ny Jiosy,” dia milaza ny Baiboly). Azonao atao ny manao sarina faribolana anankiroa mifanindry eny amin’ny solaitrabe ary manome anarana ny iray hoe ny Baiboly ary ilay iray hafa hoe ny Bokin’i Môrmôna. Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka mitanisa ireo zavatra itovian’ireo boky soratra masina roa ao amin’ilay faritra ifandraisana ary ireo fahasamihafana ao amin’ireo faritra hafa. Ho solon’izay dia azonao atao ihany koa ny mitanisa fahamarinan’ny filazantsara vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe ary manasa ireo olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hahitana andininy avy amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly izay manampy azy ireo hahatakatra ireo fahamarinana.

Môrmôna 8:1–11

Afaka ny ho mahatoky isika na dia rehefa irery aza.

  • Ny olona sasany ao amin’ny kilasy dia mety hahatsapa ho irery ao amin’ny ezaka ataony mba hiaina ny filazantsara. Inona no azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia ka afaka manampy azy ireo? Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny Môrmôna 8:1–11 ary hieritreritra fanontaniana izay tiany anontaniana an’i Môrônia mba hianarana momba ny fomba nahafahany nijanona ho mahatoky na dia tao anaty toe-javatra sarotra aza. Inona no manentana azy ireo ao amin’ny ohatra nasehony? Eo am-pizaran’izy ireo ny eritreriny dia amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara zavatra niainana manokana tamin’izy ireo na ny olona fantany nijanona ho mahatoky na dia irery aza izy ireo. Ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo?

Môrmôna 8:26–41; 9:1–30

Nosoratana ho an’ izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

  • Noho ny fiafaran’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity manakaiky dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny misaintsaina ny antony hahatsapan’izy ireo fa io boky io dia nosoraratana ho an’ny androntsika. Azonao antomboka amin’ny famakiana ilay teny nindramina avy amin’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny fifanakalozan-kevitra. Avy eo ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mampihatra ireo fanontanian’ny Filoha Benson momba ny Môrmôna 8:26–41. Nahoana ny Tompo no nanentana an’i Môrônia mba hampiditra ireo teny ireo ao amin’ilay rakitsoratra? Ahoana no hanampian’izy ireo antsika amin’izao androntsika izao?

  • Araka ny ampianarina ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ny Môrmôna 9:1–30 dia ahitana ny hafatr’i Môrônia ho setrin’ny tsy fahampian’ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Angamba azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy ary asaina ny vondrona tsirairay hitady torohevitra izay hanampy azy ireo ao amin’ireto andininy manaraka ireto: 1–6 (ny vokatry ny tsy finoana an’i Kristy), 7–20 (ny maha-zava-dehibe ny finoana Andriamanitry ny fanambarana sy fahagagana), ary 21–30 (torohevitr’i Môrônia ho antsika).

  • Na dia nosoratana ho an’ireo “izay tsy mino an’i Kristy” aza ny Môrmôna 9:1–6 dia manampy antsika rehetra izany haka sary an-tsaina ny fijoroana eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any mba ho tsaraina. Angataho ny iray kilasy hanao famerenana ireo andininy ireo mba hitadiavana teny na andian-teny izay mamariparitra ny ho fahatsapan’ny olon-dratsy amin’io andro io. Inona no azontsika atao mba hisorohana ireo fahatsapana ireo? Ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety hahita hevi-baovao izay hanampy azy ireo ao amin’ilay tantara nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Betsaka ny olona amin’izao fotoana izao no mino fa efa nitsahatra ny fahagagana. Amin’ny fomba ahoana no hampiasanao ny fampianaran’i Môrônia mba hanampiana ny kilasinao hino ny “Andriamanitry ny fahagagana.”? Azonao antomboka amin’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba hamerina ny Môrmôna 9:7–26 ary hikaroka ireo fahagagana izay nandrisihan’i Môrônia mba hinoantsika. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba an’ Andriamanitra sy ny asany amin’ny androntsika? Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanatanterahan’ Andriamanitra fahagagana? (jereo ny Môrmôna 9:20–21). Inona no fahagagana efa hitantsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Moa ve ny olona ao amin’ny kilasy efa nanontany tena ny fomba hahafahany mampitombo ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Raha efa nanao izany izy ireo dia asao izy ireo hikaroka ao amin’ny Etera 1–5 fomba izay hanampy ny finoan’izy ireo hitombo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Nosoratana ho an’izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ny fahiny. Natao ho antsika izany. …

“Ireo mpanoratra lehibe tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa nanoratra ho an’ny taranaka ho avy izy ireo [jereo ny 2 Nefia 25:21; Jakôba 1:3; Môrmôna 7:1; 8:34–35]. …

“Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na i Môrônia na i Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nov. 1986, 6).

Afaka ny ho tonga tsisy pentina isika.

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nitantara momba ny nandehanany nandritra ny enina andro fony izy tanora niaraka tamina andiana miaramila tao amin’ny fiaran-dalamby fitaterana entana iray izay sady nafana no feno setroka, ka tsy nisy ny fahafahana nandroana na nisoloana akanjo. Rehefa tojo fiatoana iray dia lasa nankany amin’ny trano fisakafoanana iray ilay andiana miaramila.

“Feno olona be ilay izy koa dia namonjy filaharana lavabe izahay mba hahazoana toerana. Izaho no voalohany, taorian’ny vehivavy vitsivitsy nanao fitafiana tsara. Tsy nila nitodika akory ilay vehivavy nihaja teo anoloako dia nahatsapa sahady fa tao izahay satria namofona loatra.

“Nitodika izy dia nibanjina anay. Avy eo izy dia nitodika taty amiko ary nandinika ahy avy eny an-tampon-doha ka hatreny amin’ny rantsantongotra. Indro aho nijoro teo nitafy ity fanamiana feno hatsembohana, sy loto, sy lavenina ary niforiporitra. Hoy izy tamin’ny feo feno rikoriko hoe: -Loza, mba lehilahy voretra koa ireto!- Nitodika taty aminay daholo ny mason’ny rehetra.

“Tsy nisalasalana fa naniry izy hoe tsy ho teo izahay; mba naniry izany tahaka azy koa aho. Nahatsiaro ho tena naloto tokoa aho, tsy nahazo aina, ary menatra.”

Dia nampiasa ny teny tao amin’ny Môrmôna 9:4 avy eo ny Filoha Packer ka nampitaha izany zavatra niainany izany amin’ny hoe tsy madio ara-panahy eo anatrehan’ Andriamanitra. Rehefa nijoro ho vavolombelona izy fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hany fomba nahafahany ho lasa madio ara-panahy dia nilaza izy avy eo hoe:

“Azonareo sary an-tsaina ve ny fahatsapako rehefa nahita aho nony farany fa raha manaraka izay mety ho fepetra napetraky ny Mpanavotra aho dia tsy mila miaritra na oviana na oviana ny fangirifirian’ny tsy fahadiovana ara-panahy? Alaivo sary an-tsaina ilay fahatsapana mampionona sy manafaka ary manandratra izay ho tonga aminao rehefa mahita ianao fa tena misy ny Sorompanavotana ary ny lanjan’ny fampiasana izany isan’andro aminao manokana” (“Washed Clean,” Ensign, May 1997, 9–10).

Manatsara ny fampianarantsika

Mivavaha ho an’ny mpianatrareo. Misy olona sahirana ve ao amin’ny kilasinao? Tahaka ny nivavahan’ny Mpamonjy ho an’i Petera (jereo ny Lioka 22:31–32), afaka mivavaka ho an’ireo izay ampianarinao mba hankaherezina ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).

Hamoaka printy