Avia, hanaraka Ahy
2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”


“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9: -Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“2–8 nôvambra. Môrmôna 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena

Moroni Writing on Gold Plates, nataon’i Dale Kilborn

2–8 nôvambra

Môrmôna 7–9

“Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”

Nanam-pinoana i Môrmôna sy i Môrônia fa hanentana ny fanahin’ireo izay miaina amin’ny andro farany ny raki-tsoratr’izy ireo. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 7–9, dia soraty ny fitaomam-panahy tonga ao aminao mikasika ny fomba azonao hampiharana ny zavatra izay ianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Fantatr’i Môrmôna sy i Môrônia hoe manao ahoana izany irery izany ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana. Ho an’i Môrônia dia tsy maintsy hoe tena henjana tokoa ilay fanirery taorian’ny nahafatesan’ny rainy tao anatin’ny ady sy ny naharingana ny Nefita. “Dia izaho irery no tafajanona,” hoy izy nanoratra. “Tsy manana namana aho, na izay aleha” (Môrmôna 8:3, 5). Mety ho toy ny nahakivy ny zavatra nisy, saingy i Môrônia dia nahita fanantenana tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Mpamonjy sy ny fahalalany fa “hizotra hatrany ny fikasana mandrakizain’ ny Tompo” (Môrmôna 8:22). Ary fantatr’i Môrônia fa misy anjara asa fototra hotanan’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ireo fikasana mandrakizay ireo, dia ilay rakitsoratra novitainy tamim-pahazotoana tokoa tamin’izay fotoana izay, ilay rakitsoratra izay “hamirapiratra avy ao amin’ ny maizina” indray andro any ary hitondra olona maro “ho amin’ ny fahalalana an’ i Kristy” (Môrôna 8:16; 9:36). Ny finoan’i Môrônia an’ireo fampanantenana ireo no nahatonga azy ho afaka ny hanambara tamin’ireo mpamaky an’ilay boky aty aoriana hoe : “miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo” sy hoe “fantatro fa hanana ny teniko ianareo” (Môrmôna 8:35; 9:30). Ankehitriny isika dia manana ny teniny, ary asan’ny Tompo dia mizotra hatrany, ary isan’ny nahatanteraka izany ny hoe satria nijanona ho mahatoky tamin’ny asa nanirahana azy i Môrmôna sy Môrônia, na dia tamin’ny fotoana naha-irery azy ireo aza.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môrmôna 7

Tsy maintsy mino an’i Jesoa Kristy aho ary mihazona ny filazantsarany.

Ny tenin’i Môrmôna voasoratra farany, izay hita ao amin’ny Môrmôna 7, dia nosoratana ho an’ireo taranaky ny Lamanita amin’ny andro farany, kanefa mirakitra fahamarinana natao ho antsika rehetra izany. Inona no ampianarin’ny hafatr’i Môrmôna anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Nahoana i Môrmôna no mety ho nifidy io hafatra io mba hamaranana ny asasorany?

Môrmôna 7:8–10; 8:12–22; 9:31–37

Manan-danja lehibe tokoa ny Bokin’ i Môrmôna.

Nanontany ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no hosafidianao? Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao?” (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62).

Fantatr’i Môrmôna sy Môrônia fa ilay rakitsoratra notanan’izy ireo dia hanan-danja lehibe tokoa amin’izao androntsika izao, ka dia nanao fahafoizan-tena lehibe izy ireo mba hanomanana sy hiarovana izany. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 7:8–10; 8:12–22; sy ny 9:31–37, dia eritrereto ny antony maha-manan-danja tokoa an’ilay rakitsoratra amin’izao androntsika izao. Mety hahita hevitra fanampiny ianao ao amin’ny 1 Nefia 13:38–41; 2 Nefia 3:11–12; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16; 42:12–13. Inona no zavatra niainana nanampy anao hahafantatra fa ny Bokin’ i Môrmôna dia manan-danja lehibe tokoa?

Sary
tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Azo ampiharina amintsika ny asasoratr’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Môrmôna 8:26–41; 9:1–30

Nosoratana ho an’ izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

Nasehon’i Jesoa Kristy an’i Môrônia ny zavatra hitranga rehefa hivoaka ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 8:34–35), ary ny zavatra hitan’i Môrônia dia nitarika azy hanome fampitandremana feno fahasahiana ho an’izao androntsika izao. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 8:26–41 sy ny 9:1–30, dia saintsaino raha toa ka misy famantarana an’ireo fomba fihetsika sy asa ireo eo amin’ny fiainanao na tsia. Inona no mety ho azonao novaina?

Ohatra, ny Môrmôna 9:1–30 dia mirakitra ny hafatr’i Môrônia ho setrin’ny tsy fahampian’ny finoana an’i Jesoa Kristy izay nahazo vahana lehibe tokoa izay hitany mialoha fa hitranga amin’izao androntsika izao. Hevero ny hanoratra ny zavatra nianaranao avy amin’ny teniny momba ireto manaraka ireto:

Inona no nianaranao avy amin’i Môrônia ka afaka manampy anao hitondra ny hafa hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môrmôna 7:5–7, 10; 9:11–14

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny antony ilantsika Mpamonjy iray?

Môrmôna 7:8–10

Inona no nianarantsika tao anatin’ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity ka nampatanjaka ny finoantsika ny Baiboly? Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray, dia afaka miara-mamaky soratra masina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ianareo izay mampianatra fahamarinana mitovy, toy ny Almà 7:11–13 sy ny Isaia 53:3–5 na ny 3 Nefia 15:16–24 sy ny Jaona 10:16.

Môrmôna 8:1–9

Mety ho toy ny ahoana re izany irery tahaka an’i Môrônia izany e? Inona no manan-danja amintsika momba ny asa izay notanterahiny?

Môrmôna 8:12, 17–21; 9:31

Hevero ny hiarahanareo mianakavy mamaky ireo andininy ireo ary avy eo dia mamaky ity teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland manaraka ity: “Ankoatran’ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’Andriamanitra niasa. … Rehefa mahita tsy fahatanterahana ianao, dia tsarovy fa ny tsy fahatanterahana dia tsy eo amin’ny maha an’Andriamanitra an’ilay asa” (“Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94). Nahoana no zava-doza ny mifantoka amin’ny tsy fahatanterahan’ny hafa, anisan’ireo ireo izay nanoratra ny Bokin’i Môrmôna?

Môrmôna 8:36–38

Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika? Nahoana ny olona iray no mety ho menatra ny hitondra eo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahantsika hanana fahasahiana amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy?

Môrmôna 9:16–24

Misy laro manokana ilaina mba hampahombiazana ny andrana ara-tsiantifika na ny sakafo iray. Hevero ny hiarahanareo mianakavy hanao fanandramana na hanao sakafo tena tiana mialoha ny hamakiana ny Môrmôna 9:16–24. Eo am-pamakianao ireo andininy (indrindra fa ny andininy 20–21), dia tadiavo ireo “laro” ilaina izay mahatonga ny fahagagana hisy. Inona avy ireo fahagagana afaka ny ho hitantsika ao amin’ny tontolo manodidina antsika sy ao amin’ny fianakaviantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Ampiasao ireo loharanom-pitaovana ôfisialy an’ny Fiangonana. Raha manana fanontaniana momba ny filazantsara ianao, ny loharano tsara indrindra hahazoana valin-teny dia ny vavaka, ny soratra masina, ny tenin’ny mpaminany velona, ary ireo boky hafa navoakan’ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17–18, 23–24).

Sary
i Môrmôna mamintina ireo takela-bolamena

Mormon Abridging the Plates, nataon’i Jon McNaughton

Hamoaka printy