Avia, hanaraka Ahy
26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: “Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”


“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: -Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Môrmôna manoratra eo amin’ny takela-bolamena

I Môrmôna mamintina ireo takelaka, nataon’i Tom Lovell

26 ôktôbra–1 nôvambra

Môrmôna 1–6

“Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”

Eo am-pamakinao ny Môrmôna 1–6, dia saintsaino ny zavara ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna. Raketo ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy nanao “fitantarana feno” ny amin’ny “fisehoan-javatra mahatsirav[in’ny]” faharatsiana sy ny fandatsahan-drà hitany teo anivon’ny Nefita i Môrmôna (Môrmôna 2:18; 5:8). Saingy izay noraketiny ao amin’ny Môrmôna 1–6 dia ampy hampahatsiahy antsika hoe hatraiza no mety hahalasa ratsy fanahy ny olona izay olo-marina teo aloha. Eo anivon’ny fihanaky ny faharatsiana toy izany dia tsy mahagaga raha lasa sasatra, eny kivy mihitsy aza i Môrmôna. Kanefa na oviana na oviana izy tao anatin’ireo zavatra hitany sy niainany dia tsy mba nanary ny finoany ny famindram-po lehiben’Andriamanitra sy ny faharesen-dahatra nanany fa ny fibebahana no lalana ahafahana mandray izany. Na dia nandà ny fanasana feno fitalahoan’i Môrmôna mba hibebaka aza ny vahoakany dia fantany fa nanana olona maro kokoa horesena lahatra izy. “Eny, indro,” hoy izy, “manoratra amin’ ny faran’ ny tany rehetra aho.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nanoratra ho anao izy (jereo ny Môrmôna 3:17–20). Ary ny hafany ho anao ankehitriny dia mitovy amin’ilay hafatra izay tokony ho namonjy Nefita maro tamin’ny andron’izy ireo dia ny mba: “[hino] ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Hibebaka sy hiomana ny hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra” (Môrmôna 3:21–22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môrmôna 1

Afaka miaina am-pahamarinana aho na dia eo aza ny faharatsiana manodidina ahy.

Manomboka any amin’ny toko voalohany amin’ny Môrmôna dia hahatsikaritra fahasamihafana lehibe eo amin’i Môrmôna sy ny olona manodidina azy ianao. Hevero ny hampitaha ireo toetra sy faniriana nananan’i Môrmôna amin’ny an’ny vahoakany eo am-pamakinao ny Môrmôna 1. Raketo an-tsoratra ny zava-nanjo azy sy izy ireo (hahita ohatra iray amin’izany ianao ao amin’ny andininy ny 14–15). Inona no zavatra nianaranao izay nitaona anao hiaina amim-pahamarinana eo anivon’ny tontolo ratsy iray?

Eo am-pamakinao ny Môrmôna 2–6, dia tohizo ny fitadiavana ny fomba nanehoan’i Môrmôna ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na dia teo aza ny fitaoman-dratsy nanodidina azy.

Sary
Nefita sy Lamanita miady

Ady, nataon’i Jorge Cocco

Môrmôna 2:10–15

Mitondra amin’ny fiovana marina sy maharitra ny alahelo araka an’Andriamanitra.

Rehefa nahita ny alahelon’ny olony i Môrmôna dia nanantena izy fa hibebaka izy ireo. Saingy “tsy nankamin’ny fibebahana ny alahelony” (Môrmôna 2:13)—tsy ilay karazana alahelo araka an’Andriamanitra izay mitondra ho amin’ny fiovana marina izany (jereo ny 2 Korintiana 7:8–11). Fa alahelo araka izao tontolo izao kosa no tsapan’ireo Nefita (jereo ny Môrmôna 2:10–11). Mba hahatakarana ny maha-samy hafa ny alahelo araka an’Andriamanitra sy ny alahelo arak’izao tontolo izao dia hevero ny hanao tabilao iray izay ahafahanao mandray an-tsoratra ny zavatra ianaranao avy amin’ny Môrmôna 2:10–15 mikasika ireo karazana alahelo roa ireo. Tokony ho toy izao ny endriky ny tabilaonao:

Alahelo araka an’Andriamanitra

Alahelo arak’izao tontolo izao

Alahelo araka an’Andriamanitra

Manatona an’i Jesoa (andininy 14)

Alahelo arak’izao tontolo izao

Manozona an’Andriamanitra (andininy 14)

Alahelo araka an’Andriamanitra

Alahelo arak’izao tontolo izao

Alahelo araka an’Andriamanitra

Alahelo arak’izao tontolo izao

Eo am-pandinihanao ny zavatra ianaranao dia hevero ny mety hiantraikan’izany eo amin’ny ezaka ataonao handresena ny fahotana sy ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy bebe kokoa.

Jereo ihany koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Vitanao io izao dia izao!Liahona, nôv. 2013, 55–57.

Môrmôna 3:3, 9

Mila mahatsikaritra mandrakariva ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra eo amin’ny fiainako aho.

Noraketin’i Môrmôna ny fahalemena iray hitany teo amin’ny Nefita: tsy nahatsikaritra ireo fomba nitahian’ny Tompo azy izy ireo. Namporisika antsika ny Filoha Henry B. Eyring “mba hahitana fomba ahafahana mahatsikaritra sy mahatsiaro ny hatsaram-pon’Andriamanitra. … Mivavaha sy mandiniha rehefa mametraka ny fanontaniana manao hoe: Nandefa hafatra ho ahy manokana ve Andriamanitra? Nahatsikaritra ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainako na ny an’ireo zanako ve aho? … Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika Izy ary mitahy antsika, mihoatra lavitra noho izay efa tsikaritsika” (“O Remember, Remember,” Ensign or Liahona, Nov. 2007, 67, 69).

Eo am-pamakianao ny Môrmôna 3 : 3, 9, dia azonao atao ny misaintsaina ny fomba ahafahana mahatsikaritra ny fiasan’ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Inona avy ireo fitahiana tonga rehefa mahatsikaritra ny fiasany eo aminao ianao? Inona no vokatry ny tsy fanekena ny fisiany? (jereo ny Môrmôna 2:26).

Môrmôna 5:8–24; 6:16–22

Mamelatra ny sandriny handray ahy i Jesoa Kristy.

Nolavin’ny Nefita ny fampianaran’i Môrmôna kanefa mbola nanana fanantenana izy fa hisy fiantraikany eo aminao ny rakitsorany. Inona no nianaranao momba ny vokatry fahotana teo am-pamakinao ny Môrmôna 5:8–24 sy ny 6:16–22? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo an-dalan-tsoratra masina ireo momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa momba anao, eny na dia rehefa manota aza ianao? Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao an’i Jesoa Kristy nanampy anao an-tanan-droa? Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatr’zany?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môrmôna 1:2

Inona no dikan’ny hoe “faingam-pandinika”? Afaka mahita hevi-baovao ao amin’ny lahatsoratra nosoratan’ny Loholona David A. Bednar mitondra ny lohateny hoe “Quick to Observe” (Ensign, Dec. 2006, 30–36) ianao. Nahoana no fitahiana ho an’i Môrmôna ilay fanomezam-pahasoavan’ny hafainganana amin’ny fahaiza-mandinika? Ahoana no ahafahan’izany ho tonga fitahiana ho antsika?

Môrmôna 1:1–6, 15; 2:1–2

Mahatakatra ve ny ankizy madinika ao amin’ny fianakavianareo fa na dia mbola kely aza izy ireo dia afaka ny hanana toe-panahy tsara sy hery lehibe? Afaka manampy azy ireo ny ohatra nasehon’i Môrmôna. Hevero ny handrafitra ny fizotry ny tantaran’ny fahazazana sy ny naha-zatovo an’i Môrmôna manaraka ny vanim-potoana amin’ny alalan’ny fampiasaina ireo taona sy ireo zava-nitranga nomena ao amin’ny Môrmôna 1:1–6, 15 sy 2:1–2. Rehefa miresaka momba ireo hatsarana sy ny zavatra niainan’i Môrmôna ianareo dia resaho ny amin’ireo hatsarana ananan’ireo zanakareo ka nitaona anareo sy ny hafa manodidina azy ireo.

Môrmôna 2:18–19

Inona ireo teny nampiasain’i Môrmôna mba hamaritana ny tontolo ianantsika amin’izao? Tamin’ny fomba ahoana no namikirany tamin’ny fanantenana na dia teo aza ny faharatsiana nanodidna Azy? Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika manao toy izany?

Môrmôna 3:12

Inona no zavatra tsapan’i Môrmôna momba ireo olona nanodidina azy na dia ratsy fanahy aza izy ireo? Inona no azontsika atao mba hananantsika fitiavana mitovy amin’ny azy?

Môrmôna 5:2

Nahoana isika no mety hisalasa hangataka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa ao anatin’ny ady sarotra? Inona no azontsika atao mba hianteherana amin’ny Ray any An-danitra bebe kokoa?

Môrmôna 5:16–18

Mba hanampiana ny fianakavianao hahazo sary an-tsaina ny dikan’izany hoe “avezivezy toy ny akofa eo anoloan’ny rivotra” izany (andininy 16), dia mandrovita taratasy iray ka ataovy tapatapany kely ary avelao ny olona ao amin’ny fianakaviana hitsoka izany manodidina. Hazavao amin’izy ireo fa ny akofa dia fonony ivelan’ny voa ary maivana hany mora avezivezin’ny rivotra etsy eroa. Nahoana ny hoe “tsy miaraka amin’i Kristy sy Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao” (andininy 16) no mitovy amin’ny hoe akofa entin’ny rivotra?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara fotopampianarana mazava sy tsotra. Ny filazantsara dia mahafinaritra ao anatin’ny fahatsorany (jereo ny FF 133:57). Tsy tokony hiezaka loatra ny hampifalifaly ny fianakavianao amin’ny lesona mitaky fiomanana diso tafahoatra ianao fa tokony haka antoka kosa fa ny zavatra ampianarinao dia mifototra amin’ny fanekempihavanana madio sy tsotra.

Sary
i Môrmôna mitazana ny Nefita sy ny Lamanita eny amin’ny sahan’ny ady

Ny boky mahagagan’i Môrmôna, nataon’i Joseph Brickey

Hamoaka printy